Hira dimy hankalazana ny Andron'ny Vahoaka Indizeny

Pika avy amin'ny rakikiran'i Kaê Guajajara “Minha Força” (Ft. Canário Negro sy Nelson D)

Nanomboka tamin'ny fanapahankevitry ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1994 ny andron'ny 9 Aogositra no natokana ho an'ny Vahoaka Indizeny izay nofaritana ho manana kolotsaina sy foko miavaka ahitana mpikambana avy amin'ny mponina tranainy indrindra fantatra amin'ny toerana ara-jeografika nozanahin'ny vondrona iray manjaka ankehitriny.

Any Amerika, tandindomin-doza ny vahoaka indizeny hatramin'ny nanombohan'ny fanjanahan-tany Eoropeana tamin'ny taonjato faha-15. Ripaka ny mponina noho ny aretina avy any ivelany, ny asa an-terivozona, ny famindra-monina noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, ary ny karazana herisetra hafa. Ankehitriny, mbola tandindonin-doza ny fomba fiainany, ny fiteniny, ny kolontsainy ary ny fivelomany noho ny fanjanahan'ny voanjo sy ny herisetra, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fanavakavahana ara-toekarena sy ara-poko, ary ny fitelemana ara-kolontsaina. Vehivavy indizeny maro no mijaly noho ny herisetra amin'ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy. Ao anatin'ny krizy ara-tontolo iainana maneran-tany dia anisan'ireo mpiaro lehibe ny karazan-javamaniry sy biby ny vahoaka indizeny. Manodidina ny 5 isanjaton'ny mponina eran-tany ny mponina indizeny, saingy miaro ny 80 isan-jaton'ny karazan-javamananaina maneran-tany, singa manan-danja amin'ny fanalefahana ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro.

Fitaovana mahery vaika ho fanehoana ara-javakanto, ny fiiziana, ny fihetseham-po ary ny fiovana eo amin’ny fiarahamonina ny mozika. Ireto misy hira miisa dimy avy amin'ny vehivavy indizeny sy ny olona niova fananahana avy amin'ilay antsoina ankehitriny hoe Amerika — anarana notsoahana avy amin’ny anaranan’ilay mpivarotra sady mpitondra sambo italiana Amerigo Vespucci. Ho an'ireo olona efa tany amin'ny kaontinanta an'aliny taona, matetika ity faritra ara-jeografika ity no antsoina hoe Nosy Sokatra na Abya Yala.

Orgullosa soy Raíz, hirain'i María Reyna

Mpihira Mixe avy any amin'ny faritr'i Oaxaca, Meksika i María Reyna. Niaraka tamin'ny mpitarika orkesitra, mpamoron-kira sady mpitendry piano Joaquín Garzón Rivera, namoaka ny “Orgullosa soy raíz” tamin'ny taona 2019 izy. Natambany tamin'ny mozika Jazz sy Bolero ny feon'ny opera. Mihira amin'ny fiteny indizeny samihafa sy amin'ny teny espaniola izy.

Amin'ny toe-javatra maro ahitana fanilikilihana sy fanavakavaham-bolon-koditra manoloana ny vahoaka indizeny any Meksika, mihira ny fireharehany i Reyna amin'ny maha-vehivavy indizeny azy amin'ny “Orgullosa soy raíz”, izay azo adika tsotra hoe “mirehareha amin'ny razako” na “mirehareha amin'ny maha-fiavian-taranaka ahy.”

Que honor ser Raíz//de culturas ancestrales//ricas y ceremoniales//que desborda este país

Tena voninahitra ny maha-fiavian-taranaka ahy//amin'ny kolontsain'ny razana ahy//izay manankarena sady fombandrazana//izay manafotra ity firenena ity

Nada, hirain'i Lido Pimienta (feat. Li Saumet)

Mahazo laza any Amerika i Lido Pimienta, avy any Barranquilla, Kolombia ary monina ao Toronto, Kanada. Fantatra ho Afro-Kolombiana sady Wayuu, miresaka momba ny feminisma, ny fitiavana ary ny fifaliana ny hirany. Anisan'ireo voatsonga amin'ny rakikira Rock Latin na Alternative tsara indrindra tamin'ny taona 2020 ny rakikirany “Miss Colombia”. “Ao amin'ny mozikany, maheno singa cumbia sy bullerengue isika, izay gadona ao Kolombia, sy singa mozika elektronika, synthpop amin'ny hira sasany ary amin'ny hafa hyperpop na avant-pop,” hoy ny nosoratan'ny gazetiboky ara-kolontsaina Doble Rodada.

Ao amin'ny “Nada” (“Tsy misy”), iarahany amin'i Li Saumet, mpihira ao amin’ny Bomba Estéreo, mihira ny fijalian'ny vehivavy i Lido Pimienta. Nanoratra momba ilay hira i Pimienta: “ Mitondra ny fahoriantsika [ny vehivavy], toy ny fahatsiarovana, toy ny aretina, toy ny totohondry, toy ny ratra. … Maharary raha hoe ny iray amintsika izany. Maharary raha avy amin'ny rano, ny masoandro sy ny tendrombohitra ianao, maharary rehefa tsy ianao no fantatry ny besinimaro, mila tafita velona ianao fa tsy miaina. “

Todo lo que yo sentí, todo lo que yo viví
Por todo lo que presentí, ya no me queda nada
Por todo lo que yo miré y todo lo que ya soñé
Por todo lo que te esperé, ya no me queda nada

Izay rehetra tsapako, izay rehetra niainako
Noho izay rehetra tsapako, izay rehetra hitako, tsy nisy na inona na inona tavela
Ho an'izay rehetra nojereko sy izay rehetra nofinofiko
Noho izay rehetra niandrasako anao, tsy nisy na inona na inona tavela

 

Ton vieux nom, Elisapie Isaac

Mpihira-mpamoron-kira Inuk i Elisapie Isaac, mpanao horonantsary fanadihadiana, ary mpikatroka avy any Québec ankehitriny, Kanada. Te hihira momba ny tanjaka sy ny faharetana ananan'ny vondrom-piarahamonina Inuit any avaratra izy. Hoy izy:

C’est vrai qu’on a vécu des choses extrêmement difficiles, mais les gens pensent toujours que les autochtones sont des victimes, mais allez les voir en 2018. Vous verrez la fierté d’un peuple qui travaille tellement fort. Le territoire, la langue, les enjeux sont encore bien là, mais les tambours reviennent. Les jeunes des premières nations réapprennent à les utiliser de façon cérémoniale. Ça va être fort comme guérison. On a de plus en plus l’impression qu’on nous entend et je sentais qu’il fallait que je parle aux gens de chez moi dans une langue qu’ils connaissent. Il fallait que je fasse encore de la musique.

Marina fa efa nandalo zava-tsarotra isika, nefa mbola mihevitra ny olona fa ireo vahoaka teratany no niharam-boina, fa mandehana mijery azy ireo tamin'ny taona 2018. Ho hitanao ny reharehan'ny olona miasa mafy. Mbola any ny tany, ny fiteny, ny olana, fa saingy ny amponga no miverina. Mianatra mampiasa azy ireo amin'ny fombafomba indray ny tanoran'ny Firenena Voalohany. Ho fanasitranana mahery vaika io. Mahatsapa hatrany hatrany izahay fa misy mihaino ary tsapako fa nilaiko ny firesahana tamin’ny olona tany an-tanindrazako tamin’ny fiteny hain’izy ireo. Naniry hanao mozika indray aho.

Ao amin'ny “Ton view nom” (“Ny anaranao taloha”), miendrika tononkalo sy mampanembona ny tononkirany.

Dis-moi comment tu plantais la neige//Comment nous sommes faits de pierre//Je veux t'écrire une chanson//Pour te rappeler ton nom//Ton vieux nom

Lazao ahy ny fomba nambolenao orampanala//Nahoana no nanaovana antsika tamin'ny vato//Te-hanoratra hira ho anao aho//Mampahatsiahy anao ny anaranao//Ny anaranao fahiny

Minha Força, hirain'i Kaê Guajajara (mampiseho an'i Canário Negro sy Nelson D)

Teratany Guajajara i Kaê, lehibe tao amin'ny vondron-trano Maré favela ao Rio de Janeiro ary lasa iray amin'ireo mpihira indizeny vaovao any Brezila sady mpikatroka. Miseho ho niova fananahana izy ireo ary mihira momba ny zavatra niainan’ny vahoaka indizeny monina any an-tanàndehibe ary mampifangaro singa hip-hop, rap, funk breziliana, ary zavamaneno sy singa nentim-paharazana avy amin'ny tenindrazany Ze'egete.

Ao amin'ny “Minha Força” (“Heriko”), miara-mihira amin'i Canário Negro izy ireo momba ny hery anaty manoloana ny fahasamihafana. Mampiseho firaisankina eo amin'ny vehivavy Mainty Hoditra sy Indizeny ilay lahatsary.

Ah, se eu soubesse//Sempre da força carrego//Fico tipo um cavalo//Sem entender a força

Ah, raha mba fantatro ihany//ny tanjaka entiko//dia toy ny soavaly aho//tsy mahatakatra ny tanjako

Remember me, hirain'i Fawn Wood

Mpihira sy mpamoron-kira vao misondrotra i Fawn Wood, manana fihaviana Cree sy Salish, ary mavitrika ihany koa ao amin’ny TikTok sy mandray anjara amin'ny Pow Wows, fivoriambe ara-kolontsaina sy ara-tsosialy ataon'ny vahoaka Indizeny any Amerika Avaratra.

Tamin'ny volana Mey 2022, izy no nahazo ny JUNO tamin'ny sokajy Mpanakanto Indizeny Nentim-paharazana na Tarika tao anatin’ny Taona tamin'ny rakikirany kakike. Andrasana ny hamoahany rakikira hafa amin’ity taona ity. Raha ny momba ny loka azony, hoy izy:

I think it’s a blessing and it was something that was a long time coming. At one time it was illegal to sing our music. But this is the music that has been on this land forever.

Heveriko fa fitahiana izany ary efa hatry ny ela no niandrasana azy. Nisy fotoana tsy ara-dalàna ny mihira ny mozikanay. Anefa io izao no mozika efa teto amin'ity tany ity efa hatrizay.

Iray amin'ireo hirany malaza indrindra ny “Remember Me” ary nivezivezy tao amin'ny TikTok Indizeny mba hahatsiarovana ireo vehivavy niharan'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy. Taratasim-pitiavana ho an’ireo efa nodimandry ny hira.

Remember me (remember me)//When the sun comes up in the morning sky//There I will be (there I will be)//Soaring with the eagle so high//Feelin’ free

Remember me (tsarovy aho)//Rehefa miposaka ny masoandro eny amin'ny lanitra maraina//Ho any aho (ho any aho)//Manidina miaraka amin'ny voromahery amin'ny avo be //Mahatsapa fahalalahana

Betsaka ireo hiran'ny vehivavy indizeny tsara ho fantatra — tsy mitsahatra manavao ny lisitry ny hira ao amin'ny Spotify miaraka amin'ireo mpihira vehivavy indizeny manerana izao tontolo izao ilay mpihira Mayan Goatemalteka Sara Curruchich.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.