Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2022
Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley
Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalambe tao Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty ireo mpikatroka demaokratika efatra.
Niverina ny diam-pireharehana Prague rehefa naaton'ny valan'aretina nandritra ny roa taona: Andra-tsary
Heverina ho anisan'ny goavana indrindra tao Eoropa Afovoany, niverina an-dalambe ny Reharehan'i Prague tamin'ny 13 Aogositra rehefa niato roa taona, ka nahazo olona enina alina teo ho eo.
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: India
Efa mivoaka ho tatitra izao ny fikarohan'ny Advox momba ny jadona nomerika ao India. Vakio ny ampahany, ary trohy ny Pdf manontolo.
Nahazo fanovan'endrika graffiti marevaka ny lamasinin'ny Oniversiten'i Chittagong malaza
Iray amin'ireo oniversite vitsivitsy eto amin'izao tontolo izao manana fiaran-dalamby manokana izay vao nolokoana graffiti marevaka ny Anjerimanontolon'i Chittagong.
Surajo Teete, mpandika lahatsoratra, mino fa fanalahidin'ny fampiraisana ireo mpiteny Fulfulde ny aterineto
Marisika amin'ny hanaovana ireo fiteny hanana endrika nomerika i Surajo Teete, toy ny Fulfulde, mba hialàna amin'ireo sakana apetraky ny toetany sy ny pôlitika izay mametra antsika.
Mampiroborobo ny fiteninay “Maya” aty amin'ny aterineto izahay mba tsy ho hadino izy ireny
Mizara ny tetikasany fikatrohana nomerika, ny vondrom-piarahamoniny ary ny teniny Tselta,l i Celfa Iraida Sántiz Sántiz, mpikatroka nomerika nahazo famatsiambola ho an'ny fiteny Maya.
Fitohanan'ny fifamoivoizana mamaivay eny amin'ny araben'i Lagos ao Nizeria
Rehefa mitondra fiara ao Lagos, sahala amin'ny toa tezitra ny olona rehetra na sosotra mihitsy. Saingy aza matahotra fa vetivety foana dia ho hitanao koa fa ho tezitra ianao.
Hira dimy hankalazana ny Andron'ny Vahoaka Indizeny
Ny mozika dia fomba iray hanoherana ny fandrahonana mianjady amin’ny fomba fiainan'ny vahoaka indizeny, ny fiteniny ary ny kolontsainy noho ny mpanjanaka sy ny herisetra, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fanavakavahana ara-toekarena sy ara-pirazanana, ary ny fampiraisana ara-kolontsaina.
Tantara an-tsary “ambanin'ny tany” mampiseho ny zeitgeist ao Skopje, renivohitr'i Makedonia Avaratra
Tamin'ny Oktobra 2021 no natonta ilay boky hatsikana "Alika Mpirenireny sy Voalavo" ("Džukela i Pacof" amin'ny fiteny Makedôniàna). Nomen'ny mpanoratra azy alàlana ny Global Voices hamoaka ampahany nadika ho amin'ny fiteny anglisy.
Mitetika hanao ho mahazatra ny fanazarantena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan ve i Shina?
Mety mitetika hanao izay ho toy ny ara-dalàna sy hahazatra amin'ny sarinady ao andilan-dranomasin'i Taiwan i Shina. Fa inona moa no dikan'izany amin'ny hoavin'i Taiwan sy ny fifandraisana ao amin'ny faritra?