Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: lahatsoratr anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008)
Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny “S” io – sahala amin'ny ao anatin'ny hoe “Obama dia Sosialista”. Matetika izy io arahin'ny teny tsy azo ialàna E (sahala amin'ny hoe “Eoropa”), tahaka izay nolazain'i McCain izy tenany ihany: “Fara faharatsiny, ao Eoropa, ireo sosialista mpitondra izay tena mankasitraka ny mpifanandrina amiko dia mampiseho ampahatsorana an'ireo tanjony.”
Inona no eritreretin'ireo Eoropeana amin'ireo fanehoankevitra farany nataon'ilay Kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena?
Guillemette Faure, vehivavy blaogera frantsay iray, teo amin'ny rue89, faly fa tsy gaga:
Io no teny mandratra farany tamin'ny fampielezankevitra. “Fara faharatsiny, ao Eoropa, ireo sosialista mpitondra izay tena mankasitraka ny mpifanandrina amiko dia mampiseho ampahatsorana an'ireo tanjony”, hoy ny filazan'i John McCain tamin'ny famoriambahoaka. Mariho ireo famelezana roa indray nitranga: Obama sosialista + Obama tohanan'ny avy any ivelany […] Nahita fiarovantena i Obama: “niantso i Warren Buffet (ilay mpanapitrisa) mba hampandany ahy, Colin Powell ihany koa ary i John McCain mihevitra fa manaraka ny sosialisma aho”.
Manazava i Alex Engwete (Etiopia) fa matetika mitranga ao Etazonia ny fifangaroana misy eo amin'ny kaominisma sy ny sosialisma:
Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy ireto antony manaraka ireto (tsy dia nahomby mazava ho azy): 1) tsy sosialista i Sarkozy, sady tsy kaominista ihany koa ; 2) mametraka ny fakàna ireo fitaovana famokarana ho lasa fananan'ny fanjakana ny kaominisma
Nathalie Mattheiem, vehivavy blaogera eo amin'ny americana, mihevitra fa ny fitiavana izay vao avy foy ho an'ny teny misy S dia marika iray fa ny teny misy T (toy ny “Terorista – mpampihorohoro”) mbola tsy tena mahazo laka ary mamintina izy fa ny teny misy S mety tsy hitondra zavatra tsara ho an'i McCain ihany koa :
marika iray, angamba hoe tsy nitondra izay vokatra nandrandraina taminy hamelezana an'i Barack Obama ny fiampangana azy ho “nifankazatra tamin'ny mpampihorohoro” ? […] Ao anatin'ny krizy ara-toekarena, ho tena hihoronkoditra ve ireo Amerikana (izay manodidina ny 45 000 dolara ny salan'ny vola miditra amin'ny ankapobeny) noho ny sosokevitra izay mikendry ny hampidinana ny hetra ho an'ny ankamaroan'izy ireo, raha iverenana ireo taha nandritra ireo taona nitondran'i Clinton , fampandoavana hetra 1,5% an'ireo tokantrano izay manambara ny vola miditra aminy ho mihoatra ny ampahefatra tapitrisa dolara?
Manamarika lavidavitra kokoa i Mattheiem:
“ny kandidà iray izay afaka “mihanihany” fa ny harena dia manomboka amin'ny 5 tapitrisa dolara dia mety tsy hanana fijery mazava tsara momba an'i Amerika “antonontonony”.
Claire, izay manao blaogy avy any Alemaina eo amin'ny cheeseburger and sauerkraut, maniry ny hanazava ny angano sosialisma ao Eoropa (teny anglisy):
I Alemaina, mifanohitra amin'izay toa hinoan'ny maro, dia TSY firenena sosialista. Tena tsy hitako mihitsy hoe nahoana io angano io no mitohy misy foana.
- Tsy misy ny fandrakofana ara-pahasalamana iraisan'ny rehetra ao Alemaina. Didian'ny Fanjakana ho tsy maintsy atao ny antoka-ara-pahasalamana, saingy tsy tohanany ara-bola izany. Tsy aloan'ny Fanjakana amiko ny fiantohana ara-pahasalamana, ahy, na ny an'ny rafozako, na ny an'ireo namako, sy ny sisa… Raha ny marina, mandoa 50% amin'ny fiantohana ara-pahasalamako aho ary ny mpampiasa ahy no mandoa ny 50%. Azoko omena ho porofo ny taratasy fandraisako karama. Ny fiantohana ara-pahasalamana ho an'ireo tsy miasa ihany no tohanan'ny Fanjakana ara-bola.
- Tsy tompon'ireo fitaovana famokarana ao Alemaina ny Fanjakana. Toe karena iray mifototra amin'ny fifanakalozana ara-barotra malalaka i Alemaina.
- Misy ireo fitsipika sasantsasany, tahaka izay mikasika an'ireo banky sy ny angovo. Mba hiantohana fa tsy ho voasoloky ireo mpanjifa.
- Arovan'ny Lalàmpanorenana Alemàna ireo fahalalahana maneho hevitra sy ny fanaovana gazety.
Ho famaranana, manazava i Alexandre Vatimbella tao anatin'ny Le centrisme (Frantsa), fa na i McCain na i Obama dia samy tsy hiditra velively ao anatin'ny rafitra misy an'ireo antoko ankavia na ankavanana ao Frantsa:
Na izany aza, na dia teo aza ny vokatry ny fifanenjanana sy ireo levilevy teny an-tsehatra’, John McCain ary, indrindra indrindra, Barack Obama, dia samy tena centristes avokoa […] ao Frantsa, tsy hahazo karatra avy amin'ny Antoko sosialista i Barack Obama (izay miahiahy azy avokoa ireo tomponandraikitra ao, toa an'ireo kandidà demokraty rehetra tsy dia ankavia loatra raha ny hevitr'izy ireo, afa-tsy i George McGovern tamin'ny taona 1972, tsy isalasalàna, izay voafafan'i Richard Nixon), na amin'ny UMP (izay, ireo tomponandraikitra ao dia manana fironana mahatezitra manohana an'ireo Demokraty kokoa fa tsy ireo Repoblikana, izay mazava tsara anefa fa akaiky kokoa ny hevitra politikan'izy ireo).
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...