Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Febroary, 2013
Mpanao Politika Laika Nisy Namono, Nipoaka Ny Fanoherana Manerana An'i Tonizia
Fanoherana maro no nipoaka tao Tonizia taorian'ny namonoan'ny sasany an'ilay mpitarika mpanohitra Chokri Belaid. Nisy nitifitra ka maty nanoloana ny tranony vao marainan'ny 6 Febroary 2013 i Belaid.
Aostralia: Mitaky Ny Zo Amin'ny Fampinonona Zaza Eny Imasom-bahoaka Ireo Mpomba Ny Fampinonoan-dreny
Any Aostralia, naka ireo filazam-baovao sy ny arabe ireo mpomba ny fampinonoan-dreny mba hiarovana ny zo fahafahana mampinono ny zaza eny imasom-bahoaka. Fihetsiketsehana indroa miantaona no natao taorian'ny fandroahana an-dRamatoa Liana Webster, reny iray nampinono taminà toerana misy dobo filomanosana ho an'ny daholobe, ny 12 Janoary 2013.
Kiobàna Mpamokatra Sarimehitsika : Mandray An-Tànana ireo Teknolojia Nomerika
Any Kiobà, efa manomboka mandray an-tànana ireo teknolojia vaovao ireo mpamokatra sarimihetsika sy ireo tale taty aoriana, izany dia mba hampihenàna ny fandaniana amin'ny famokarana ireo antsoina hoe 'effets audiovisuels' sy hitantarana ireo tantara izay mbola tsy niseho masoandro mihitsy.
Tafiditra Ao Amin'ireo Anjerimanontolo Rosiana Ankehitriny Ve Ny Hetsika Tamin'ny 1968?
Ny volana lasa teo, ny 18 Desambra, nanomboka nanao fitokonana sy nanakana ny fidirana amin'ny vavravara-ben'ny Anjerimanontolo ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana momba ny varotra sy ny toekarena (RSUTE). Ny fifandroritan-kevitra dia mikasika an'i Sergei Baburin, rektoran'ny Oniversite, izay nesorina tamin'ny asany vao tsy ela akory ary nifangaroan'ny asa naha tompon'andraikitra azy tao amin'ny akademia tamin'ireo tantaran'ny lavabe naha mpanao politika azy.