Any Zeorzia, enim-bolana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao gazety, nilaza ny fisian'ny fatran-java-mahadomelina diso tafahoatra taminy ny manampahefana

 

Aleksandre Lashkarava, pikantsary avy amin'ny tatitry ny DW momba ny fahafatesan'ilay mpanao gazety.

Navoakan’ny manampahefana Zeorziana ihany ny farany ny tatitra momba ny autopsie (fandidiam-paty) natao an'i Aleksandre Lashkarava, 37 taona, fantatra amin'ny anarana hoe Lekso ho an'ireo mpiara-miasa aminy, mpanao gazety sady mpaka sary ao amin'ny TV Pirveli, izay hita faty tao amin'ny trano fonenany tamin’ny 11 jolay tao Tbilisi. Anisan'ireo mpanao gazety miisa 50 izay naratra nandritra fitantarana ny Diabem-Pireharehana Tbilisi tamin'ny 5 Jolay i  Lashkarava.

Nilaza ny tatitra fa noho ny fatran-drongony tafahoatra no nahatonga ny fahafatesany, fanatsoahan-kevitra nampametram-panontaniana ireo mpiara-miasa amin'i Laskharava, ny mpitsikera ny governemanta ary ny fikambanana mpanara-maso. “Ny ampitson'ny nahitana an'i Lashkarava, talohan'ny tsy mbola namantarana tanteraka ny anton'ny fahafatesana, dia nilaza ampahibemaso ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra izy, avy amin'ny antsoin'izy ireo hoe ‘valin’ny fitiliana ara-medikaly vonjimaika’ tamin'ny fitsirihana ra,” hoy i Giorgi Gogia, Tale Mpiara-miasa ho an'ny Faritra Eoropa sy Azia Afovoany ao amin'ny Human Rights Watch, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Global Voices.

Taorian'ny nahafatesany, nesorin'ny manampahefana tsy araka ny sitrapon'ny fianakaviany tao an-tranony ny fatin'ilay mpanao gazety ary nosakanana izy ireo sy ny mpisolovava azy tsy hahita ilay razana nandritra ny ora maromaro. Namoaka fehin-kevitra vonjimaika haingana ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra i Laskharava, izay “[nampametraka] fanontaniana nampiahiahy momba ny antony manosika ny manampahefana, sy ny mety ho fikasan’izy ireo hanodikodinana ny saim-bahoaka, raha heverina fa tsy manaiky ny -Valin’ny fitiliana ara-medikaly vonjimaika- ny Lalàna Zeorziana”, hoy ny fanazavan'i Gogia.

Tamin’ny volana Desambra tamin'ny herintaona, nanamafy ny mpisolovavan'ny fianakavian'i Lashkarava, Beka Takalandze fa mbola miandry ny valin'ny autopsie ny fianakaviana. Tamin'io volana io ihany, nanakiana ny tsy fandrosoan'ny fanadihadiana ho “toe-javatra mampiahiahy” sy mariky ny “tsy fisian’ny finiavana politika” i Jeanne Cavelier, lehiben'ny biraon’ny Reporters Sans Frontières any Eoropa Atsinanana sy Azia Afovoany.

Naharitra iray volana ny namoahan’ny manampahefana teo an-toerana ny valin’ny autopsie. Tamin'ny 7 Janoary, nanatsoaka hevitra ny manampahefana ao Zeorzia fa maty noho ny “aretim-po sy ny fahasemporana mahery vaika vokatry ny poizina avy amin’ny zava-mahadomelina” ilay mpanao gazety, hoy ny OC Media.

“Milaza ihany koa ny pejy 4 amin'ny 37 tamin'ny tatitra navoakan’ny gazety fa misy fanafody maro hafa hita tao amin'ny vatan'i Lashkarava,” hoy ny OC Media. Tamin'io andro io ihany, izay namoahan’ny manampahefana teo an-toerana valin'ny autopsie dia nampidirin’ny UNESCO tao anatin’ny Ivontoerana Mpanara-maso ny mpanao gazety maty ny taona 2021 ny anaran'i Laskharava- fihetsika nahazo fanakianana mafy avy amin’ny governemanta eo an-toerana. Nilaza ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Zeorziana fa handefa ny tatitry ny autopsie farany any amin'ny UNESCO izy ireo mba hanomezana vaovao farany any amin’ny ivontoerana mpanara-maso.

Tsy gaga ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena Zeorziana raha namarana ny fahafatesan'i Laskharava tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina tafahoatra ny tatitry ny autopsie. Rehefa hita fa maty i Laskharava, dia mailaka ny fanjakana nitantara fa niankindoha tamin’ny zava-mahadomelina izy ka nogiazan’ny polisy ny fatin'i Laskharava, na dia teo aza ny fandavan'ny fianakaviany ny fitsirihana autopsie nataon'ny fanjakana sy ny fizahana. “Nentin'ny mpitandro ny filaminana ara-bakiteny niala tao an-tranony ny fatiny talohan'ny nahatongavan'ny fianakaviany. Naharitra dimy volana mahery ny famoahan'ny manampahefana ny sombiny tamin'ny valim-pitiliana ara-medikaly farany,” hoy i Gogia tamin'ny Global Voices.

Andro iray taorian'ny nangalana ny vata-mangatsiaka an'ilay mpanao gazety tao an-tranony, nilaza ny talen'ny sampan-draharahan'ny polisy misahana ny heloka be vava ao amin'ny ministeran'ny atitany, Mamuka Chelidze, fa nilaza ny tatitra fitsirihana ara-medikaly fa nahitana soritra zava-mahadomelina maromaro tao amin'ny vatan’i Lashkarava, anisan'izany ny morphine, codeine, gabapentin; ary koa ny tetrahydrocannabinol (THC), ilay singa mahery amin'ny cannabis; ary monoacetylmorphine, iray amin'ireo singa mahery ao amin'ny rongony. Tao amin’io fanambarana io ihany,  nilaza ny minisiteran’ny Atitany fa manana porofo nahitana an'i Lashkarava nividy zava-mahadomelina tamin'ny 10 Jolay ny manampahefana, tamin'ny fakan-tsary fanaraha-maso (CCTV) nahitana an'i Laskharava tao amin'ny distrikan'i Ponichala renivohitra, Tbilisi, faritra iray fantatra amin'ny fivarotana rongony, araka ny  tatitra Agenda.ge.

Tamin'ny 11 Jolay, mponina an'arivony tao Tbilisi no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta ho fanoherana mangina hanehoana fanohanana ho an’ilay mpanao gazety sy ny famoretana ny fiarahamonim-pirenena mahaleotena tato anatin'ny volana vitsivitsy. Fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena miisa 19 fara fahakeliny no nanao sonia taratasy mitaky ny praiminisitra Irakli Gharibashvili sy ny minisitry ny atitany Vakhtang Gomelauri. hametra-pialana.

Tsy nisy ny fametraham-pialana. Ny hany zava-nitranga dia ny fandoavana lamandy ho an’ny minisiteran’ny Atitany. Taorian'ny fandefasana ny fakan-tsary fanaraha-maso CCTV, ny Biraon'ny Inspekteram-panjakana, masoivohom-panjakana natsangana tamin'ny taona 2019 niandraikitra ny famotorana heloka be vava ataon'ny tompon'andraiki-panjakana, dia nampandoa lamandy ny Minisitera GEL 2,000 (eo ho eo amin'ny 640 dolara amerikana) noho ny fanitsakitsahana ny angon-drakitra momba ny fiainana manokana. Atahorana hikatona ankehitriny ny biraon’ny Inspekteram-panjakana.

Nisy lalàna mihemotra indray nolaniana tao Kaokazy androany, iray andro mialoha ny taom-baovao. Nanavao ny Biraon'ny Inspekteram-panjakana miandraikitra ny fanadihadiana ireo fanararaotana ataon’ny manam-pahefana i #Zeorzia🇬🇪. Mety ho famantarana valifaty ny tsy fisian’ny mangarahara, ny tsy fakan-kevitra ary ny volavolan-dalàna nolaniana maika. Mampatahotra! https://t.co/IOVmWNQXw8

Nilaza ny tatitry ny autopsie navoaka tamin'ny 7 Janoary, fa nampahafantarina momba ny valin'ny autopsie farany ny fianakavian'ilay mpanao gazety maty, fanambarana izay nolavin'ny mpisolovavan'ny fianakaviana Takalandze. Araka ny OC Media, “nilaza tamin'ny OC Media i Takalandze fa tamin’ny alàlan’ny fampitam-baovao izy sy ny fianakaviana no nahafantatra ny valiny ary tsy nisy olona avy amin'ny ministeran'ny atitany na ny Birao Nasionaly Ara-tsiantifika nifandray taminy na ny fianakaviany.”

Tao amin'ny sioka, niantso ny hamoahana tatitra feno ara-tsiantifika sy ny fanadihadiana mangarahara ny Reporters Sans Frontières.

#Zeorzia: notsikerain'ny mpitondratenin'ny parlemanta ny @UNESCO noho ny fampidirana ilay mpaka sary Aleksandr Lashkarava tao amin'ny lisitry ny mpanao gazety maty novonoina tamin'ny taona 2021. Na dia mbola niaro aza ny manampahefana fa noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra aza no nahafaty azy, dia mitaky ny hamoahana feno ny tatitra ara-tsiantifika sy ny fanadihadiana mangarahara ny RSF. pic.twitter.com/uwlj0KG5Qo

Nandritra ny herintaona, nisedra fihemorana goavana ny tontolon'ny fampitam-baovao ao Zeorzia araka ny tatitry Human Rights Watch farany indrindra momba ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.