Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Mey, 2013
Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly
Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny
Miampanga Mpanao Gazety ao amin'ny Twitter ny Filohan'i Panama
Matetika loatra ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] no mahatezitra ny mpiserasera Panameana noho ny fisiahana mampiady hevitra sy mampiady tsotra izao, ary tonga hatramin'ny fanompana aza. Ny ohatra akaiky indrindra dia ny sioka nalefa mivantana tamin'ny mpanao gazety Santiago Cumbrera avy ao amin'ny La Prensa, gazety iray efa nifandona tamin'ny...
Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria
Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka "Free Army" tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.
Fisidinana Tamin'ny Voromby Tsy Miankina Nanozongozona Ny Fitondrana ao Costa Rica
Nanozongozona ny fiadidiana ny filoha sy ny firafitry ny mpiara-miasa aminy ny vaovao fa nanome fiaramanidina manokana hisidinan'ny filoha Laura Chinchilla ho any Però ny orinasan-tsolika iray. Tamin'ny voalohany ny anton-dia dia ny hanatrehana ny fanambadian'ny zanaka lahin'ny filoha lefitra Luis Liberman, Saingy nohararaotina izany nanaovana fitsidihana ny filoha Ollanta Humala. Nialoha...
Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli
Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany
Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa
Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...
Filatroana Pakistaney Iray ‘Avia ho Andevoko’ Voakilasy Ho ‘Mpanavakava-Bolonkoditra’
Nitarika fahatezerana manerana ny firenena ireo andian-tsary amin'ny boky novokarin'ilay tanora mpamorona lamaody ao Pakistana noho ny fisian'ny sarin'ankizy manana hoditra matroka manompo mpilatro mazava hoditra. Novokarin'i Aamna Aqeel ireo karazan'akanjo hita ao amin'ny “(meteza ho andevoko) -Be my Slave-” izay nivoaka tamin'ny gazetiboky Diva laharana 106, nampahafantara ny tenany i Aqeel...
Mitady Fiarahamiasa Aminà Orinasa Tsy Miankina Ny Orinasam-pifandraisana Saodiana Mba Hitsikilo Ireo Mpanjifany
Nangataka fiarahamiasa taminà orinasa tsy miankina iray ny orinasam-pifandraisana faharoa lehibe indrindra ao Arabia Saodita, Mobily, mba hanara-maso ireo fampiharana ara-pifandraisana amin'ny finday ampiasain'ny mpanjifany. Tamin'ny volana Martsa, nandrahona hanakatona ny WhatsApp, Skype sy ireo fampiharana hafa tsy mifanaraka amin'ny fepetra aman-dalàna Saodiana (mamela ny fanarahamaso na fitsikilovana) ny Vaomieran'ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny...
SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana
Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....
Mendrika Ny Fampiasàm-bola Natao Ve Ny Fetiben'ny Jazz Festival Tany Sainte-Lucie ?
Ny fiafaràn'ny Fetiben'ny Jazz sy ny Zavakanto any Sainte Lucie tamin'ity taona ity, indrindra indrindra tao anatin'ny vanim-potoanan'ny adihevitra mikasika tetibolan'ny firenena mandeha amin'izao fotoana, dia nitondra ireo marobe mpisera anaty aterineto hanontany tena mikasika ny fiantraikan'io hetsika io ara-toekarena