Nanakatona Seha-Baovao Miisa Enina i Kambôdza

Mpikambana ao amin'ny gazety mivoaka isan'andro ao Kambodza mamoaka sora-baventy miantso ho amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ao Kambodza. Loharano: Facebook

Nanakatona seha-mpampitam-baovao miisa enina i Kambodza tao anatin'ny telo herinandro: gazety mivoaka isan'andro iray, servisy fampitam-baovao vahiny roa ary radio ao an-toerana miisa telo. Nilaza ny governemanta fa nanitsakitsaka ny lalànan'ny hetra sy ny fanomezana lisansa ao an-toerana ireo orinasam-pampitam-baovao ireo, saingy mihevitra kosa ny vondrona fampitam-baovao maro sy ny antoko mpanohitra ara-politika fa midika fanakatonana izay feo mitsikera mialoha ny fifidianana ankapobeny izao fanakatonana izao.

Ny Cambodia Daily gazety mivoaka isan'andro amin'ny teny anglisy ao Kambodza, niorina tamin'ny taona 1993 amin'ny maha-orinasa sosialy azy, dia nampangaina ho tsy nandoa hetra. Notsipahan'ny mpamoaka asa an-taratasy izany fiampangana izany.

Ankoatra izany dia voalaza ihany koa fa tsy nomena fahafahana hampakatra ny raharaha na hifampiraharaha amin'io resaka hetra io ny gazety.

Mandritra izany fotoana izany, nodidiana hikatona noho ny tsy fisoratana anarana ao amin'ny departemantan'ny hetra ihany koa na ny Radio Free Asia (RFA) na ny Voice of America (VOA) ao Kambodza — izay samy tohanan'ny governemantan'i Etazonia –.

Nofoanan'ny governemanta ihany koa ny lisansan'i Moha Nokor FM 93.5, izay mampiely ny votoatin'i RFA sy ny VOA, ary nofoanana toy izany ihany koa ny programan'ny mpanohitra amin'ny onjam-peo.

Niatrika fahatapahan'ny fandaharana ao amin'ny tobim-pampielezam-peo telo any amin'ny faritany ihany koa ny Voice of Democracy (VOD na Feon'ny Demaokrasia). Notaterina tamin'ny voalohany fa olana ara-teknika no nahatonga ny fahatapahana, saingy taty aoriana dia nohamafisin'ny toby fampielezam-peo fa nobaikoana izy hampitsahatra ny fampielezam-peo. Nandritra ny telopolo taona farany no nampiatranoan'ny VOD programa mitsikera ny antoko mitondra.

Niezaka i Yi Chhor Vorn, talen'ny Moha Nokor, hanazava ny antony nanakatonan'ny governemanta ilay toby fampielezam-peo:

They told me the reason they closed is because we did not inform them about information of air-time sales to the clients. But I think we have been doing our job already. We pay tax, we have a license and of course we follow all the guidelines.

Nolazain-dry zareo tamiko fa nanakatona azy ry zareo satria ts nampafantatra an-dry zareo ny torohay momba ny saran'ny fotoana itenenan'ny mpanjifa izahay. Saingy mihevitra aho fa efa nanao ny asanay izahay. Mandoa hetra izahay sy fahazoan-dalana ary mazava loatra fa nanaraka ny torolalana rehetra.

Ny fanakatonana tampoka ireo orinasam-pampitam-baovao ireo dia hitan'ny vondrona maro ho endrika fanohintohinana ara-politika ataon'ny antoko mitondra izay very toerana maro ry zareo nandritra ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2013.

Nampitandrina i PA Nguon Teang avy ao amin'ny Foibe Kambôjiana misahana ny Fampitam-Baovao Mahaleotena fa “hampisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fizotran'ny fifidianana ao amin'ny firenena ny fanafoanana ny fampitambaovao mahaleotena.”

Nanamafy i Chak Sopheap avy ao amin'ny Foibe Kambôjiana Misahana ny Zon'Olombelona fa “ho feno ny fanakendana ny fiainam-bahoaka manankarena sy matanjaka ao Kambôdza rehefa tsy misy intsony ny fampitam-baovao afaka.”

Namoaka fanambaràna fanohanana ny Cambodia Daily, iray amin'ny gazety roa miteny anglisy ao amin'ny firenena ny Mpikamban'ny Gazetin'i Kambôdza Ampitan-dRanomasina:

The Cambodia Daily has a history of running stories that have angered the government leading many to believe the tax department is being used to target critics ahead of the 2018 general elections.

Namelona tantara maro izay nahatezitra ny governemanta ny Cambodia Daily ka mahatonga ny maro hihevitra fa nampiasaina ikendrena ireo mpitsikera mialoha ny fifidianana ankapobeny taona 2018 ny departemantan'ny hetra.

Nandrisika an'i Kambodza i Edgardo Legaspi, tale mpanantateraky ny Firaisakinan'i Gazety Aziatika Atsimo-Atsinanana, hanaraka ny fomba fanao mahazatra rehefa misy ny raharaha mahatafiditra fampitam-baovao:

It appears that the Cambodian government has been using legal technicalities to hide behind its real aim of silencing independent voices. The government has prioritized shutting down of media outlets over providing fair procedures to address their liabilities.

Hita fa mampiasa fanasarotana ara-teknika ampifanarahana amin'ny lalàna ny governemanta kambôjiana hanafenany ny tena tanjona hampanginana ireo feo mahaleotena. Ataon'ny governemanta laharam-pahamehana kokoa ny fanakatonana seha-baovao noho ny fanomezana fombafomba tsy mitongilana ahafahany manatontosa ny adidiny.

Nampian'i Legaspi fa manjavozavo ny lalàna fanomezana alalan'i Kambôdza ka tokony nosafidin'ny governemanta kokoa ny mipetraka miara-midinika amin'ny orinasa nampangaina ho tsy nanaraka ny fitsipîky ny firenena fa tsy ny fanakatonana azy ireny.

Saingy notsipahin'i Khieu Kanharith, minisitry ny filazam-baovao ny filazana fa manohintohina ireo fampitam-baovao mahaleotena ny governemanta.

The ministry has shut some radio stations because they violated their contract. We have reviewed some other radio stations, which also rent time to VOA and RFA, and they remain open.

Nanakatona ireo tobim-pampielezam-peo ireo ny minisitera satria nanitsakitsaka ny fifanarahana nifanaovana taminy ry zareo. Efa nijery ny amin'ireo tobim-pampielezam-pao hafa izay mampindrana amin'ny VOA sy ny RFA izahay, ary mbola misokatra ireo.

Nanitrikitrika ihany koa izy fa resaka fanitsakitsahana ny hetra ihany no raharaha mahavoarohirohy ny Cambodia Daily:

I think reporters at the Cambodia Daily should not demonstrate for freedom of the press because it is not a freedom of the press issue, it is the tax law being implemented.

Mihevitra aho fa tsy tokony hanao fihetsiketsehana mitaky ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny mpanangom-baovao ao amin'ny Cambodia Daily satria tsy olana fahalalahan'ny fanaovan-gazety io, fa resaka lalànan'ny hetra nampiharina.

Ankilan'ny fanakatonana seha-baovao maro, dia manakombom-bava ireo ONG vahiny maro ihany koa i Kambodza, izay mahatonga ny andrim-pikambanana maro hatramin'ny governemanta vahiny maro haneho ny ahiahiny amin'ny fiharatsian'ny toe-draharaha politika ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.