Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly

Ireo olana sy fikorontanana [es] mitohy foana ao amin'ny tananan'i Iquitos sy ny fitarainana [es] tsy mitsahatra mikasika ny kolikoly any amin'ny Governemantam-paritr”i Loreto dia nitarika ho aminà fihetsiketsehana [es] samihafa nataon'ny mponina sy ny fiarahamonina sivily [es].

Ny vao haingana indrindra tamin'ireny fanoherana iren dia ny tamin'ny 15 May 2013, taorian'ny nikarakaran'ny [es] Mandatehezana Tia TAnindrazana ao Loreto ny fitokonana 24 ora mangataka ny filoham-paritra sy ny filoha lefitra, Yván Vásquez Valera sy Luis Lozano Escudero, hiala amin'ny toerany noho ny asany ahiahiana ho nisy kolikoly.

Nilaza ny gazety La Verdad Iquitos [es] fa iray amin'ireo antony nanaovana ny fitokonana ny anjara andraikitra notànan'ny Fahefana Mpanao Lalàna tamin'ireo tranga manaraka ireto: “Ireo asan'ny Judge Nataly Maldonado nangataka ny Mpampanoa lalàna mba hamerina ny tahirin-kevitra nataon'ny OPIPP (Masoivohom-panjakana momba ny fotodrafitrasa ho fanatsaràna ny vokatra) izay nogiazany, ary ny fitantanan'ilay Mpitsara Alina Peixoto ny raharaha mikasika ny fampindramam-bola ho an'ny fambolena, ireo no antony nilain'ny vahoaka hanombohany mihetsika, miaraka aminà fitokonana 24 ora no voalohany.”

Sahabo ho talohan'ny misasakalina aza dia efa nanomboka ny fitokonana, fotoana izay toy ny voajanahary hiantombohan'ny hetsika fanoherana any Iquitos, miaraka aminà vondron'olona manohana ilay fitokonana nanao fisavàna ny tanàna, nakàna toky raha ny narahana tsara azy io. Diana Vela (@dianatshow) [es], mpianatra  lalàna, nitatitra teo amin'ny Twitter-ny tamin'ny 10 oraalina sy 30 minitra, ny 14 May:

@dianatshow: Okait, comienzan a romper botellas y quemar llantas, aun faltando hora y media para el “PARO” #iquitos

@dianatshow: Raikitra, nanomboka namaky tavoahangy sy nandrehitra kodiarana izy ireo, na dia mbola misy ora iray sy sasany aza mialoha ny “FITOKONANA” #iquitos

Nitondra tamin'ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana izany, taorian'ny fanelingelenana [es] teo anoloan'ny toeram-ponenan'ny Filohan'ny Governemantam-paritra, araka ny nolazain'i Carolina Gomes (@llinijoplin) [es] teo amin'ny Twitter:

@llinijoplin: La Policia Nacional acaba de lanzar 15 bombas lagrimogenas en una marcha pacifica. ¿Alguien dijo corrupcion?

@llinijoplin: Nanipy fotsiny izao baomba mandatsa-dranomaso 15 tany amin'ilay diabe am-pilaminana ny Polisim-pirenena. Kolikoly hoe hoy ianareo?

Pedro Esquibel [es] mpampiasa Facebook no nizara ny sarin'ny Central Plaza 28 de Julio tamin'io fotoana io:

Imagen del paro regional en Loreto. Foto compartida por Pedro Esquibel en Facebook.

Sarin'ny fitokonam-paritra tao . Sary nozarain'i Pedro Esquibel tao amin'ny Facebook.

Nahazo ny fankatoavan'ny [es] ankamaroan'ny vahoaka avy amin'ny sehatra maro samihafa [es] ao an-tanàna ilay fitokonana, ary ny tolakandron'ny 15 May, nisy diaben'ny fanoherana [es] nataon'ireo mpikambana ao amin'ny Mandatehezana Tia Tanindrazana avy ao Loreto, solotenan'ireo fikambanana hafa ary ireo mpankasitraka isankarazany. Taorian'ny fiverenana teo amin'ny trano fonenan'ny Filoham-paritra, izay nandoroan'izy ireo sorabaventy ho toy ny mariky ny fanoherana, niara-nizotra nankany amin'ny Plaza 28 indray ry zareo, toerana izay nanaovany karazana hetsika fanoherana tsotra ho famantarana.

Nitatitra teo amin'ny Twitter i Nancy Alarcón (@NancyAlarconCho) [es] Mpanao gazety iray :

@NancyAlarconCho: Acaba de llegar la capilla ardiente para velar a la Ley que ha muerto en Loreto, Poder Judicial la asesino! La corrupcion vive.Paro en Iqui

@NancyAlarconCho: Eto ny trano hevan'ny fandevenana mba hanaovana fiaretan-tory ho an'ny Lalàna izay maty teto Loreto, ary ny Fahefàna Mpanao lalàna no namono azy! Velona ny kolikoly. Fitokonana aty Iqui

Tanora mafana fo iray avy any Loreto, Ricardo Miguel Garcia Pinedo [es], no nampakatra sary maromaro mikasika ilay fanoherana:

Foto compartida por Ricardo Miguel Garcia Pinedo en Facebook.

Sary nozarain’i Ricardo Miguel Garcia Pinedo tao amin'ny Facebook

Foto compartida por Ricardo Miguel Garcia Pinedo en Facebook.

Sary nozarain'i Ricardo Miguel Garcia Pinedo tao amin'ny Facebook

Ho amin'ny anjarany, Iván Vásquez Valera, Filohan'ny Governemantam-paritra, nanehohevitra [es] tao amin'ny loharanon'ny media eto an-toerana fa hoe ilay fitokonana dia “tarihan'ireo mpanao politika izay maniry ny te-hanamafy fihetsika tsy mahomby anatinà fampielezan-kevitra iray vaovao mikasika ny fifidianana”, ary ireo mpanao politika ireo dia tsy mitondra tohan-kevitra akory ho amin'ny adihevitra. Tany aamin'ny farany dia nanampy izy hoe “Afaka miady hevitra isika, saingy miaraka amin'ny fahamendrehana. Tsy mandika lalàna na manompa ny hafa, milaza azy ireo ho mpangalatra, mpanao kolikoly, na anarana hafa koa.”

Tanatin'ireo nandefa bitsika avy any Iquitos, tsy mitovy daholo akory ny fahatsapàna mikasika ilay fitokonana. Naneho hevitra momba izay vokatra nentin'ny fitokonana araka ny fahitàny azy i Percy Meza (@alexiankernel) [es] mpianatra momba ny fifandraisana, hoe :

@AlexianKernel: Viendo los videos de lo que dejó el “paro” de 24 horas en Iquitos. Montículos increíbles de basura. Qué lamentable, en serio.

@AlexianKernel: eo am-pijerena ireo lahatsary maneho izay zavatra navelan'ilay fiokonana 24 ora tao Iquitos. Henatra bevava, mba marina anefa izany.

Ary avy any Lima, Jaime Cok, mpanao gazety  (@InO_MoXo) [es] dia kivy nisaintsaina hoe :

@InO_MoXo: El paro en #Iquitos se redujo a que los políticos jalen agua para su molino y que turistas se tomen foto con el ataúd simbólico de las leyes

@InO_MoXo: Ny fitokonana tany Iquitos dia nihen-danja ho lasa hoe politisiana nampiasa ilay zava-nitranga ho amin'ny tombontsoany ary ireo mpizaha tany naka sary niaraka tamin'ny vatam-paty sarintsariny handevenana ny lalàna.

Farany, tsara ny manambara fa ny filohan'ny Filankevitry ny Fampanoavana, Dr. Mario Alberto Gallo Zamudio, dia nilaza fa [es] “ny vahoakan'ny faritr'i Loreto dia maneho ny adidiny amin'ny maha-olom-pirenena azy izay hita ao anaty Lalàm-panorenan'i Però, ary ao anatin'izao vanim-potoana izao dia firenena iray fehezin'ny lalàna demaokratika izy”, nanampiany hatramin'ny hoe “mitohy manohy ny asan'ny ny Mpampanoa Lalàna, tsy miova eo amin'ny asany, ary ny lalàna dia mila ampiharina tsy misy hoe ahoana, ao anatin'ny sehatra napetraky ny lalàna, ilàna ny fitakiana valinteny avy amin'ireo izay tompon'andraikitra, mifanaraka amin'ny porofo voaangona.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.