Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

imanoela fifaliana · Mey, 2019

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Mey, 2019

Afovoany – Atsinanana : Isiraely sy ny Fampiasana Fôsfôra Fotsy ao Gaza

Nihorohoro ireo mpijery fahitalavitra manerantany nahta ireo sary mampihoronkoditry ny niharan-doza tao Gaza - ny sasantsasany tamin'izy ireo dia nanjary ratsy endrika efa mila tsy ho fantatra intsony. Miantso an'i Isiraely ny ONG iraisam-pirenena mpiaro zon'olombelona Human Rights Watch, mba hamarana ny fampiasana tsy ara-dalàna fôsfôra fotsyamin'ny adiny amin'i Gazà.

Ejipte-Gaza : Rafah, lafy ejiptiàna

Mijere ao ivelany. MITSIKY AMINAO ny F-16. Mandihy ho anao ireo BALAFOMANGA. Mihira ho anao ZANNANA, satria samy nasaiko DAHOLO ry zareo mba hirary * TAONA VAOVAO IRAY SAMBATRA ho anao

Indonezia, mampiroborobo ny bilaogy tsara, imailaka feno fankahalàna ary ny Lokan'ny Biloagy Azia Blog Awards …………………. Fampitomboan'i Indonezia An'ireo Blaogy Tsara, Ireo Imailaka Mifono Fankahalàna Ary Ireo Blaogy Fanolorana An'i Azia

Tao anatin'ireo taona roa farany, vavolombelon'ny firoboroboana tsy mitsahatra sy mahavelom-panantenan''ireo blaogy tsara sy ireo blaogera tsara kalitao. Ny anton'io, amin'ny ankamaroany, dia nohon'ny fitobak'ireo manampahaizana, mpanoratra ary mpanao gazety Indoneziana izay manomboka mampiseho ny fahalinan-dry zareo amin'ny blaogy.

Maninona ireo bilaogera no loza mitatao ho an'ny governemanta etiopiàna

"Ny loza mitatao hita vatana amin'ireo Etiopiàna bilaogera sy mpanao gazety ary fanahy malalaka hafa dia noho izy ireo mampiditra hevitra radikaly tena vaovao be, hoe firenena iray malalaka kokoa, demaokratika kokoa."

Azerbaijan: Mpikatroky ny N!DA miatrika famonjàna 6-8 taona

Araka ny ilazàn'ny mpanao gazety iray azy, "notsaraina ho meloka noho ny faharanitantsaina, ny fahaizana, ny fahasahiana ary ny fahamendrehany," ireo mpikambana avy ao anatin'ilay vondrona mpikatroka sangany ety anaty tambajotra

‘Ireo Feo Ho An'ny Fiovaovàn'ny Toetrandro’ ao Jamaika, mozika no fitaovany hanelezana ny hafany

ONG iray mitsinjo lavitra mampiroborobo ireo fomba fanao voalanjalanja tsara hiarovana ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara ny mpanakanto ao anatin'ny fanentanana manakaiky vahoaka iresahana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Ny Tontolon'ny Blaogy Siriana Tao anatin'ny Herinandro

Samy nanana ireo lohahevitra maro mahaliana noresahiny indray ireo blaogera tao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana tamin'ity herinandro ity.

Raharaha goavana momba ny zava-mahadomelina, Manasongadina ny fomba fanao feno fahendrena an'ny polisy ambony ao Trinidad & Tobago

"Na dia maniry ny mifanohitra amin'izany aza isika, tsy valin'ireo valimbavaka ho antsika i Gary Griffith fa fambaran'ny tsy fahombiazantsika."

Tatitra Netizen: Manamafy Ny Fanarahamaso Vaovao Amin'ny Anaran'ny Fiarovana Nasionaly Ny Manampahefana Rosiana

Voatafika tao Makassar, Indonezia ny mpanoratra iray ato amin'ny Global Voices, manohy manenjika ireo mpampiasa tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny lalàna mifehy ny heloka an-tserasera i Tanzania, ary Tapahan'i Singapaoro ny fidirana amin'ny Aterineto ho an'ireo mpiasam-panjakana

Hizara ny feon'ireo 50 mpikatroka ara-niomerika ho an'ny tenim-pirenena teratany ny hetsi-panentanana Twitter miodina mandritra ny taona iray

Midira ao amin'ny Rising Voices satria mankalaza ny fahamaroana ara-teny mandritra ny Taona Iraisam-pirenena Natokana Ho An'ny Tenim-pirenena Teratany isika, miaraka amin'ny hetsi-panentanana Twitter izay mampitombo ny traikefan'ireo mpikatroka ara-niomerika ho an'ireo tenim-pirenena teratany any Amerika Latina.