Niray hina amin'ilay mpanao gazety Papoazia-Neo-Ginea naato amin'ny asany ireo vondrona media ao Pasifika

Sarin'ny mpanao gazety Sincha Dimara sy ny EMTV News avy amin'ny lahatsoratry ny Reporters Sans Frontières (RSF).

Tamin'ny 7 Febroary, nahare ilay mpanao gazety Sincha Dimara, iray amin'ireo mpanao gazety malaza indrindra ao Papoazia-Neo-Ginea fa naato amin'ny asany mandritra ny telo herinandro tsy mandray karama izy. Dimara no Lehiben'ny Vaovao sy ny Raharaha Ankehitriny ao amin'ny EMTV, fantsom-pahitalavi-panjakana ao Papoazia-Neo-Ginea.

Namoaka ny didy fampiatoana ny orinasa foiben'ny EMTV, Media Niugini Limited (MNL), taorian'ny fiampangana an'i Dimara ho tsy nanaja ny mpifehy azy sy nanimba ny lazan'ny orinasa. Ny anton'ny fiampangana azy dia noho ny fanapahan-kevitr'i Dimara hitatitra momba ny fizotry ny fitsarana an'ilay Aostraliana mpitantana trano fandraisam-bahiny Jamie Pang izay nesorina tamin'ny volana lasa teo ny fiampangana azy mifandraika amin'ny famokarana, fanondranana sy fanaparitahana rongony. Na dia teo aza ny fanafahana azy madiodio, dia notanana am-ponja noho ny fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny fifindra-monina sy ny fandikàn-dalàna momba ny fihazonana basy i Pang.

Navoakan'ny EMTV ny tatitra telo momba an'i Pang, manakiana ny fizotry ny fitsarana azy, ny tsy fahampian'ny fanadihadian'ny polisy ary ny ahiahin'ny mpiasany — toa mahatonga fanontaniana ny fitantanan'ny governemanta ny toe-draharaha. Toa tsy nifanentana loatra amin'ny “fangatahan'ny” minisitry ny governemanta amin'ny MNL hanao zavatra momba izany loatra io. Mifehy ankolaka ny EMTV amin'ny alalan'ny MNL ny governemantan'i Papoazia-Neo-Ginea.

Tafaporitsaka tamin'ny besinimaro ny filazana (memo) fampiatoana an'i Dimara ary niteraka fanamelohana mielipatrana tao anatiny sy ivelan'i Papoazia-Neo-Ginea.

Tamin'ny 8 Febroary, nanambara tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Vonjimaika ao amin'ny EMTV fa “noraisina tsy araka ny zava-misy ilay filazana.”

At no time were EMTV's Journalists restricted nor stopped from reporting unfolding stories on the detained resident.

The memo was a result of alleged insubordination by staff towards verbal lawful instructions to drop stories sympathizing with Pang. EMTV is a responsible organization and will not be seen to sympathize with persons with questionable character.

The memo did not in any way restrict the journalists’ freedom of press, rather the memo was circulated to staff with the view to properly scrutinize the content of the news stories before they were aired that day.

Tsy noferana na nosakanana na oviana na oviana ny mpanao gazetin'ny EMTV  hitatitra ny tantara ankehitriny momba ilay mponina voatazona.

Vokatry ny voalaza fa tsy fanoavana nataon'ny mpiasa manoloana ny toromarika am-bava ara-dalàna hanalàna ireo tantara miombom-po amin'i Pang ny filazana. Rafitra tompon'andraikitra ny EMTV ary tsy ho azo sokajiana fa manohana ireo olona manana toetra mampiahiahy.

Tsy nametra velively ny fahalalahan'ny asa an'ireo  mpanao gazety ilay filazana, fa naparitaka tamin'ny mpiasa ny filazana mba handinihana tsara ny votoatin'ny vaovao alohan'ny nandefasana azy tamin'io andro io.

Saingy nanoritsoritra ny fihevitr'ilay tompon'andraikitra ho “mivaona” sy “manakaiky amin'ny fampitahorana ny mpiasan'ny EMTV News” ny Filankevitry ny Fampahalalam-baovao ao Papoazia-Neo-Ginea. Nampahatsiahiviny ny MNL ihany koa izy fa nanao tatitra mitovy amin'izany momba an'i Pang ireo orinasam-pampahalalam-baovao hafa ao an-toerana:

The Council would also like to highlight that all Media houses reported the story of Pang being acquitted by the Courts, and the concerns of his employees.

Te hanasongadina ihany koa ny Filankevitra fa nitatitra ny vaovao fanafahan'ny fitsarana madiodio an'i Pang, sy ny ahiahin'ny mpiasan'ity farany ny trano Fampahalalam-baovao rehetra.

Nampitandrina ny amin'ny “tsindry politika mamohehatra” ao amin'ny efitrano famoaham-baovao EMTV ihany koa ny Filankevitra:

To resort to suspending its head of news for reasons of performing and complying to a ministerial directive based on personal or emotional reactions to social media comments about a story, reeks of undue political influence, and sets a dangerous precedent as the country moves into an Election Year. A time when strong independent news assessment will be key in news coverage.

Ahenoana fofona tsindry politika mamohehatra ny fidirana amin'ny fampiatoana ny lehiben'ny fampahalalam-baovao noho ny antony fampiharana sy fanarahana toromarika avy amin'ny ministera mifototra amin'ny fijerin'ny tena manokana na ara-pihetseham-po manoloana ireo fanehoan-kevitra amin'ny media sosialy momba ny tantara iray ary manokatra lalana mampidi-doza ao anatin'ny fizoran'ny firenena mankany amin'ny Taom-pifidianana. Amin'ny fotoana ho lakilen'ny fitantaram-baovao ny fanombanana ny fahaleovantenan'ny vaovao.

Nivondrona nanohana an'i Dimara, izay niaraka tamin'ny EMTV nandritra ny 33 taona ny vondrona media Pasifika sy ny mpanao gazety. Tamin'ny alakamisy 17 febroary, nanao fihetsiketsehana ireo mpanao gazety avy ao amin'ny ekipam-baovao nasionaly EMTV mba hanohitra ny fampiatoana an'i Dimara.

#PapuaNewGuinea🇵🇬: [VAOVAO FARANY] Nanao diabe ny ekipam-baovao EMTV ho fanoherana ny fampiatoana ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra Sincha Dimara. Nanameloka ny “fandrahonana tsy misy farany” atao amin'ny fampahalalam-baovao ny ekipa ary nivoady tsy hiverin-dalana raha tsy “voahitsy ny fahadisoana.”

Mpiasam-baovao hafa iray niditra tao amin'ny media sosialy mba hitsikera ilay fampiatoana. Mpanao gazety Scott Waide nitsikera ny fihetsiky ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Vonjimaika ao amin'ny EMTV:

The suspension of EMTV News Manager, Sincha Dimara, reeks of external influence on the company's top management.

A CEO is a buffer between staff and any external pressure. You need a heart of steel and buckets of bravery to fend off political pressure.

There is another way to correct coverage that does not “fit the aspirations” of a news organization – it's called LEADERSHIP.

Ny fampiatoana ny Mpitantana ny Vaovaon'ny EMTV, Sincha Dimara, dia toa misy tarakevitra avy any ivelany nahazo ny mpitantana ambony indrindra ao amin'ny orinasa.

Mpampitony eo anelanelan'ny mpiasa sy ny tsindry ivelany ny tale jeneraly. Mila fo vy sy siny feno herim-po ianao hanosehana ny tsindry politika.

Misy fomba iray hafa hanitsiana ny fitantarana izay tsy “mifanaraka amin'ny hetahetan'ny” rafi-pamoaham-baovao – antsoina hoe FITARIHANA izany.

Mpanao gazety Tania Fewec Bale nidera ny fanapahan-kevitr'i Dimara hanohy hitatitra momba ny olana mety hisy fiantraikany amin'ny tombontsoam-bahoaka:

When a TV CEO comes down to the newsroom and pulls a story for anything other than legal reasons, that is a direct breach of media freedom. When a newsroom runs the story anyway, that's NOT insubordination, that's upholding media freedom. That's a warrior move Sincha Dimara.

Rehefa midina any amin'ny efitrano fanoratana ny Tale Jeneralin'ny TV iray ary misintona tantara noho ny antony hafa ankoatra ny antony ara-dalàna, dia fanitsakitsahana mivantana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izany. Rehefa misy efitra famoaham-baovao mitantana ny tantara, TSY fikomiana izany, fa manohana ny fahalalahan'ny haino aman-jery. Hetsiky ny mpiady Sincha Dimara izany.

Robert Iroga, filoha mpiara-miasa amin'ny Pacific Freedom Forum, nitaky ny hamerenana an'i Dimara amin'ny toerany:

We stand in solidarity with our EMTV wantoks [close comrade], and all our media family across Papua New Guinea who work in often difficult situations, to ensure the people are informed and know what is happening. Reporting the proceedings of court cases is an important part of the news cycle and the public interest, and we hope Ms Dimara can be reinstated quickly.

Miray hina amin'ny EMTV wantoks [sakaizanay] izahay, sy ny fianakaviamben'ny media rehetra manerana an'i Papoazia-Neo-Ginea izay miasa matetika ao anaty toe-javatra sarotra, mba hahazoana antoka fa nampahafantarina sy mahalala ny zava-mitranga ny vahoaka. Ampahany manan-danja amin'ny tsingerim-baovao sy ny tombontsoam-bahoaka ny tatitra fizotry ny raharaham-pitsarana, ary manantena izahay fa ho tafaverina haingana amin'ny asany Rtoa Dimara.

Kora Nou, filohan'ny Fikambanan-gazetin'ny Nosy Pasifika, nanamarika fa misy fomba hafa tsy mila mampiato an'i Dimara hamahana ny olana mifandraika amin'ny fitantarana vaovao:

From the letter of suspension of the head of News & Current Affairs, Ms Sincha Dimara, it is fair to say that the management has reacted quite harshly by suspending her without pay. The news selection on the Pang court proceedings and subsequent suspension of Ms Dimara could have been better dealt with internally.

Avy amin'ny taratasy fampiatoana ny lehiben'ny Vaovao & Raharaha Anatiny, Rtoa Sincha Dimara, rariny ny filazana fa nandray fanapahan-kevitra tena henjana ny mpitantana tamin'ny fampiatoana azy tsy misy karama. Mety azo nifampiresahana tao anatiny ny fifantenana ny vaovao momba ny fizotry ny fitsarana an'i Pang sy ny fampiatoana an-dRamatoa Dimara taorian'izany.

Nandrisika ireo mpikambana ao amin'ny haino aman-jery Pasifika izy hiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety:

In light of the current situation at EMTV in Papua New Guinea, I encourage all news organisations to always uphold and protect your editorial independence at all cost; this is what defines you as an independent and impartial media outlet.

Manoloana ny zava-misy amin'izao fotoana izao ao amin'ny EMTV any Papoazia-Neo-Ginea, mamporisika ny fikambanan-gazety rehetra aho mba hanohana sy hiaro hatrany ny fahaleovantenan'ny famoahan-dahatsoratra ao aminareo na inona na inona mitranga; izany no mamaritra anao ho haino aman-jery mahaleotena sy tsy miangatra.

Niatrika fanakianana ny MLN taloha noho ny fampiatoana sy fampanginana mpanao gazety. Naato ny Lehiben'ny Vaovaon'ny EMTV Neville Choi tamin'ny taona 2018 ary voaroaka ny taona 2019 noho ny “tsy fankatoavana ny lehibeny” taorian'ny namoahany tatitra mitsikera maromaro mifandraika amin'ny fihaonamben'ny APEC sy ny fandaniam-bolan'ny Tafi-piarovana nasionaly. Taorian'ny fandroahana azy, nitokona tanteraka ny efitrano famoaham-baovao, ary naverina tamin'ny asany izy roa andro taty aoriana. Toy izany koa ilay mpanao gazety zokiolona Scott Waide izay naato tamin'ny taona 2018 rehefa nanakiana ny fandaniam-bolam-panjakana.

Mandritra izany fotoana izany, mbola miatrika fiampangana fanampiny i Pang araka ny tatitry ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.