Mpanao gazety sady mpikatroka pelaka Azerbaijani nisy namono

 

Novonoin'ny olona tao amin’ny fianakaviany tamin'ny 22 Febroary Avaz Hafizli, 24 taona, mpanao gazety sady mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka. Niteraka hatezeram-bahoaka tao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy ilay fahafatesany, ka maro ireo mpikatroka nitsikera ny tantaran'ny tsy fandraisana andraikitra tao Azerbaijan rehefa hamaha raharahan-keloka bevava fankahalana, indrindra indrindra ireo mihatra amin'ny vondrona atao anjorom-bala ao amin'ny firenena.

Ny fiarahamonina, ny governemanta Azerbaijani ary ny sampam-piarovan'ny fanjakana no tompon'antoka amin'ity fahafatesana ity. Tsy nojeren'izy ireo mihitsy ny fitarainana na dia notaterinay tany amin'ny polisy aza ny zava-nitranga rehetra, nofaranan’izy ireo tsy araka ny rariny mihitsy aza izany, tsy voasazy velively ilay nahavanon-doza↩️ —

Maty novonoin'ny zanak'olo-mpiray tampo aminy i #AvazHafizli, ilay mpitati-baovao amin’ny fantsona aterineto #Kanal13, izay #LQBT koa. 5 volana talohan'ny namatorany ny tenany tamin’ny rojo vy teo amin'ny makarakaran’ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana rehefa nanohitra ny fandrahonana ny vondrom-piarahamonina LGBT ao #Azerbaijan.

Nilaza ny naman'i Hafizli fa namoy namana malala ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, olona iray izay lohalaharana tamin'ny fiarovana sy ny fankatoavana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Azerbaijan.

Nisy namono androany ny namantsika be herim-po, mpikatroka LGBTQ+ sady mpanao gazety Avaz Hafizli. Ny governemanta Azerbaijani no tompon'andraikitra mivantana amin'ny fahafatesany amin'ny fanomezana rariny ny famonoana olona pelaka maro sy ny manitatra ny fankahalana pelaka/niova fananahana. Tsy hohadinoinay!

Tamin'ny volna Septambra 2021, namato-tena tamin'ny rojo vy teo amin'ny fefy ivelan'ny biraon'ny Fampanoavana i Hafizli mba hanoherana ny tsy fandraisan’ny andrim-panjakana andraikitra haingana tamin'ny bilaogera Sevinj Huseynova, izay niantso ampahibemaso hanaovana herisetra amin'ireo olom-pirenena pelaka ao amin'ny firenena. Nokendren'i Huseynova ihany koa i Hafizli taorian'izay, araka ny fitantaran'ilay mpanao gazety manokana, dia tsy niraharaha azy ny fianakaviany.  Nikasa hamono tena ihany koa rehefa nokendren'ilay bilaogera i Hafizli.

Fitantarana maharitra tsy tia LGBTQ+ 

Araka ny ILGA Europe, fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina amin'ny fanjakana miaro ny zon'ny LGBTQ+ sy ny fahalalahana, Azerbaijan no mitana ny toerana farany amin'ireo firenena miisa 49 ao amin'ny tondron’ny fikambanana Rainbow Index.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanamafy ny famoretany ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ny governemanta Azerbaijan. Tamin'ny taona 2017, olona miisa 83 farafahakeliny no notazonin'ny polisy noho ny maha pelaka na maha-niova fananahana azy ireo. Nambaran’ireo voafonja fa nampijalijaliana sy norahonana izy ireo. Tamin'io taona io ihany, olom-pirenena Azerbaijani miisa efatra farafahakeliny izay fantatra ho LGBTQ+ no namono tena.

Tamin’ny taona 2018, nitatitra ny gazety Israeliana Haaretz fa nampiasa fitaovana fanaraha-maso sy rindrambaiko Verint Systems Israeliana ny governemanta Azerbaijan mba hamantarana ny fironana ara-pananahan'ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny Facebook.

Olona LGBTQ+ am-polony mahery no nosamborina tamin'ny taona 2019, ny ankamaroan'izy ireo dia mpivaro-tena nanova fananahana izay nivaro-tena ary nosamborina avy eo araka ny tatitry ny Meydan TV sy ny gazety Minority Magazine.

Tamin'ny volana Marsa 2021, nitatitra hetsika vaovao antsoina hoe “Rà Madio” ny Minority Magazine izay nahetsika tamin'ny alalan'ny Telegram mba hikendrena ny  LGBTQ+ ao Azerbaijan.

Avy eo tamin'ny fahavaratry ny taona 2021, nandritra ny volana FIREHAREHANA, nitatitra fanafihana natao tamin'ny olona LGBTQ+ misimisy kokoa ny Minority Magazine.

Ho an'ny maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, tsy dia misy azo atao amin'ny alàlan'ny polisy na ny rantsam-pitsarana ofisialy. Ohatra, tamin'ny volana Novambra tamin'ny taon-dasa, vehivavy iray niova fananahana sy ny namany no nisy nanafika teny an-dalambe tao Baku renivohitra. Noho ny fahafantarana ny tsy firaharahian’ny polisy ireo olom-pirenena pelaka, dia nanapa-kevitra ny tsy hametraka fitarainana ofisialy izy ireo, noho ny tahotra valifaty sy ny mety ho fanitsakitsahana ny fiainana manokana.

Miely patrana eo amin'ireo mpanao politika, olo-malaza ary olona fanta-bahoaka ny fitantarana manohitra ny LGBTQ+ ao Azerbaijan, araka ny fikarohana nataon'ny OC Media izay nifantoka tamin'ny halehiben'ny kabary fankahalana pelaka ao amin'ny firenena tamin'ny famakafakana ny tatitry ny fampitam-baovao.

Araka io fikarohana io, miatrika fanavakavahana amin'ny raharaha miaramila ihany koa ireo mpikambana LGBTQ+. Any Azerbaïdjan, tsy afaka manao raharaha miaramila izay tsy maintsy atao ireo izay milaza ho LGBTQ+ araka ny Andininy faha-18, andalana b ao amin'ny Fitsipika mifehy ny Fanadihadiana Ara-pitsaboana Miaramila, izay milaza fa ny olona iray dia heverina ho tsy afaka na tsy afaka amin'ny ampahany hanao raharaha miaramila noho ny fikorontanan'ny maha-olona sy araka ny andininy faha-17/ b, izay manondro aretin-tsaina sy aretin'ny fikorontanan-tsaina.

Tsy ilay bilaogera Sevinj Huseynova irery ihany no nanao antso ampahibemaso amin'ny herisetra atao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Araka ny gazety Minority Magazine, tamin'ny volana Janoary 2022, nilaza ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ho “fahalotoana” ilay mpitondra fivavahana Haji Tayyar Huseynli, ary nilaza fa tokony hohelohina ho faty ny mpivady mitovy fananahana manao firaisana. “Izany hoe, araka ny fitsipika ara-pivavahana dia tsy maintsy vonoina izay manao io fihetsika maharikoriko io. Izany no fitakian'ny fivavahana,” hoy i Huseynli tamin'ny sehatra fampahalalam-baovao iray tao an-toerana nandritra ny antsafa nataony.

Araka ny fanambarana navoakan'ny biraon’ny Fampanoavana, novonoin'ny zanak'olo-mpiray tam-po aminy izay nentin’ny hamamoan’ny alikaola i Hafizli, rehefa avy nifamaly ry zareo. Nilaza ny birao fa efa nisy ny fanadihadiana natao.

Na izany aza, manahy ireo mpikatroka ao Azerbaijan fa mety tsy hisy zavatra firy hivoaka amin'izany. Raha nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook, dia hoy ilay mpikatroka maha-olompirenena, Gulnara Mehdiyeva hoe “Tsy misy dikany amin'ny lalàna Azerbaijani ny vahoaka LGBTQ. Tsy heverina ho olombelona izy ireo, ary na ny biraon'ny fampanoavana, na ny Sampan-draharaham-piarovan'ny Fanjakana, na ny fikambanana hafa rehetra dia tsy misy manao na inona na inona na dia iray aza mba hisorohana ny famonoana olona faobe. Meloka mivantana amin'ny fanaovana ho ara-dalàna ny famonoana olona LGBTQ amin'ny ambaratonga rehetra ny fanjakana Azerbaijani.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.