Japana : Iza no inoana mikasika ny balafomanga Koreana Tavaratra?

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Alahady 5 Aprily, nandefa balafomanga mahataka-davitra Taepodong-2 izay niampita an'i Japana talohan'ny nianjerany tany amin'ny Ranomasimbe Pasifika i Korea Avaratra.

Nanambara ny fikasany mialoha i Korea Avaratra ary naparitaka nanomboka ny 4 Aprily ny vaovao. Namaly ilay bilaogera Atsukoba:

しかし、マスコミは番組の冒頭や見出しで煽動的な報道を繰り返しています。そこだけ見ると、いまにもミサイルが日本に撃ち落とされるかのように錯覚してしまいます。

Manohy manapoizina ny toe-draharaha miaraka amin'ny lohateny vaventy sy ny lohateny kely mampihetsi-po ny fampahalalam-baovao. Raha jerena amin'ny lohateny lehibe, tahaka ny hoe hidona tampoka ao Japana ny balafomanga.

Tsy namoaka fanairana diso indray mandeha, fa indroa ny Minisitry ny Fiarovana, izay manahy amin'ny fifehezana ny toe-draharaha. Bilaogera, Tobias Harris, avy ao amin'ny blaogy Observing Japannitantara ny fizotry ny korontana amin'ny antsipiriany ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Drowing in Noise“ (milentika anaty tabataba).

Nandritra ny fisavorovoroana nanjaka tao amin'ny fampahalalam-baovao, tamin'ireo manampahefam-panjakana sy ny kaominina nahazo vaovao avy amin'izy ireo, niovaova ny fanehoan-kevitry ny tontolon'ny blaogy Japoney. Maro ireo bilaogera naneho ny ahiahian'izy ireo, saingy niaraka tamin'ny tsy firaharahiana, manontany tena ny amin'izay tian'i Korea Avaratra hotanterahina.

Tez, Japoney namorona bilaogy tao amin'ny Tumblr mitanisa ny zava-misy marina rehetra nomen'ny fandaharan'ny radio NHK (Nippon Hōsō Kyōkai). Nisy nizara in-150 mahery ny lahatsoratra.

Nanoratra i Tez:

やっぱでもNHK第一ラジオって日本に残された数少ない良質のコンテンツを提供するメディアだよなあと思った。2名程専門家が出てきてたけど、それぞれが独立して自論を述べてた。民放TVなら絶対討論にして訳分からない状態に揉めさせるよな。

Amin'ny ankapobeny, ny onjam-peo NHK dia iray amin'ireo loharanom-baovao farany sy vitsy ao Japana izay manome fandaharana ara-kalitao. Nisy manam-pahaizana roa tao amin'izany fandaharana izany ary samy niresaka momba ny fomba fijeriny manokana momba ny toe-draharaha izy ireo. Raha navoaka tamin'ny sehatry ny fahitalavitra ara-barotra io fandaharana io, dia mety ho adihevitra izany, natao hitarihana fanehoan-kevitra tampoka, mikorontana, sy amin'ny fomba “dinidinika ambany tafontrano”.

Ao Tokyo, na dia tsy afaka nampangatsiaka ny hafaliam-pon'ny faran'ny herinandro mahafinaritra mba hijery ireo serizy mamelana voninkazo (hanami amin'ny teny japoney) aza ny “zavatra manidina” (飛翔体 amin'ny teny japoney). Vonona hanana ny anjara hanami ny taona ho azy ireo sy leo ireo vaovao ratsy rehetra, zara raha na,opy maso ireo fandaharana manokana ny Japoney taorian'ny nianjeran'ny balafomanga voalohany tao amin'ny ranomasin'i Japana. Lahatsoratra manokan'ny Daily Yomiuri ao amin'ny vala Ueno avy amin'ny ripplet.jp

Diplômaty taloha, Naoto Amaki, manazava izany :

メディアは北朝鮮ミサイル発射問題一色だ。果たして国民はそのニュースをどこまで詳しくフォローしているのだろうか。

毎日の勤労に疲弊している国民の多くは、洪水のように溢れる新聞やテレビの報道を深く読んでいる暇はないだろう。

しかしそれでよいのだ。どれもこれも同じようなニュースばかりだ。やっぱり発射した。でも何も起こらなかった。よかった。日本政府は何もできな かった。でも関係者にはご苦労様だった。それにしても北朝鮮はとんでもない国だ。国際社会はこれを許してはいけない・・・これでいいのだ。

Navoaka fampahalalam-baovao tafahoatra ny tantaran'ny balafomanga, saingy firy ny olona tena nanaraka izany tamin'ny antsipiriany? Reraky ny asany isan'andro, tsy manam-potoana handraisana ny fampielezana vaovao avy amin'ny gazety sy ny fahitalavitra ny Japoney.

Saingy, tsy dia maninona, mitovy ihany izany. Mitovy daholo ny tatitra rehetra. Nandefa zavatra i Korea Avaratra. Tsy nisy na inona na inona nitranga. Tsara! Tsy afaka nanao na inona na inona ny governemanta japoney. Ho an'ireo rehetra voakasika, misaotra anao noho ny fanakorontanana. Mitondra tena amin'ny fomba mihantsy, toy ny mahazatra i Korea avaratra. Tafintohina ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena ary tezitra noho ity zava-nitranga farany ity. Noho izany, mitohy toy ny mahazatra ny raharaha? Tsara izany, ary tsy misy antony tokony hisorohana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.