SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana
Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe.
Anisan'ny tetikasa “Inside Out” tontosain'ilay mpanakanto Frantsay JR ity kamiao ity, tetikasa andraisan'ny rehetra anjara. Mifantoka amin'ny fakàna sary ireo olona eny an-dalana manerana ny faritra maro isan-karazany eran'izao tontolo izao ny tetikasan'ity mpanakanto ity, ary hametaka izany sary izany eny amin'ny tranobe an-tanàn-dehibe. Sehatra misokatra ho an'ny rehetra ny tetikasa mba hizarana ireo tantara tsy fantatra sy hamadika ny fitantarana manokana ataon'ny tena ho haikantom-bahoaka.
Sary ahitana olona eo amin'ny 400 eo no voangona avy tao amin'ny faritra Tohoku, avaratr'i Japana, faritra izay mbola mizaka ny voka-dratsin'ny fihovitry ny tany sy ny tsunami tamin'ny taona 2011 izay namoizana ain'olona teo amin'ny 16.000 ary nandravarava ny faritra. Natao fampiratiana ny sombiny tamin'ireo sary ireo.
Nanomboka tamin'ny volana Febroary 2013 ary mbola mitohy hatramin'ny 2 Jiona 2013 ny Fampiratiana JR ao amin'ny Mozean'ny Kanto Ankehitriny Watari ao amin'ny distrikan'i Shibuya, ao Tokyo. Satria tao Tohoku no natao ny Tetikasa “Inside Out” JR, mitady fanohanana ara-bola ho an'ny tetikasa amin'ny alalan'ny Campfire[ja], habaka Japoney fanangonam-bola ny Mozean'ny Kanto Ankehitriny. Nahazo valiny mahafa-po ity antso fanohanana ity, satria tratra tao anatin'ny fe-potoana napetraka ny vola notadiavina, roa tapitrisa yen (eo amin'ny 19.600 dolara Etazonia eo).
Iray amin'ireo habaka fanangonam-bola ifandrimbonana ao Japana [ja] ny Campfire. Tamin'ny 2012, naangona [ja] vola teo amin'ny 92 tapitrika yen (903.000 dolara Etazonia) ny habaka ho fanohanana ny tetikasa; ary amin'ny alalan'ny famatsiam-bola 5.3 tapitrisa yen (52.000 dolaras) ho anà tetikasa manokana. Mampitaha ity habaka ity amin'ilay habaka fanangonam-bola ifandrimbonana malaza Amerikana Kickstarter, izay nahavita naangona vola iray tapitrisa dolara ho an'ireo tetikasa 17 samihafa ary vola mitotaly 320 tapitrisa dolara eo tamin'ny taona 2012.
Na dia eo aza ny hakelin'ny tsenan'ny fanangonam-bola ao Japana, afaka nihoatra ny fanambiny ny Campfire ary nahatratra ny tanjona. Manao antso fanohanana ara-bola ao amin'ny Campfire [ja] ny Mozean'i Watari ankehitriny mba hanitarana ny tetikasa manerana ny firenena. [Efa nikatona tamin'ny 10 Mey 2013 teo izany tetikasa fanangonam-bola izany]
Ankoatra ny tetikasa sary Tohoku, nampahafantatra tetikasa “Inside Out” hafa ihany koa ny mozea Watari. Nisy mihitsy ireo faritra notsidihan'ny olona hijerena ny fampiratiana, izay antsoina hoe “Afaka Hanova Izao Tontolo Izao ve Ny Haikanto?”, ary afaka maka sary izy ireo. Fomba iray handraisan'izy ireo anjara amin'ny tetikasa “Inside Out” ny fanomezana tombony ireo olona haka sary ao amin'ny mozea.
JR niresaka momba ny hevitra ambadiky ny tetikasa nandritra ny resadresaka an-tserasera tao amin'ny tranokalam-baovao Blouin Artinfo:
…] Na dia nanampy tamin'ny fananganana sy ny fampitaovana aza aho, zava-dehibe amiko izany hoe ny olona ao an-toerana no mitantana ilay kamiao, ny sary, sy ny fomba fiasa. Tetikasa nataon'ny Japoney, ho an'ny Japoney izany […]*
Tao amin'ny Twitter, TAKEI Toshifumi (@toshify) niresaka ny fihetseham-pony momba ilay fampiratiana:
@toshify:「JR展_世界はアートで変わっていく」(ワタリウム美術館、6月2日まで)を観た。
人の顔を大写しにしてストリートに掲示する手法で、社会問題を提起するフランス作家。
顔は私的なものという思い込みがあるが、パブリックな場に引き出されると
強烈なメッセージ性を帯びる。作家の言葉も美しい。
@toshify: Nandeha nitsidika ny Fampiratian'i JR “Afaka Manova Izao Tontolo Izao Ve Ny Hainkanto?” (izay tontosaina ao amin'ny Mozea Watari hatramin'ny 2 Jiona) aho.
Mpanakanto frantsay i JR izay te-hisarika ny saina manoloana ireo olana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fakàna ny sarin'ireo olona sy ny fametahana izany eny an-dalambe. Raha voalaza fa zavatra manokana ny endriky ny olona, mitondra hafatra mahery vaika ny fametrahana ny sarin'ireo olona eny amin'ny toerana fivezivezem-bahoaka. Mahafinaritra ihany koa etsy andaniny ny hafatra avy amin'ny mpanakanto.

Sarin'ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa napetaka tao ivelan'ny Mozea Watari, ao amin'ny faritra Tohoku;
Fihetseham-po samihafa mikasika ny fandraisan'anjara amin'ny fampiratiana:
@Hiro183: JR展(13回目位)@ワタリウム美術館。なんでこんなに来るかって?
キャンプファイアーで金銭支援をし、この展示に参加しているから。
ARTは参加して意味がある。 http://instagr.am/p/XCA2IOGhOK/
@Hiro183: (Fanin-13) amin'ny fitsidihako ny fampiratiana JR ao amin'ny Mozea Watari ity. Nahoana no tonga mitsidika karazana hetsika tahaka izao aho? Satria nandray anjara tamin'ny tetikasa aho tamin'ny alalan'ny fanohanana ara-bola tao amin'ny Campfire. Manome lanjan'ny haikanto ny fandraisantsika anjara amin'izany.
@hiswii: やっぱワタリウムのJR展、行って 撮るだけで参加したって言いづらいよなー。
JRに不足する身体性というのはプロジェクト全体で補足すべきことなんだろうね。
@hiswii : Sarotra ho ahy ny hiteny fa nandray anjara tamin'ny fampiratiana JR tao amin'ny Mozea Watari aho tamin'ny fankanesako tany ary nalaina sary. Tsy ampy fitaovana ny tetikasa JR ary tokony homena fitaovana fanampiny.
Azo jerena eto ireo sary maro hafa tamin'ny tetikasa Tohoku. Afaka jerena eto kosa ireo sary tamin'ny fampiratiana tao amin'ny Mozea Watari.

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 25 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...