Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jona, 2018
Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953
Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.
Ny Loka Blaogy Tsara indrindra Avy Amin'ny DW
''...Nohazavain'ireo mpitsara ny antony nisafidianany ireo blaogy manokana isaky ny sokajy tsirairay avy. Nisy fotana natokana ho an'ny fanontaniana sy valiny rehetra ihany koa tao.''
Shina: Lahatsary Nivoaka Maneho ny Fifandonana Teo Amin'ny Polisy sy Mpianatra Tao Jiangxi
Niely tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny ekipana polisy roa arivo sy miaramila mankany am-pianarana, miditra, misava ny trano fandrian'ny kilasimandry, mandroaka ireo mpianatra ary manafika azy ireo
CLC 2014: Manao Sora-miafina Ho An'ireo Teny Tsy Hita Loatra Amin'ny Aterineto
Te-hanome fitaovana ho an'ireo teny tsy hita loatra ny CIDLeS, oniversitem-pahavaratra 2014 ''Manao sora-miafina ho an'ireo fiarahamonin'ny fiteny'' mba hanehoan'izy ireo hevitra amin'ny Aterineto.
Ny Kiakiak'i Gaza Manako Anaty Tontolo Iray Mangina
'Fantatro teo amin'ny sary fa iray tamin'ireo ankizy nijery ahy nanao hosodoko ny andro talohan'io izy. Nanontany ahy izy raha nahita olona aho, tsia hoy aho, ary avy eo lasa izy. Maty izy ankehitriny .''
Manenona Tranonkala ny Vehivavy: Tantaran'ny Teknolojia Erantany
Namolavola tetikasa vaovao hahitana ny fanamby atrehin'ny vehivavy manerana ny tany ny World Pulse rehefa mikasika ny teknolojia izany - ary ny fomba fampiasan'izy ireo ny fitaovana niomerika mba hanovana ny fiarahamoniny. Zarao miaraka amin-dry zareo ny tantaranao!
Famoahana Ireo Fitaovana video4change Vaovao
Mpikatroka Lahatsary na olompirenena mpanao gazety mikaroka tahirin-kevitra momba izay mitranga manodidina anao ve ianao? Ity lahatsoratra ity dia manangona ireo loharano malalaka, vaovao ary ireo torolàlana mikasika ny lahatsary fanaovana fanadihadiana - ireo rehetra ireo dia azo alaina amin'ny fiteny Anglisy, Arabo ary Birmana avokoa.
Taridàlana Asongadina: Fitaovana ho an'ny Fisoloana vava Ara-piarahamonina
Ho famaranana vao haingana ny Google Internet tao amin'ny fivorian'ny Liberty 2012, namoaka fitaovana ahitàna taridàlana 11 momba ny fisoloana vava eo amin'ny lafiny fiarahamonina sy pôlitika ny Socialbrite.org. Kendrena ho teboka fanombohana tsara ho an'ireo mpikatroka mafana fo, ireo mpiasa ho an'ny fanovàna sy ireo mpitolona ho an'ny fanavaozana ara-pôlitika ireo taridàlana ireo, ary hanampy azy ireo hianatra paikady ho anà hetsipanentanana mahomby.
Sakafo: Loharanon-kery ao Nablus
Liana amin'ny Sakafo Levantina sy Palestiniana? Mikarakara fampianarana sakafo ao aminà ivontoeram-behivavy ao an-toerana ny Bait al Karama, miasa ho toy ny orinasa misahana ny fiarahamonina ary mikendry ny hampiroborobo ny lova ara-tsakafo sy ara-kanton'i Palestina.
Etazonia: Al Jazira, voasivana?
''Tamin'ny 2005, rehefa nizara ny fikasany hanangana fantsona amin'ny teny anglisy ny Al Jazira, sady nahazo fanohanana no hetsika fanoherana tany Etazonia ny fanambaràny. ''