Mendrika Ny Fampiasàm-bola Natao Ve Ny Fetiben'ny Jazz Festival Tany Sainte-Lucie ?

Ny fiafaràn’ny Fetiben'ny Jazz sy ny Zavakanto any Sainte Lucie tamin'ity taona ity, indrindra indrindra tao anatin'ny vanim-potoanan'ny adihevitra mikasika tetibolan'ny firenena mandeha amin'izao fotoana, dia nitondra ireo marobe mpisera anaty aterineto hanontany tena mikasika ny fiantraikan'io hetsika io ara-toekarena

Tao amin'ny vondrona Facebook St. Lucians Aiming for Progress (S.L.A.P) – mponin'i St Lucie mikatsaka fandrosoana -, Wilson Baptiste tsy nanana fanantenana fa hoe mety hahazoana tombony io fankalazana io:

Voakilasin'i St. Lucie ho isan'ny fandaharam-potoana sosialy ve ny Jazz, toy ny STEP, NICE, SMILE, HOPE? Vokany, manozongozona ny fahazoana tombony eo amin'ny orinasan'ny fizahantanin'ny firenena io.

Mainstage, Sunday; photo courtesy Lucian Jazz.com, used with permission.

Ivon-tsehara, Alahady ; sary mahafinaritra natolotry ny Lucian Jazz.com, fampiasaina nahazoana alalana

Nahatsapa i Ian Sandy fa ny fitantanana ilay fetibe dia manana ny tombontsoany manokana ivelan'ny famoronana loharanom-bola:

Tanaty taratasy matomatotra kokoa, ny fanatanterahana ny Fankalazana ny Jazz miaraka amin'ireo fampisehoana mandehandeha rehetra tao anatiny, ireo kasinga ivelany ary ny risika amin'ny fitadiavana traikefa miaraka amin'ilay fetibe dia tsy zava-mora. Tsy maintsy takatsika tsara fa mbola firenena tanora ny antsika ary tsy mbola manana fifandraisana sy fahaiza-manao amin'ny sehatra maro. Vokany, hanao hadisoana isika ary ho very vola amin'ny fanatanterahana ireo hetsika ireo. Vokatr'izany, amin'io dingana io, tsy maintsy hiarahaba ireo Jazzereras isika ho nanao Jazz 2013 nampitsanga-mitoetra.

Moko Jumbies; photo courtesy Lucian Jazz.com, used with permission.

Moko Jumbies; sary natoloty ny  Lucian Jazz.com, nahazoana alàlana.

Dokadoka anjorony, Anderson Queto nanontany tena hoe ahoana marina no hahazoan'ilay fetibe tombony:

Hey… misy mahafantatra ve hoe ho tafaverintsika ny 8tapitrisa$ nolaniana ho an'ny Jazz?

Kimani Goddard namaly:

Ny Fetiben'ny Jazz dia hetsika iray noforonina mba hisy fiantraikany maro eo amin'ny toekarena izay tsy tokony hisy mihitsy amin'izao vanin-toana izao. Mamorona fandraharahana maro amina sehatra samihafa eo amin'ny toekarena izy io izay mihoatra lavitra noho ny fandanian'ny governemanta raha resaka vokatra eny amin'ny ara-piaraha-monina sy ny toekarena no raisina. Heverina ho toy ny fahombiazana ny fidangan'ny fandanian'ny governemanta, miampy ireo vokany maro izay efa nolazaiko tetsy aloha.

Leigh Allan nanome hevitra fa maro no azo atao hanaparitahana ny tombony azo tamin'ilay fetibe:

Tsy maintsy mahita tombony ve ny Jazz, miato kely sa maty antoka? Heveriko fa ny Jazz fony izy noforonina tany aloha tamin'ny fotona nampiasàna azy dia hamenoana ny hotely amin'ireo mpizahatany handany vola aminy sy manodidina ny hetsika Jazz. Faly aho raha toa ka maro amin'ireo mponina no mahazo anjara mofomamy avy amin'izany ary mizaka ny fahazoana tombony sy koa afaka mandray anjara amin'io hetsika io. Goavana ity andiany ity satria nahafahan'ny vondrom-piarahamonina betsaka nahazo tombontsoa marina tokoa tamin'ny hetsika, miohatra amin'ny tany aloha. Manantena isika fa ireo hetsika maro ho avy mikasika ny Jazz dia hisintona vondrom-piarahamonina bebe kokoa sy hampandray anjara olona maro avy eo an-toerana.

R. Kelly; photo courtesy LucianJazz.com, used with permission.

R. Kelly sarin'i LucianJazz.com, nampiasaina nahazoana alalana

The Jacksons

The Jacksons; sarin'i Three Media, nampiasaina nahazoana alalana

Ireo sary amin'ity lahatsoratra ity dia an'i LucianJazz.com sy Three Media, nahazoana alalana avokoa ireo rehetra ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.