Manasazy Kabarim-pankahalana Ny Lalàna Vaovaon'ny Media Sosialy Ao Alemaina

Ny Olana amin'ny Sivana dia XXXXXXXXX, Budapest, Hongria. Sary avy amin'i Cory Doctorow tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.

Hampandòa onitra ho an'ireo tambajotra sosialy ny lalàna Alemaina vaovao hanan-kery amin'ny volana Oktobra raha toa ka tsy manaisotra izay kabarim-pankahalàna “hita fa tsy manara-dalàna” nalefa tao anatin'ny 24 ora izy ireo.

Eo ambanin'ny Networkdurchsetzungsgesetz, antsoina hoe NetzDG raha hafohezina, manana hatramin'ny fito andro ireo orinasa mba handinika ny fanesorana fitaovana mety hanahirana kokoa.

Efa mamaritra ny kabarim-pankahalàna ny fehezan-dalàna famaizana ao Alemaina, noho izany, tsy mamorona fepetra na famaritana vaovao ny lalàna. Fa kosa, manery ny orinasa mba hifehy ny kabarim-pankahalana na hiatrika onitra goavana. Tsy mbola nisy toy izany teo amin'ny sehatra manerantany ny lalàna, ary mety hisy fiantraikany amin'ny fanovana ny zava-misy manerantany izany.

Ahitana sazy mazava ho an'ireo orinasa tsy mahavita manatanteraka sy mamaritra izay hafatra, sary na horonan-tsary hita fa misy votoaty kabarim-pankahalana ny volavolan-dalàna farany. Manery ireo orinasa ihany koa ny lalàna mba hamorona rafitra matanjaka ho an'ny mangarahara amin'ny dingana fanesorana votoaty ataon'izy ireo. Saingy tsy mametraka fepetra ara-dalàna mba hanoherana ny fanesorana votoaty ilay lalàna.

Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny BBC, nilaza ny mpitondratenin'ny Facebook tsy fantatra anarana fa “hisy fiantraikany amin'ny famindrana andraikitra amin'ny fanapahan-kevitra sarotra momba ny lalàna izany, andrakitry ny manampahefam-panjaka ho afindra any amin'ireo orinasa tsy miankina”.

Na dia tsy misy lalàna aza, dia efa misy amin'ny lafiny maro izany andraikitra izany. Manana fahefana feno amin'ny kaonty sy ny hafatra alefan'ireo mpiserasera ny orinasa – raha toa ka naato ny kaontin'ny mpiserasera iray na nesorina ny votoatiny, matetika tsy afaka mahazo vaovao momba ny fomba nanapahana ny hevitra, na manana fifandraisana mivantana amin'ny mpiasan'ny orinasa izay afaka manampy amin'ny famahana ny olana izany mpiserasera izany. Tahaka izany ihany koa ho an'ireo mpiserasera izay mitatitra votoaty na hafatra manimba ary tsy mahita vahaolana.

Ambonin'izany zava-manahirana izany, misy ny marimaritra iraisana eo amin'ireo mpitsikera ny lalàna ka hiteraka fankatoavana tafahoatra izany – izany hoe, fitomboan'ny sivana — avy amin'ireo orinasa tsy te handoa onitra.

Iraka manokan'ny Firenena Mikamba mikasika ny fahalalahana maneho hevitra, David Kaye nilaza momba ny lalàna hoe:

With these 24 hour and seven day deadlines – if you are a company you are going to want avoid fines and bad public branding of your platform….If there is a complaint about a post you are just going to take it down. What is in it for you to leave it up? I think the result is likely to be greater censorship.

Amin'ireo fe-potoana 24 ora sy fito andro ireo – raha orinasa ianao, dia handeha hiala ny onitra sy ny endrika ratsy ampahibemaso ao amin'ny sehatrao … Raha misy ny fitarainana momba ny lahatsoratra iray, hofafanao fotsiny izany. Inona no hitranga raha avelanao ao izany? Heveriko fa mety ho sivana lehibe kokoa no setriny.

Noroahana Tao Myanmar – sy ny Facebook ny Rohingyas

Milaza ireo mpikatroka Rohingya fa naato ny kaontin'izy ireo na voaaisotra foana ny lahatsoratra Facebook-n'izy ireo manadihady izay nolazain'ny Firenena Mikambana ankehitriny fa fanadiovana ny foko vahoaka Rohingya any Myanmar. Tena manan-danja tokoa izany manoloana ny firoboroboan’ ny fampielezan-kevitra antserasera anti-Rohingya, sy ny sakana tsy mitsaha-mitombo amin'ny fahazoana vaovao marina momba ny fifandonana. Ireo antony ireo no mahatonga ny Facebook sy ny sehatra media sosialy hafa ho sehatra fitsikerana hampielezana vaovao momba ny fifandonana.

Nanameloka mpisera Facebook Indiana izay “nanevateva” ny Mpaminany i Emirà Arabo Mitambatra

Namafisin'ny Fitsarana ao Emirà Arabo Mitambatra ny sazin'ilay mpiasa Indiana mpifindra-monina izay voasazy herintaona an-tranomaizina noho ny famoahany fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izay voalaza fa “tsy mendrika” sy “nanevateva” ny Mpaminany Mohammed. Nilaza ilay lehilahy fa mpijirika no nandefa ireo hafatra ireo, saingy nolavina izany fiarovan-tena izany.

Mangatataka amin'ny Apple mba hihazona ny fampiharan'izy ireo antserasera ireo developera Iraniana

Nanao fanangonan-tsonia manohitra ny Apple Inc ireo mpamorona fampiharana Iraniana noho ny fanakatonana ny fampiharan'izy ireo tao amin'ny App Store (Magazay App). Tao amin'ny fanangonan-tsonia Change.org, nangataka tamin'ny Filoha Tale Jeneralin'ny Apple, Tim Cook ny vondrona developera mba “tsy hanala intsony ny fampiharana Iraniana ao amin'ny [App Store] ary hanaisotra ireo politika izay mametra ny fidiranay ao amin'ny vokatra sy ny tolotra atolotra amin'ny alalan'ny sehatra Apple.”

Nitatitra ireo developera marobe fa rehefa mandefa fampiharana iray hodinihana izy ireo, dia mahazo hafatra milaza fa “tsy afaka mampiantrano, maninjara, na manao raharaham-barotra amin'ny fampiharana na developera mifandray amin'ny firenena eo ambanin'ny fahirano Amerikana” ny App store.

Nanomboka nanakatona fampiharana Iraniana ny Apple tamin'ny volana Aogositra, volana nanaovan'ny filoham-pirenena Amerikana Trump sonia ny volavolan-dalàna vaovao momba ny sazy, saingy mbola tsy mazava tsara raha hametraka famerana vaovao eo amin'ireo orinasan'ny teknolojia ny fitantanana. Nesorin'ireo orinasa Eoropeana ny sazy rehetra an'i Iran taorian'ny fifampiraharahana momba ny fifanarahana nokleary 2016.

Fikarohana Vaovao

 

 

Misorata Anarana Ao Amin'ny Netizen Report

 

Afef Abrougui, Ellery Roberts Biddle, Mohamed ElGohary, Pauline Ratze, Elizabeth Rivera sy Sarah Myers West no niara-nanoratra ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.