Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

imanoela fifaliana · Marsa, 2019

imailaka imanoela fifaliana

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Marsa, 2019

26 Marsa 2019

Luis Carlos Díaz, Mpanao Gazety Sady Mpiaro Ny Zon'olombelona Notazonin'ny Hery Fiarovam-panjakana Ao Venezoelà

GV Mpisolovava

Taorian'ireo ora maro nanginan'ireo manampahefana, voamarina fa nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana avy amin'ny polisy Bolivariàna(SEBIN) i Díaz.

Fiasa Vaovao: Lisitra Fanamarinana Taorian'ny Namoahana ny Lahatsoratra!

Blaogim-Piarahamonina GV

Lahatsoratra matselaka ity mba hanehoana ny fomba fiasa vaovao nampiana tao amin'ireo tranonkala GV mampiasa WordPress: Fankatoavana Lahatsoratra! Jereo ny fomba entin'ilay rafitra vaovao hiantoka ny hahatsara kokoa ireo fomba fikirakiràna lahatsoratra.

17 Marsa 2019

Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’

Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.

Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!

GV Mpisolovava

Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa...

13 Marsa 2019

Fetiben'ny Blaogy: Tia ny Aterineto ve ianao?

Asainay ianao hanoratra na handrakitra anaty lahatsary ny taratasim-pitiavana iray ho an'ny aterineto, hisaintsaina mikasika ny toetrany ankehitriny, ary indrindra indrindra, hizara ny eritreritrao sy vaovao momba ny fampiasana, toetra sy fiarovana ny aterineto.

12 Marsa 2019

Mozambika: Adihevitra mikasika ny fanoratana anarana amin'ny karatra SIM

GV Mpisolovava

Fotoana fohy taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Septambra tany Maputo nokarakaraina tamin'ny alalan'ny SMS, navoakan'ny governemanta Mozambikana ny didy Ministerialy manery ireo mpampiasa finday naloa mialoha tao amin'ireo tambajotra nasionaly roa mba hanoratra ireo karatra SIM-ny ao anatin'ny iray volana. Hetsi-panoherana sy fitaredretra be loatra miohatra amin'izay takian'ilay lalàna no naterak'ilay dingana.

Julian Assange mikasika ny Fiandrianana sy Fanarahamaso Niomerika, Tao amin'ny #NETmundial2014

GV Mpisolovava

Nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jacob Appelbaum, Sérgio Amadeu sy ireo mpitarika maro hafa ao amin'ny sehatry ny fandriampahalemana sy fiarovana ny fiainana manokana niomerika, nieritreritra ''fitsinjaram-pahefana'' tarihan'olontsotra i Assange.

10 Marsa 2019

Norvezy: Ny Soritra Anaty Aterineto Momba ny Mpamono Faobe Iray

Mbola nanohy hatrany nikaroka ireo soritra rehetra tety anatin'ny tambajotran-tserasera mikasika an'i Anders Behring Breivik, ilay lehilahy ahiana ho mpamono, ireo blaogera sy mpanao gazety tany Norvezy sy tany ivelany, izay manantena fa hanampy amin'ny fanazavana ny hetsiny tamin'ny Zoma 22 Jolay 2011 izany.

Izay Nampianarin'ireo ‘Tatin-jaza’ Ahy Mikasika An'i Eoropa

Ny Tetezana - The Bridge

"Miaraka amina fidirana tsy misy teritery amin'ny aterineto sy amin'ny fampahalalam-baovao, nifoha ny saina tia manadihady tao anatiko ary nanomboka nihevitra an'ireo tsy mampiasa afa-tsy fisaina roa fototra, toy ny "mandroso" sy "efa lany andro", ka mamerina manadihady indray ny politika ao Tiorkmenistana sy any Andrefana."

07 Marsa 2019

Fandalinana vaovao: Ahoana ny Hitahirizana ny Vaovao Mahakasika ny Daholobe Amin'ny Vanim-potoanan'ny Angondrakitra Habeas

GV Mpisolovava

Raha toa ka mihamalalaka hatrany ny fidirana amin'ireo vaovao mikasika ny vahoaka, ahoana no tokony hitantanana ireo antontan-taratasy ireo? Fanontaniana toy izany no apetrak'ireo mpisolovava ao Amerika Latina, mpitarika iraisam-pirenena momba ny zo hahazo vaovao mahakasika ny daholobe.