Imanoela Fifaliana · Septambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Septambra, 2018

Maraoka: Tantaranà Mpanjaka

  26 Septambra 2018

''Tany am-piandohan'ny herinandro, rentsika niresaka momba ny finoana sy ny politika ny andianà frantsay voaantso ho any Maraoka .... Tena mahagaga ny fisiana lahatsoratra iray momba an'i Meknès, fa lahatsoratra roa ao anatin'ny herinandro, tena tsy mampino.''

Shina: CCTV ambanin'ny afon'ny… tsikera

  26 Septambra 2018

Ny alin'ny 9 hifoha 10 febroary, nirehitra ny ampahany iray tamin'ny Tilikambon'ny CCTV, ny Fahitalavitra Foibe ao Shina, raha teo ampiitifirana afomanga ho fankalazana ny fetin'ny Harendrina ny ekipana mpahay momba ny afo (pyrotechniciens) iray. Nahafatesana olona iray, mpamonjy voina, ary naharatràna olona fito sy nahasimbana fotodrafitrasa sy fitaovana mitentina miliara yuan maro izany afo izany.

Momba ny Fanoratana Bilaogy Any Amin'ny Faritra Misy Fifandirana

  25 Septambra 2018

''Nandritra ireo roapolo taona lasa, olona mihoatra ny iray tapitrisa ao avaratra no miaina ao anatin'ny toby natokana ho an'ny Olona Nafindra Monina ao antin'ny taniny ihany (IDP), matahotra ny fanafihana mety hataon'ny Lord's Resistance Army (LRA) (LRA) sy ny herisetra asehon'ny fanjakana isanandro. ''

Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa

  24 Septambra 2018

Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny "S" io - sahala amin'ny ao anatin'ny hoe "Obama dia Sosialista". [...] Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy

Ireo Krizin'i Darfur: Miteny Ireo Blaogera

  23 Septambra 2018

Nipoitra tao anatin'ireo gazety tamin'ny taona lasa ny faritra andrefan'i Sodana ao Darfur rehefa nafindra toerana ireo sivily an-tapitrisany, vokatr'ireo ady nifanaovan'ny andiana mpikomy sy ireo milisy Janjaweed mpomba ny governemanta Sodaney

Japana: Famonoana Voafonja Telo Tamin'ny 23 Aogositra

  13 Septambra 2018

"Tena mampangovitra ny mahita fa ny fanapahankevitra farany ny amin'ny hoe rahoviana, sy raha toa hotanterahana ny famonoana ho faty an'ireo voaheloka, dia tsy aiza fa eo ampelatanan'ny olomboafidy ara-politika iray"

Maoritania: Fanonganam-panjakana

  12 Septambra 2018

Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera.