Navoakan'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 15 Febroary 2022 ity tatitra manaraka ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices izy tamin'ny alàlan'ny fifanarahana fiarahamiasa momba ny votoaty.
Toa voasakana ampahany ao Hong Kong ny tranonkalan'ny FTMF Hong Kong Watch noho ny tahotra firongatry ny sivana an'aterineto ao an-tanàna.
Nilatsaka ny fanakanana mibaribary ny tranokalan'ny ONG miorina any UK rehefa lasa tsy azo nidirana ireo tranonkala vitsivitsy manohana ny demaokrasia sy mifandray amin'i Taiwan. Na izany aza, mbola azo nidirana tamin'ny alàlan'ny VPN (Virtual Private Network) fitaovana fanodinana fitetezana ny tranokalan'ny Hong Kong Watch rehefa nandraman'ny HKFP tamin'ny Talata, ary mbola azo idirana any amin'ny mpamatsy tolotra aterineto sasany.
Nilaza i Benedict Rogers, Tale Jeneralin'ny Hong Kong Watch, tao anatin'ny fanambaràna iray fa ny ho avin'ny tanàna amin'ny maha ivon-toerana ara-bola azy dia miankina amin'ny fidirana hahazoam-baovao. “Raha tsy olana ara-teknika fotsiny izany, ary tsy ho afaka miditra amin'ny tranokalanay intsony ny mponin'i Hong Kong noho ny Lalànan'ny Fiarovam-pirenena, dia loza mitatao ho an'ny fahalalahan'ny aterineto izany,” hoy izy.
“Manoloana ny fitomboan'ny fanesorana tranonkala, misy ny tahotra sao hanomboka hampiditra ny Mandabe Aroafon'Aterineto ao an-tanàna i Shina. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny fijoroan'ny orinasa teknolojia tandrefana ao an-tanàna izany. “