· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Mey, 2018

Japana : ‘Yoshiharu Habu sy ny Shogi maoderina’, tetikasam-pandikanteny ifarimbonana

  29 Mey 2018

Nahita masoandro tampoka teo ny tetikasa fandikan-teny fanaovan-tsoa iray mba handikana ho amin'ny teny anglisy ny sanganasan'i Mochio Umeda, mitondra ny lohateny hoe “Mijery ny Shogi-n'i Silicon Valley - Habu Yoshiharu sy ny Vanim-potoana maoderina” (シリコンバレーから将棋を観る-羽生善治と現代). Tsy ampy herinandro ny namitana azy iray manontolo.

Japana : Ahoana ny fahitana ny Tranonkala Japoney (2)

  29 Mey 2018

Manasongadina ny sasany amin'ireo adihevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter ny Fizarana faharoa sy ny fizarana fahatelo amin'ity lahatsoratra ity taorian'ny antsafa nampiadihevitra "Mandiso fanantenana ny habaka Japoney": Antsafa niarahana tamin' Atoa Mochio Umeda".

Japana: Ahoana ny fahitana ny tranonkala Japoney (Fizarana fahatelo)

  29 Mey 2018

Ho ohatra amin'ireo tranonkala japoney izay tsy "mandiso fanantenana" mihitsy, bilaogera marobe no niresaka ny fahombiazan'ny tranonkala fizarana lahatsary Nico Nico Douga. Bilaogera Dan Kog niresaka momba ny tranonkalan'ny sakafo Cook Pad (izay nampahafantarina ny daholobe herinandro vitsivitsy lasa izay) sy ny Yahoo! Japana toy ny ohatra kintana.

Fironan-kevitra Vaovao Ny “Hijablogs”

  28 Mey 2018

Fomba iray hafa manerantany nampisafotofoto ny tontolon'ny bilaogy ny hijablogging. Manerana izao tontolo izao, dia manapaka hevitra ny hitoraka bilaogy ihany koa ireo vehivavy mitondra hijab (sarondoha fitondran'ireo vehivavy silamo ) ...

Venezoelà: Tsy alefa intsony ny fandaharana Ry Simpson

  28 Mey 2018

Iray amin'ny fandaharana fahitalavitra malaza indrindra manerantany amin'ny fiteny rehetra, nolazain'ny governemanta venezoelana ho tsy mendrika ny fandaharana Ry Simpson fa mampiana-dratsy ny ankizy, ka tsy ho alefa intsony. Fandaharana efa nandeha tao hatramin'ny taona 1989 anefa izany, ary ny tena nahasosotra ny bilaogera dia...