Imanoela Fifaliana · Jona, 2012

Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jona, 2012

Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine

Tena avo dia avo ny fifanoherana any amin'ny faritra Rakhine any Myanmar taorian'ireo andiana loza mahery setra. Nokianin'ny mponin'ny aterineto ny vaovao Tandrefana 'tsy mitombina' izay nanazava ny fitohizan'ny fifanoherana eo amin'ireo vondrom-poko eo amin'ny firenena.

28 Jona 2012

Ejipta: Tsia, Tsy Mbola Vita ny Revolisiona

Nitodika tany amin'ny Ejipta indray ny mason'izao tontolo izao tamin'ny 23 sy 24 May, noho ity firenena ity hanao ny fifidianana filoham-pirenena voalohany taorian'ny firohotam-bahoaka izay nanàla an'i Hosni Mubarak herintaona sy tapany lasa izay.

10 Jona 2012

Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?

Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.

03 Jona 2012