Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Septambra, 2016
Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy

Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono, no nanondraka solika 'acétone' tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky izy avy eo. Andro vitsy taorian'izay, maty noho ireo ratra nahazo azy izy.
Zazavavikely Iray 10 Taona Mandresy Lahatra ireo Hery Tandrefana Momba Ny Fandriampahalemana Ao Yemen
Ankizy avokoa ny ampaha-efatr'ireo sivily maty tamin'ny ady tao Yemen.
Manome Antony Tsara Ho An'ireo Japoney Mba Hanoratra Amin'ny Media Sosialy Ny Fiandohan'ny Fararano
Ilay fotoana isantaona rehefa mameno ny Twitter ao Japàna ireo sarinà voninkazo, sakafo, ary saka.
Iron Maiden Sy Ny Hira Vakodrazana Tiorka? Izany No Nanainga Ny Fanahin'ity Kretàna Mpanao Mozika Ity
Ny nosy Krety dia sampanan-dàlana ho an'ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana. Eny no ahitan'ilay mpanao Mozika Stelios Petrakis ny aingam-panahiny.
Manoatra Lavitra Noho Ny Lemaka Maitso Any an-Tendrombohitra Ireo ‘Jailoos’ Ao Kyrgyzystan
Tonga soa eto amin'ny toerana iray mahagaga izay andanian'ny vahoaka marobe ao amin'ny firenena iray ao Azia Afovoany ny fahavaratr'izy ireo.
Filoha Ganeana, Manome Toky Tsy Hanapaka Ny Media Sosialy Mandritry Ny Fifidianana

Nanome toky ny firenena ny Filoha Ganeana, John Mahama, fa tsy hisy fanakatonana media sosialy mandritra ireo fifidianana hatao amin'ny 7 Desambra.
Misy Mampianatra Any Ambanivohitr'i Kolombià Mitondra Eo Ambonina Ampondra Roa Mivezivezy Manome Tranomboky Mandehandeha Ho an'ny Ankizy
Indray andro, nanapaka hevitra i Luis ny hampibaby ireo ampondra roa, Afla sy Beto, amin'ny boky ary nitondra azy ireo mba ho any amin'ny faritra lavitra ho an'ireo ankizy tsy afaka mahazo azy ireo raha tsy izany
Septambra Izao, Izay Midika Fa Fotoan'ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko

Mampiasa rindrambaiko maimaimpoana sy ampiasàna loharano misokatra ve ianao?
Mampiharihary Ny Fankahalàna Vahiny Ananan'ireo Japoney ny Firotsahana Feno Fanantenan'ilay Japoney-Taioanezy Ho Mpitarika
Mila mandresy lahatra olona maro i Renho fa izy sy ny Antoko Demokratika vao noforonina dia 'Japoney ampy tsara' raha mandresy amin'ny fanendrena mpitarika amin'ny herinandro manaraka eo izy.
Filipiana Mpanjono Miady Mafy Ny Helodrano Mba Hiarovana Ny Fonenany Tsy Hiharan'ny Famotehana Sy Fakàna Tany
"Ireo razambenay no teto taloha, 150 taona lasa izay. Izy ireo irery no olona voalohany izay nanadio sy namolaka ny faritra. Ankehitriny, tonga tampoka ny "mpanambola" goavana iray mitady ny fialànay eto amin'ny tany izay nahalehibe anay"