Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila

Fonosana karatra SIM Telenor Myanmar. Sary avy amin'i Maung Sun, Wikipedia. (CC BY-SA 4.0)

Nandefa taratasy misokatra ary nanomboka fanangonan-tsonia an-jotra ho an'ny governemanta Norveziana hanoherana ny fivarotana ny Telenor Myanmar amin'ny orinasa manana fifandraisana amin'ny Tatmadaw (tafika mitam-piadiana) ao amin'ny firenena ireo mpikatroka sy vondrona fiarahamonim-pirenena ao Myanmar .

Orinasam-pifandraisana iraisampirenena miorina any Norvezy ny Telenor. Nanomboka niasa tany Myanmar izy io tamin'ny taona 2014 amin'ny alàlan'ny sampany Telenor Myanmar.

Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Febroary 2021, niatrika fanerena avy amin'ny governemanta miaramila nanome baiko maromaro mifandraika amin'ny fanaraha-maso sy ny fanakanana votoaty i Telenor Myanmar. Tamin'ny volana Jolay lasa teo, nanambara ny fikasany handao an'i Myanmar i Telenor.

Further deterioration of the situation and recent developments in Myanmar form the basis for the decision to divest the company. In the present situation it has not been possible for Telenor to conduct an ordinary sales process.

Ny fiharatsian'ny toe-draharaha sy ny fivoarana vao haingana ao Myanmar no fototry ny fanapahan-kevitra hialan'ny orinasa. Amin'izao toe-javatra izao dia tsy vitan'i Telenor ny nanao dingana fivarotana mahazatra.

Tamin'ny herintaona, nametraka fameperana tamin'ny haino vaky jery ny governemanta miaramilan'i Myanmar ary nanaovan'ny  fitondrana jadona famoretana feno habibiana mikendry ireo mpikatroka, mpitarika ny mpanohitra ary vondrona manohitra.

Araka ny tati-baovao, hamidy amin'ny vondrona M1 miorina any Libanona sy ny Shwe Bayin Phyu, vondron'orinasa mifandray akaiky amin'ny fihariana miaramila ny Telenor. Ny 15 febroary no nokinasa ho vita ny varotra ary heverina ho antsoina hoe Investcom Myanmar ny fiaraha-miasa.

Nampitandrina ireo mpikatroka sy vondrona fiarahamonim-pirenena fa ahafahan'ny fitondrana miaramila miditra amin'ny angon-drakitry ny mpanjifa Telenor maherin'ny 18 tapitrisa ny fivarotana azy. Ho eo am-pelatanan'ny miaramila ny torohay saro-padin'ny mpisera ka ao anatin'izany ny fisoratana anarana amin'ny karatra SIM, ny antso an-tariby ary ny diarin'ny aterineto, sy ny angon-drakitra fangitry ny toerana.

Natomboka tamin'ny 10 Febroary ny fanangonan-tsonia an-jotra manohitra ny fivarotana Telenor ary efa nahazo sonia maherin'ny 170.000 hatramin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity (13 febroary). Tanisain'ny fanangonan-tsonia ny loza aterak'ity fifampiraharahana ity ho an'ireo manohitra ny fitondra-miaramila:

There are high risks of unpredictable violence, including murder.

All Telenor users and their affiliates, including their family members, are at risk and could be arrested, or murdered based on the user data shared by Telenor to the new owner and the military, by proxy.

Betsaka ny loza mety hitranga amin'ny herisetra tsy ampoizina, anisan'izany ny famonoana olona.

Tandindomin-doza ireo mpisera Telenor rehetra sy ireo mpiara-miasa aminy, anisan'izany ny fianakaviany, ary mety hosamborina, na hovonoina araka ny lahatahirin'ny mpisera zarain'i Telenor amin'ny tompony vaovao sy ny miaramila, amin'ny alàlan'ny proxy.

Manolotra ireto safidy hafa ireto hodinihan'ny Telenor ny fanangonan-tsonia:

● Immediately stop the sale to military-linked Investcom.

● Consider all alternatives to the sale to Investcom, including re-licensing, permanently deleting all user data, and shutting down telecommunications infrastructure.

● Not transfer nor sell user data to anyone under any circumstances and for any reason.

● Atsaharo avy hatrany ny famarotana amin'ny Investcom mifandray amin'ny miaramila.

● Diniho ny safidy hafa rehetra amin'ny famarotana amin'ny Investcom, ao anatin'izany ny fanomezan-dàlana indray, ny famafana tanteraka ny lahatahirin'ny mpisera rehetra, ary ny fanakatonana ny fotodrafitrasa fifandraisan-davitra.

● Tsy mamindra na mivarotra ny lahatahirin'ny mpisera na amin'iza na amin'iza na amin'ny toe-javatra inona na amin'ny antony inona.

Nofariparitana ho anisan'ny “fanonganam-panjakana ankihy (nomerika=dizitaly)” izay nametraka ny mpanome tolotra fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena ho eo ambany fifehezan'ny junta ny famarotana an'i Telenor amin'ny akaiky ireo miaramila:

These targeted efforts will enable the military to bring all network services under its stranglehold and escalate abuses of privacy and security rights, through surveillance and related efforts. Yet, disturbingly, not a single telecommunications sector actor has implemented urgent data protection and privacy safeguards needed to protect their customers.

Ahafahan'ny miaramila mametraka ny tolotra tambajotra rehetra ho eo ambany vahohony ka hampitombo ny fanitsakitsahana ny zo manokana sy ny fiarovana, amin'ny alàlan'ny ezaka fanaraha-maso sy ny ezaka mifandraika amin'izany izao ezaka manokana ataony izao. Na izany aza, ny mampiahiahy dia tsy nisy na dia iray aza ny mpisehatra amin'ny fifandraisan-davitra nampihatra maika ny fiarovana angon-drakitra sy ny fiarovana ny fiainana antakonana ilaina hiarovana ny mpanjifany.

Vao tamin'ny volana jolay lasa teo, vondrona fiarahamonim-pirenena miisa 464 no naneho ny ahiahiny momba ny fanapahan-kevitry ny Telenor hiala tsy hiasa ao Myanmar nefa tsy nanome vaovao mazava momba ny fomba hiarovana ny angon-drakitry ny mpanjifany.

Telenor has not consulted with civil society over the sale. They have not consulted with customers. They have not consulted with the people risking their lives to resist the military junta, whose lives are in Telenor's hands. We have not been presented with any human rights or corruption due diligence regarding the disposal of their Myanmar business.

Tsy naka hevitra tamin'ny fiarahamonim-pirenena momba ny fivarotana ny Telenor. Tsy nifampidinika tamin’ny mpanjifa. Tsy nifampidinika tamin'ireo olona nanao vivery ny ainy hanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'i Telenor ny ainy. Tsy mbola naharay izay paika tokony hotanterahana momba ny zon'olombelona na ny kolikoly rehefa hiala amin'ny fihariany eto Myanmar izahay.

Tamin'ny Janoary, vondrona 168 no nandefa taratasy tany amin'ny governemantan'i Norvezy, izay manana ny ampahany betsaka mifehy ny Telenor, momba ny voka-dratsin'ny fivarotana ny sampana fifandraisandavitra ao Myanmar amin'ny orinasa iray fantatra amin'ny fanaovana raharaham-barotra mifanaraka amin'ny fitondrana mpanao famoretana..

It is our opinion that the sale of Telenor Myanmar to the M1 Group has significant geopolitical consequences. Therefore, we strongly believe that it ought to be brought directly to the Norwegian Government to be decided on, and not left to the Telenor Group ASA alone. It worries us deeply that Telenor so far has ignored the real government of Myanmar, but rather awaits acceptance of the sale from a violent and illegitimate extremist regime.

Heverinay fa ny fivarotana ny Telenor Myanmar amin'ny Vondrona M1 dia misy fiantraikany ara-jeopolitika lehibe. Noho izany, mino mihitsy izahay fa tokony any amin'ny Governemanta Norveziana mivantana ny fanapahan-kevitra, fa tsy avela ho an'ny Telenor Group ASA irery. Miahiahy fatratra izahay fa tsy noraharahian'i Telenor hatreto ny tena governemantan'i Myanmar, fa andrasany ny fanekena ny fivarotana avy amin'ny fitondrana mahery setra sy tsy ara-dalàna.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny tranokalam-baovao Myanmar Now, nilaza i Hanne Sophie Greve, mpitsara Norveziana, fa heveriny ho azo tanana ho tompon'andraikitra ny manampahefana Norveziana raha mamela an'i Telenor hamidy amin'ny olona akaiky ny fitondra-miaramila:

I do believe that anyone who assists the military in Myanmar in getting access to data related to perhaps 18 million customers of Telenor may actually be aiding and abetting crimes against humanity.

I think that it would be advisable for Telenor to ask the chief public prosecutor in Norway to give an opinion about the possible consequences of the sale. Telenor should await that opinion. I cannot imagine that the answer will be that releasing 18 million customers’ information cannot be aiding and abetting, if the military’s behaviour in Myanmar already, or tomorrow, amounts to crimes against humanity.

Mino aho fa na iza na iza manome tolo-tanana ny miaramila ao Myanmar amin'ny fidirana amin'ny angon-drakitra mifandraika amin'ny mpanjifa Telenor miisa 18 tapitrisa dia tena manampy sy mandrisika hanaovana heloka bevava atao amin'ny maha-olombelona.

Heveriko fa tsara ho an'i Telenor ny mangataka ny lehiben'ny fampanoavana ao Norvezy mba hanome hevitra momba ny mety ho vokatry ny fivarotana. Tokony hiandry izany hevitra izany i Telenor. Tsy azoko sainina fa ny valiny dia ny hoe ny famoahana ny torohain'ny mpanjifa miisa 18 tapitrisa dia tsy afaka manampy sy mandrisika, raha toa ka mitovitovy (dika) amin'ny heloka bevava amin'ny maha-olombelona ny fihetsika efa ataon'ny miaramila ao Myanmar, (anio) na rahampitso.

Nisioka ny Telenor Myanmar tamin'ny 11 Febroary ny fahavononany hanohy ny asany “toy ny mahazatra”:

Mbola manolo-tena hatrany izahay amin'ny fametrahana hatrany ny mpanjifa ho afa-miserasera sady miaro ny mpiasa sy ny mpiara-miombon'antoka. Mitohy toy ny mahazatra ny asanay. Manenina izahay amin'ny fanjavozavoana ary manantena hisian'ny mangarahara tsy ho ela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.