Maoritania: Fanonganam-panjakana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008)

Miresaka ny fanonganam-panjakana izay nitranga tao Maoritania ny blaogera maoritaniana Rauf. Inty ny fandikàna nataon'ny solosaina ny zavatra nalefa teo amin'ny blaoginy:

Tamin'ny alarobia maraina, nandrenesana tifitra avy taminà fitaovam-piadiana mavesatra tao Nouakchott taorian'ny nandraisan'ny mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo toerana stratejika marobe tao an-drenivohitra Maoritaniàna, izay nitrangan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika, tamin'ny tsy naha-teo ny Filoham-pirenena, Maaouyia Ould Taya.

Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera, araka ity loharanom-baovao ity:

Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso, napetrak'izy ireo teny amin'ireo toerana stratejika tao an-drenivohitra avokoa ireo fiara mirongo fiadiana mavesatra sy ireo tafondro fiarovana ny habakabaka. Nanakoako ny tifitra in-dimy tamin'ireo fitaovana mavesatra tamin'ny 10: 15 alina teo ho eo, tsy lavitra ny afovoan-tananan'i Nouakchott, izay naha-foana tsikelikely an'ireo arabe, tsy hisy olona.

Tao an-drenivohitra, foana avokoa ireo tranobem-panjakana ary zara raha nisy fivezivezena tamin'ny faran'ny maraina, ireo mpandeha an-tongotra sy fiara vitsivitsy monja no teny an-dalambe.

Hanandrana hikaroka blaogera maoritaniana maro kokoa aho – manantena fa hanao tahaka izany koa ireo hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.