Fitohanan'ny fifamoivoizana mamaivay eny amin'ny araben'i Lagos ao Nizeria

Fitohanan'ny fifamoivoizana ao Ojuelegba, Lagos, Nizeria. Sary an'ny Wikimedia avy amin'ny Omoeko Media, 4 Jolay 2019, (CC BY-SA 4.0)

Amin'ny maha-mpivarotra azy, amin'ny 3 ora maraina i Mama Bomboy no mifoha manomana ny zanany handeha hianatra. Fotoana hisakafoanana fotsiny no ananany amin'izany. Avy eo izy tsy maintsy mandeha an-tongotra hatreny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka izay tsy maintsy hiadiany mba hahazoany toerana. Ny tena ratsy, ny làlana tokony ho vita ao anatin'ny telopolo minitra dia mivadika mora foana ho anatin'ny adiny iray. Mandritra izany fotoana izany, miady amin'ny hamandoana manempotra i Mama Bomboy, ampian'ny fifamoivoizana mampiaiky volana ao Lagos.

Mampalahelo, toa an'i Mama Bomboy, mpandeha hafa marobe koa no tsy maintsy miatrika ny vokatry ny fitohanana fifamoivoizana manempotra eny amin'ny araben'i Lagos, ilay renivohitra ara-toekarena ao Nizeria. Tsy hoe fotsiny ny manohintohina ny fiadanana sy ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ho an'ny ankamaroan'ireo mponina ao Lagos ilay trangan-javatra, fa ny fahafahan'izy ho lasa hery mpamokatra eo amin'ny fiainany manokana sy ny asany ihany koa.

Ho an'ireo maro monina ao Lagos, ny fiaretana ny fitohanan'ny fifamoivoizana dia anisany iray amin'ireo fombafomba “fifanosehana ao Lagos”, natao ho tena ara-dalàna ka ekeny ho sahala amin'ny fomba fiaina. Mba hanaingoana izany, ireo fitenenana tahaka ny hoe “Lagos ity, ahirato ny masonareo” [mba mailo] soratana am-pahasahiana indraindray eny amin'ireo takelaby sy rindrina manerana ny tanàna dia tsy isalasalàna fa maneho ny antony itenenan'ny daholobe hoe “tsy misy olona ara-dalàna amin'ity Lagos ity”. Rehefa mandehandeha manerana an'i Lagos ianao, sahala amin'ny hoe mora tezitra na sosotra ny olona rehetra, ary vetivety eo dia hahatsiaro hanao fihetsik'adala koa ianao. Tahaka izay nosoratan‘i Feyisayo Adeyemi, nizeriana mpanoratra hoe “mba ho tafavoaka velona eto amin'ity tanàna ity dia “tsy maintsy adala ny olona”. Tsy mahagaga raha toa ka filazana amin'ny teny pidgin nizeriana no mamintina ny fanahin'ny tanàna, sahala amin'ny hoe “tokony mampiseho hadalana kely ianao”, na hoe “you gatz change am for dem” (samy midika hoe “mila mampiseho hadalana kely ianao”).

Anisan'ireo “adala” marobe mahaliana eny an-dalambe ao Lagos ireo mpamily fiara Danfo mahazatra, fantatra amin'ireo fiarabeny fitateram-bahoaka misy tsipika mavo sy mainty ahitana ireo seza hazo tsy ahazoana aina. Amin'ny ankapobeny, ny fiara fitanteram-bahoaka Danfo, diso miavaka loatra amin'ny fisian'ireo mpandeha mifatratra sahala amin'ny sardina. Ireo mpamily ny fiarabe miaraka amin'ny fombany somary tsaraina an-tendrony ho “toy ny agbero” sy ireo mpandeha tezitra/miaraka amin'ny vava mitsokotsoko no mameno ny zavatra iainana ara-kolontsaina amin'ny Danfo. Maro tsy hita isa ny ady mipoaka eo amin'ireo mpamily fiara madinika sy ireo mpitondra fiara, na eo amin'ireo mpamily sy ireo mpandeha mandritra ny iray andro monja, matetika vokatry ny tsy fananana faharetana sy fifandirana noho ny ady toerana eny amin'ny arabe tsentsina ao Lagos.

Fahalotoan'ny rivotra, harerahan-tsaina ary fifamoivoizana tsy mahasalama

Fifamoivoizana ao Gbagada, Lagos, Nizeria. Sary an'ny Wikimedia avy amin'i S. aderogba, 10 Septambra 2017. (CC BY-SA 4.0)

Ny fanadihadiana iray nataon'i Awosusi Ajoke, manam-pahaizana manokana amin'ny fampianarana ara-pahasalamana ao amin'ny Anjerimanontolo nizeriàna ao Ado-Ekiti, any atsimo-andrefan'ny firenena, dia nahitàna fa ny fitohanana fifamoivoizana – iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra – dia mandray anjara lehibe amin'ireo aretim-po sy ny taovam-pisefoana, indrindra indrindra ho an'ireo olona manana olana amin'ny sohika sy amin'ny fiasan'ny havokavoka. Amin'ireo fiara eo ho eo amin'ny 200 isa eo isaky ny kilometatra eny an-dalamben'i Lagos, ireo mpitondra fiara, ireo mpandeha an-tongotra ary ireo mpitondra fiara mpitatitra hafa, dia iharan'ny fiantraikan'ny entona avokan'ny solika fôsily ny fahasalaman'izy ireo.

Mitovy amin'izay ihany, mitondra harerahan-tsaina ho an'ireo mponina mro ao Lagos ny fitohanan'ny fiara. Nanambara tao anaty gazety Nizeriana Punch i Dr Jibril Abdulmalik, mpitsabo aretin-tsaina fa “miteraka fahakizintinana sy rarin-tsaina koa ny fitohanana fifamoivoizana ; tena mandrera-tsaina satria tsy maintsy mitandrina be ianao mba tsy hisy olona handona ny fiaranao. Ny fijerena ankavia, ankavanana sy eo afovoany rehefa mamily mandritra ny ora maro isan'andro dia mampitombo ny rarin-tsaina, izay mahatonga ny vatantsika hamoaka hormonin'ny rarin-tsaina.” Manjary olana ara-tsosialy manan-danja ao an-tanàna ny faharomontana eny an'arabe vokatry ny fifamoivoizana. Mitondra mankany amin'ny herisetra amin'ireo mpampiasa lalana izany ary, amin'ny tranga faran'izay mafy, mitarika amin'ny fahafatesana.

Ny rarin-tsaina eo amin'ny fiainana andavanandro ho an'ireo mponina ao Lagos dia niteraka sedra mafy ho an'ny fahasalamana ara-tsain'izy ireo satria midona amin'ireo lafim-piainana isankarazany ilay izy, toy ny fiainam-pianakaviana. Ny ora maro lany eny andalana dia misy fiantraikany amin'ny fampianarana ny mpianatra, izay tsy maintsy miala ny tranony alohan'ny mangiran-dratsy ary mody tara aorian'ny filentehan'ny masoandro mba handresena ny fifamoivoizana. Ny mpanao gazetin'ny BBC, Nduka Orjinmo, nanamafy fa ireo ankizy ao Lagos izay tratran'ity fomba fiaina ity, amin'ny ankapobeny, dia mazava ahitàna fitomboan'ny olana ara-pahasalamana eo amin'ny saina, toy ny tebiteby, ny hatezerana, ny fahaketrahana, fahafohizan'ny fifantohantsaina ary tsy fahampian'ny torimaso. Toy izany koa, miaraka amin'ny fianakaviana mihitsoka anaty fifamoivoizana mandritra ny ora maro ao anatin'ny iray andro, kely sisa na tsy misy mihitsy fotoana ho an'ny fiainam-pianakaviana, miteraka fihetsehampo tsy fisiana eo amin'ny fiainana sy ny sain'ireo ankizy. Mijaly amin'izany ihany koa ny fiainam-panambadiana, miha-mifanalavitra sy tsy mifampikarakara ireo mpivady. Matetika ny mpivady iray dia manomboka mamindra ny fahakizintinany amin'ny vadiny na amin'ireo zanany, noho ny rarin-tsaina.

“Ny Soritraretin'ny Rarin-tsaina mifandraika amin'ny Fifamovoizana” dia fikorontanana hita vao haingana teo amin'ireo mpitondra fiara. David Moxon, psikôlôgy ao amin'ny Peterborough Regional College, any amin'ny Fanjakana Mitambatra, dia mamaritra ny Soritraretin'ny Rarin-tsaina mifandraika amin'ny Fifamovoizana ho sahala amin'ny endrika fitaintainana ara-tsaina izay mipoitra amin'ireo mpitondra fiara sasany rehefa mihitsoka anaty fifamoivoizana. Marary an-doha ireo mpitondra fiara miatrika an'ity trangan-javatra ity, tsemboka ny tanana ary mitombo ny fitempon'ny fo. Amin'ny tranga tena mafy dia mahatsapa ho fanimpanina izy ireo, manaintaina ny vavony ary very fahatonian-tsaina, izay mitarika faharatsian'ny familiana ary, indraindray, miafara amin'ny loza.

Mbola zava-dehibe noho izany, mifamatotra amin'ny tahan'ny fahaketrahan-tsaina mitombo be ao an-tanàna ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao Lagos. Dr Olufemi Oluwatayo, mpahay manokana ny ara-tsaina no manazava bebe kokoa : “miala ao an-tranony izy ireo amin'ny 4 ora maraina, miaritra ny fitohanan'ny fifamoivoizana mahamonamonaina ary avy eo tsy maintsy miatrika ny faneren'ny asa sy ny tsy fandriampahalemana eo amin'ny asa, raha tsy ampian'ny olana ara-pianakaviana manokana sy ny adidiny koa. Tsy mahagaga raha toa, amin'ny ankapobeny, marobe ireo olona toa mijaly noho ny fitaintainana sy fahaketrahan-tsaina.”

“Tsy maintsy miasa ny olona mba hitetika” [ara-bakiteny : tsy maintsy miasa ny olona mba hihinana] dia fomba fiteny malaza amin'ny fiteny pidgin Nizeriana ao Lagos. Saingy, ireo mpitatitra ao Lagos very 75% n'ny ora hiasan'izy ireo isan-kerinandro noho ny fifamoivoizana dia tsy misy antoka fa ho ampy ho entiny “mitetika” ny vokatr'izy ireo. Ireo mpiasa izay mandany ny fiantombohan'ny androny kivy amin'ny fifamoivoizana dia mety hanomboka ny tontolo androny tsy misy fahavitrihana. Olana goavana io, tsy ho an'ny mpiasa ihany fa ho an'ny mpampiasa ihany koa. Miantefa amin'ny orinasa iray amin'ny ambaratonga ambonimbony kokoa ny fitohanan'ny fifamoivoizana, indrindra indrindra fa raha mpampiasa mandinika ny sandan'ny lojistika, ny saran'ny fitaterana sy ny fahamarinam-potoanan'ireo mpiasa. Etsy andaniny, dinihan'ireo tompona fiara ny vidin'ireo fanoloana sy fanamboarana matetika noho ny haratsin'ny làlana manodidina an'i Lagos.

Amin'ny ankapobeny, tsy tambo ho isaina ny vokatry ny fitohanan'ny fifamoivoizana eo amin'ny fiainan'ireo mpitatitra ao Lagos. Tsy ny fahasalamana ara-tsainan'ireo mponina ao an-tanàna irery ihany no tratrany, fa hatrany amin'ireo lafiny samihafa amin'ny fiainan'izy ireo : ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny fampianarana ireo ankizy sy ny fifandraisana ara-tsosialy. Toy izany koa, mitohy mijaly amin'ny ankapobeny ny toekarena manontolon'ny firenena, misy mponina maherin'ny 8 tapitrisa manome ny ampahany amin'ireo hery mpamokatra ao amin'ny firenena, nihena ny fahafahan'izy ireo mamokatra amin'ny fandaniana ny androantokon'andron'izy ireo mivezivezy ao an-tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.