Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jolay, 2012
Zava-Nahagaga Kely tamin'ny Fifidianana Parlemantera tany Timor Atsinanana
Nanatontosa ny fifidianana parlemanterany tamin'ny 7 Jolay ny tany Timor Atsinanana. Ambany ny taha-pandraisan'anjara tamin'ity taona ity fa mba tsy nisy kosa aloha na izany aza ny tranga goavana nahitana herisetra sy hosoka amin'ny hala-bato. Nampiasa ny tenifototra #eleisaun2012 sy #timorelections ny mponina amin'ny aterineto hizarana ny vaovao mikasika ny fifidianana.
Mifidy Izay ho Filoham-pireneny Manaraka ny Meksikana
Nandeha tany amin'ny birao fandatsaham-bato ny Meksikana tamin'ny 1 Jolay hanao ny fifidianana ny ho filoham-pireneny. Nanomboka nizara ny heviny sy ny traikefany ihany koa ireo mponin'ny aterineto raha vao nisokatra ny birao fandatsaham-bato. Nikarakara tranokala sy tenifototra ihany koa izy ireo hanangonana ireo tatitra mikasika ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna hafa.
Pôrtô Rikô: Niteraka Korontana Ny Fitsarana Ny Raharahan'i Francheska Duarte
Nodonin'ny sakaizany taloha tamin'ny fiara ary navelany tany amin'ny toby fitsaboana vonjimaika ilay vehivavy renim-pianakaviana antsoina hoe Francheska Duarte. Ilay mpitsara nomena andraikitra hitsara io raharaha io, dia nahita fa tsy heloka bevava no azo anamelohana an'i Jorge Ramos, sakaizan'i Francheska taloha fa nohon'ny tsy fikarakarana ilay marary fotsiny ihany. Niteraka korontana tao amin'ilay nosy io didim-pitsaràna io .
Bengladesy: Mampianatra ny Zaza Madinika Hiteny Teny Vahiny sy Handainga Ve Ny Sarimiaina?
Niteraka adihevitra tany Bengladesy ny sarimiaina nalefan'ny Fantsom-pahitalavitra Disney India. Maro no mitaraina fa manosika ny zaza hianatra ny teny Hindi an'ny tany mifanila vodirindrina amin'i Inde, ity sarimiaina ity, ary mahatonga azy ireo handainga ny fandefasana ela loatra ity fandaharana sarimiaina Japoney Doraemon ity.
Afrika: Fankalazana Ny Maha-Olombelona Amin'ny Alalan'ny Sary Sy Lahatsary
Nanjary lasa niparitaka be ny lahatsoratra manazava sary 21 izay mamerina indray ny maha-olombelona. Indrisy anefa, tsy tao anatin'izy ireo ny Afrikana sy i Afrika. Nefa tsy ny fijoroana vavolombelona goavana amin'ny fisian'ny toe-panahy maha-olona avy amin'ny kaontinanta Afrikana akory no tsy misy. Ireto misy sary vitsy sy lahatsary izay maneho fa, 'Manana Fo ihany koa i Afrika'.
Pakistana: Iza No Namono An'i Ghazala Javed, ilay Mpihira Teratany Pakistane Fanta-daza?
Nisy nitifitra tao an-tananan'i Peshwar i Ghazala Jawad, mpihira fanta-daza iray teratany Pakistane. Tsy fantatra mihitsy ny mombamomba ilay namono azy. Mety famonoana vokatry ny fahafaham-barakan'ny vadiny taloha ve izy io, noho izy tsy mankasitra azy hihira? Sa ve ny Talibana no nanao izany, noho izy nanohitra azy ireo hatrany tamin'ny asany?
Thailandy: Maty Tany Am-ponja Ilay Lahiantitra Voampanga Ho Naniratsira Fanjakàna
Notanana am-ponja nandritry ny 20 taona tao Thailand i Akong, lahiantitra iray 61 taona noho izy nandefa sms maro nambara ho naniratsira ny fianakavian'ny mpanjaka. Maty izy andro vitsivitsy taorian'izany. Nanakiana ny governemanta ny vondrona miaro ny zon'olombelona noho izy tsy nanaiky namotsotra an'i Akong izay voan'ny homamiadana.