Mitady tonian-dahatsoratra hitarika ny fitantarana any Eoropa Atsinanana ny Global Voices

Sary amin'ny rindrina ao Chișinău, Moldova. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra mahafantatra tsara sady liana momba ny lafin-javatra rehetra ao Belarosia, Moldavia, Rosia ary Okraina ve ianao? Mampientanentana anao ve ny mandrafitra hevitra ho tantara, lahatsoratra amin'ny tambajotra sosialy, ary mamoaka lahatsoratra hafa miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina isankarazany? Raha “eny” ny valinteninao amin'ireo fanontaniana etsy ambony ireo, dia mety hahaliana anao ny toeran'ny Toniam-paritra ho an'i Eoropa Atsinanana.

Hiandraikitra ny fanitsina ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices sy ny fanoratana tantara momba ny faritra ny Toniam-paritra. Ifantohan'ny tantaran'ny Global Voices ny lohahevitra toy ny kolontsaina an'aterineto, ny fahalalahana miteny an-jotra, ny zo ara-teknolojia sy ankihy (nomerika), ny zon'olombelona, ny fahasamihafàna sy ny fisoloantena, ary ny fimaroam-piteny.

Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina isankarazany misy mpandray anjara manoratra tantara, mizara hevitra ho an'ny tantara, ary mametraka ny paikam-pamoahan-dahatsoratra ho an'ny faritra koa ny Toniam-paritra amin'ny fanolorana hevitra, fizarana fahalalana ary fanomezana fitarihana.

Ireto avy ny asan'ny Tonian-dahatsoratra:

  • Mitarika sy mampivelatra ny ekipa tompon'andraikitra amin'ny tatitra any amin’ireto firenena manaraka ireto: Belarosia, Moldavia, Rosia ary Okraina. 
  • Manoratra, manamarina ny zava-misy ary manitsy ireo tantara manasongadina ireo olana mahasarika sy manan-danja indrindra avy amin'ny loharanom-baovao an-jotra ao amin'ny faritra
  • Maharaka hatrany ny fivoaran'ny tantara, ny vaovao mahoraka ary ny fironana manerana ny tambajotra sosialy sy ny mediam-bahoaka ao amin'ny faritra
  • Mamolavola fehezandrakitra ahitana loharanom-baovao an-jotra azo antoka sy voamarina manerana ny faritra
  • Manamora ny fivoriana famoahan-dahatsoratra virtoaly hanangonana sy hampivelarana hevitra ary hitarihana momba ny zava-mitranga ao amin'ny faritra
  • Manatrika fivoriana sy mandray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny efitrano famoaham-baovao Global Voices sy ny sampana hafa
  • Miara-miasa akaiky amin'ireo gazety miara-miasa hisafidianana sy handrafetana ireo tantara mety amin'ny mpamaky manerantany, ary hampiroborobo sy hamoaka indray ny tantaran'ny Global Voices amin'ny tranonkala mpiara-miasa.
  • Mahafoy fotoana hatrany ho an’ny efitrano famoaham-baovao Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina lehibe kokoa handray anjara amin'ny tetikasa miampita faritra
  • Miasa mifanaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny toromarika momba ny famoahan-dahatsoratra, ny iraka ary ny kolontsaina

Ireo kandidà mahomby amin'ny toerana dia:

  • Haingam-pitenenana, fanoratana ary fifandraisana amin’ny teny Anglisy.
  • Haingam-pitenenana, fanoratana ary fifandraisana amin’ny teny Rosiana
  • Manana fahaiza-mikaroka loharanom-baovao sy manoratra vaovao
  • Mahavita manoratra amim-paharanitan-tsaina sy fahalalàna ny olana rehetra misy ao an-toerana ary mizara izany amin'ny mpamaky rehetra tsy ankanavaka.
  • Manana fahatakarana tsara momba ireo olana mifandraika amin'ny firenena any Eoropa Atsinanana, sy ny fanapahan-kevitra tsara avy amin'ny famoahan-dahatsoratra amin'ny lohahevitra isam-paritra
  • Manana fahatakarana lalina momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fampitam-baovao mahazatra, ny gazety eo an-toerana ary ny fahavitrihan’ny tambajotra sosialy ao amin'ny faritra, ao anatin'izany ny fahalalana ny tambajotra sosialy azo itokisana sy ny feon'ny olom-pirenena ao amin'ny faritra.
  • Mahafantatra ny zo ankihy (nomerika), ny fahalalahana miteny, ary ny olana sy ny fahavitrihana mifandraika amin’ny fikatrohana ao amin'ny faritra
  • Mahay miara-miasa amin'ny hafa ao anatin'ny tontolon'ny asa virtoaly manontolo
  • Mahafehy tsara ny solosaina.
  • Manana fidirana azo antoka amin'ny fifandraisana aterineto haingam-pandeha.
  • Afaka manokana 10-15 ora isan-kerinandro amin'ny asa Global Voices
  • Mahavita mampiseho fanolorantena matanjaka amin'ny asa sy ny soatoavin'ny Global Voices.

Atolotra an’ireo kandidà manana fahalalana ny tenim-paritra hafa ny toerana, ao anatin'izany ny Belarosiana, Romaniana ary Okrainiana.

Fikambanana virtoaly manerantany ny Global Voices. Ny motera ao amin'ny efitrano famoaham-baovao Global Voices dia ekipan'ny tonian-dahatsoratra miasa tapak’andro izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara an-tsitrapo sy mpandika teny manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy fahita firy amin'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena mahazatra.

Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana amin'ity toerana ity; tsy manana toeram-piasana hitamaso ipetrahany ny Global Voices. Mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanany manokana ny kandidà ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo.

Raisinay an-tanan-droa ny fangatahan'ireo kandidà mandray anjara ato amin'ny tetikasa Global Voices.

Hiasana tapak’andro ny toerana ary horaisina ho toy ny fifanarahana mahaleotena.

Raha hiditra ho kandidà dia:

Alefaso amin'ny teny anglisy ny CV sy ny taratasy milazalaza ny mombamomba anao izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho sahaza ho an'ity toerana ity amin'ny jobs@globalvoices.org, miaraka amin'ny lohahevitra hoe: Regional Editor for Eastern Europe: ny anaranao. Azafady, ataovy rakitra .doc na .pdf ny taratasy milazalaza ny mombamomba ankoatra ny fampidirana azy ao amin'ny vatan'ny mailakao.

Ny fe-potoana fangatahana farany: 1 marsa 2022 amin'ny 11:59pm ATSINANANA (GMT -4).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.