(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)
Manambara ny famonoana voafonja telo tao Japana i Adamu, avy amin'ny blaogy Mutant Frog Travelogue [Angl], voafonja niandry ny fanambaràna izay hiafaràny tao amin'ny lalantsaran'ny fahafatesana: “Tena mampangovitra ny mahita fa ny fanapahankevitra farany ny amin'ny hoe rahoviana, sy raha toa hotanterahana ny famonoana ho faty an'ireo voaheloka, dia tsy aiza fa eo ampelatanan'ny olomboafidy ara-politika iray […] izay tsy voatery hanaraka dingana ofisialy amin'ny fankatoavana ary fanampin'izany, tsy nisy filazana mialoha mihitsy mba nomena an'ireo olom-pirenena, ireo niharany, ny voafonja ary ny fianakaviany” (jereo koa mikasika ity olana ity ny lahatsoratra iray amin'ny antsipirihany ao amin'ny vohikala Asia Death Penalty [En)