Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto
Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Miala Tsiny Fa Tsy Miteny Anglisy Aho. Sary no Teniko
''Tsy misy zavatra tsy azo halaina sary, tsy misy zavatra tsy afaka manamarina ny tsy hitantarana tantara vaovao.''
Pakistana: Parachinar, ilay paradisa lasa helo
Foiben-toeran'ny Masoivohon'i Kurram ao amin'ny Faritra ara-poko tantanana amin'ny fomba federaly ao Pakistana i Parachinar. Ankehitriny, azon'ireo talibana mpikomy ilay tanàna izay hampanjakany ny tahotra ka hanereny ny mponina hiala ao.
Azerbaijan : Miverina amin'ilay famonoana nitranga tao amin'ny Ivontoeran'ny Solitany
''Tena ela fiparitahana [tao Azerbaijan] ny vaovao mikasika ilay loza nitranga tao Bakou tamin'ny faran'ny volana lasa teo, ary fanontaniana maro no mbola tsy misy valiny. ... Azo antoka fa tamin'ny marainan'ny 30 aprily 2009, olona 13 no maty nandritra ny fitifirana nahafaty tao amin'ny Ivontoeran'ny solintany azery (Azerbaidjan State Oil Academy)..
Kambodza : Mety hisintona ny raharaham-pitsarany ifanolanany amin'ny Praiminisitra ny vehivavy iray solombavambahoaka sady mpikatroka
Mety hosintonin-dRtoa Mu Sochua ny fitoriany ny Praiminisitra Hun Sen noho ny antony hoe any am-paosin'ity farany daholo ireo mpitsara maro eo anivon'ny fitsarana.
Kazakhstan : Mandamina ny adiny ny vinantolahy taloha an'ny Filoha
Mikikitra amin'ny fanamboarana endrika ''demokraty'' amin'ny famoahana vaovao manala baraka ireo manamboninahitra ambony ao amin'ny firenena i Rakhat Aliev, vinantolahy taloha an'ny Filoha.
Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?
Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.
Nepal/ Grande-Bretagne : Ireo Ghurkas, tantara lavabe mahakasika ny fanavakavahana
''Efa ho taonjato roa izay no manompo ny mpanjakavavy sy i Angletera ireo Ghurkas, araka ny iantsoana ireo tanora Nepaley mirotsaka ao amin'ny tafika britanika. Tsy dia tena rariny anefa ny nataon'ny fanjakana britanika raha ny resaka fanomezam-boninahitra noho ny firotsahany sy ny sorona nataon'izy ireo.''
Indonezia : Ady manodidina ny fanànana ara-tsaina
Niongana nankany amin'ny lisitra maintin'ireo firenena voaara-maso amin'ny fandikan-dalàna mikasika ny zon'ny fananana ara-tsaina napetrak'i Amerika i Indonezia.
Japana: Ndeha ho any an-tsaha daholo ry tanora ! Ny fiovan'ny fambolena japoney
Raha toa ka tena milentika be ny toekarena, mitady ny hanao fangatahana mpiasam-pambolena bebe kokoa ny fanjakana ho toy ny valin'ny tsy fananana asa tsy mitsahatra mitombo, indrindra ho an'ireo manao asa an-tselika izay nofoanana ny fifanarahan'asany [amin'ny teny frantsay].