Efa misy ny fampiasa (app) ho an'ny boky Afrikana amin'ny teny Portiogey

 

Tendro ifantohana amin'ny literatiora vita eto Afrika sy avy amin'ny mpanoratra Afrikana ny Ethale. Sary: Famokarana indray/ Ethale novain'i Giovana Fleck/Global Voices.

Lasa mora kokoa ny miditra amin'ny sehatry ny literatiora afrikanina. Tontosa izany noho ilay mpanao printy mozambikana, Ethale Publishing, izay nanomboka, tamin'ny 10 Febroary, fampiasa iray ho an'ny boky nomerika Afrikana antsoina hoe Ethale Books App. Amin'izao fotoana izao, ao amin'ny Google Play Store ihany no azo isintomana ilay fampiasa, ary azo alaina amin'ny alalan'ny fandoavam-bola amin'ny finday ny boky, izay tsy miasa afa-tsy ao Mozambika aloha amin'izao fotoana izao.

Noho izy vao haingana dia tsy mbola azo lazaina fa mahatratra ny sehatra lehibe indrindra eran-tany toa ny Kindle izy io, saingy mahaliana ny nivoahan’ny tamin’ny tetikasa avy any an-toerana ao Mozambika.

Já pensou em ter livros 80% mais baratos e que cheguem a todos cantos do país em um instante? A Ethale apresenta o Ethale Books App, um aplicativo para livros digitais. Disponível na play store para todos amantes da literatura.
Tenha o aplicativo no seu telemóvel e desfrute do melhor da literatura.

Efa nieritreritra ny hanana boky mora vidy 80% ve ianao izay tonga any amin'ny vazan-tany rehetra ao anatin'ny indray mipi-maso? Manolotra ny fampiasa Ethale Books ny Ethale, fampiasa ho an'ny boky nomerika. Hita ao amin'ny Play Store ho an'ireo mpankafy literatiora rehetra.
Asio ilay fampiasa ny findainao ary ankafizo ny literatiora tsara indrindra.

Ilay fampiasa no sehatra nomerika voalohany ho an’ny boky elektronika ao Mozambika ary ahitana lohateny literatiora toy ny “Matigari”, nosoratan'i Ngugi wa Thiong'o, “A Greve dos Mendigos”, nosoratan’i Aminata Sow Fall ary “O Voo dos Fantasmas”, nosoratan’i Melio Tinga. Fantatra ihany koa fa afaka manome boky rakipeo ihany koa ilay fampiasa.

Amin'ny ankapobeny, manana fitaovana ny fampiasa Ethale Books, toy ny tamin'ny taona 2020, nanangana ny Ethale Talks ny Ethale Publishing, fantsona YouTube io natokana hikarohana ireo lohahevitra mafana sy manan-danja indrindra momba ny kolontsaina, ny literatiora ary ny vondrom-piarahamonina Afrikana, izay ho hita ao amin'ny fampiasa ny votoatiny.

Tao amin'ny pejiny Facebook,  nilaza i Jessemusse Cacinda, mpanorina ny fanaovam-printy fa noho ny fanohanan'ny Fondation Miles Morland (Londres) sy ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Mozambikana momba ny Fandalinana Ampiharina (Nampula) no nahatontosana ny fangatahana.

Nisongadina tamin'ny fifantohana amin'ny literatiora vita any Afrika na avy amin'ny mpanoratra Afrikana ny Ethale ary efa namoaka fandikan-teny vitsivitsy tamin'ireo boky manan-tantara toy ny “A Greve dos Mendigos”, nosoratan'i Aminata Sow Fall. Amin'ny fanombohana ny sehatra dia heverina fa hampitomboina ny fisian'ny vokatra any an-toerana, na dia mbola ambany aza ny tahan'ny fidirana amin'ny fitaovana finday any Mozambika, izany hoe 53%.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.