Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2022
Any Zeorzia, enim-bolana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao gazety, nilaza ny fisian'ny fatran-java-mahadomelina diso tafahoatra taminy ny manampahefana
Tamin'io andro io ihany, nilaza ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra i Lashkarava ary nampidirin’ny UNESCO tao anaty lisitry ny mpanao gazety nisy namono ny taona 2021 ny anaran'i Laskharava-
Mitady Mpanoratra Tetikasa ho an'ny tetikasam-pikarohana andraisan'ny maro anjara ny Global Voices
Ny Rising Voices dia mitady mpanoratra hizaka tetikasam-pikarohana momba ny filàna ara-piarovana sy lavi-doza ankihy (nomerika) ny vondrom-piarahamonin'ny fiteny manerantany.
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Nomelohin'ny Fitsarana ao Krimea bodoin'i Rosia higadra enin-taona an-tranomaizina ilay mpanao gazety mahaleotena
Notazonina tao Crimea i Vladyslav Yesypenko tamin'ny volana Marsa 2021 noho ny fiahiahiana azy ho nanangona vaovao ho an'ny fitsikilovana Okrainiana, fiampangana nolavin'ilay mpanao gazety. Voalaza fa niaritra fampijaliana izy raha tany am-ponja.
Voasakana amin'ny ampahany tao anatin'ny tahotry ny firongatry ny fanivanana aterineto ny tranonkalan'ny ONG Hong Kong Watch
Toa voasakana ampahany ao Hong Kong ny tranonkalan'ny FTMF Hong Kong Watch noho ny tahotra firongatry ny sivana an'aterineto ao an-tanàna.
Taorian'ny fahatapahan-jiro naharitra 12ora, manontany tena ireo Trinidadiana raha famelezana azy ireo ny fahatapahan-jiro
Niavaka ny fahatapahan-jiro, tsy ny famatsian-jiro ihany, fa ny rano sy ny fifandraisan-davitra ihany koa.
Mitady tonian-dahatsoratra hitarika ny fitantarana any Eoropa Atsinanana ny Global Voices
Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra mahafantatra tsara sady liana momba ny lafin-javatra rehetra ao Belarosia, Moldavia, Rosia ary Okraina ve ianao? Mampientanentana anao ve ny mandrafitra hevitra ho tantara, lahatsoratra amin'ny tambajotra...
Fandraràna tsy hivezivezy, Japàna sy izaho
Noho ireo fandraràna henjana, ary amin'ny lafiny sasany, tena tsy takatry ny saina, ataon'i Japàna noho ny fisian'ny COVID-19 amin'ny fivezivezen'ireo vahiny, sarotra ny hilaza hoe rahoviana aho no ho afaka hiverina.
Artista Malayziana miatrika fiantsoan'ny polisy sy fiampangana roa amin'ny famoahana afisy maneso
Tsy maintsy mianatra mandray ny fanakianana ampahibemaso sy ny tsy fitovian-kevitra ireo mpitarika ao amin'ny Governemanta ary mitsahatra tsy manenjika ireo mpitsikera toa an'i #FahmiReza noho ny fihomehezana ireo (mpitondra fanjakana)
Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila
"Tsy nifampidinihan-dry zareo ny olona manao vivery ny ainy amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'ny Telenor ny ainy."