Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jolay, 2021
Mihoatra lavitra noho ny fanalàna ny fahirano amerikàna no tadiavin'ireo Kiobàna
"Sahiko ny milaza fa miatrika ny olana ratsy indrindra tao anatin'ny tantarany i Kiobà izao, lasa olana amin'ny maha-olombelona tsy misy hafa amin'ilay nodiavin'i Venezoelà tato anatin'ny taona vitsivitsy."
Nisafaoka tamin'ny fanamavoan'ny vondrona fototra iraisampirenena ny CARICOM, raha i Haiti nametraka praiminisitra vaovao
Fanamarihana marikivy avy amin'ny CARICOM no nitsena ny antso iray nataon'ny vondrona iraisampirenena ho an'ilay praiminisitra voatendrin'i Jovenel Moïse mba hananganana “governemantan'ny marimaritra iraisana sy iarahan'ny rehetra ”, saingy tafapetraka ihany moa izy.
Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka
Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisoro, izay voarara ao Môzambika..
Tiorkia, ankizivavy 13 taona manao fanamby amin'ireo fitsaratsaram-poana amin'ny atletisma
Ankizivavy 13 taona mpillao handball avy ao Şanlıurfa, faritany atsimo-atsinanan'i Tiorkia, mandrisika ny fanohanana ny fandraisana anjaran'ireo ankizivavy ao an-tanàna sy manerana ny firenena
Niala tamin'ny fomba ofisialy tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul i Tiorkia. Mihetsika ny vehivavy manerana ny firenena
An'arivony maro ireo vehivavy nanao diabe namakivaky ireo tanàna lehibe indrindra ao Tiorkia ny 1 Jolay teo, hanohitra ny fisintahan'i Tiorkia tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul.
Elsa, ny tafiotra goavana voalohany ho an'ny vanimpotoanan'ny taona 2021, mamely an'i Karaiba
Miaraka amin'ny fiakaran'ny rano tampoka, nt hazo tapakan ny faharavan'ny trano sy ireo toeram-ponenana mijoalajoala, tabataba mangeroka no entin'i Elsa manambara ny fahatongavan'ny vanimpotoanan'ny tafiotra amin'ity taona ity