Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

imanoela fifaliana · Avrily, 2019

imailaka imanoela fifaliana

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Mandefa taratasy any amin'ny ICC (CPI) momba ny famonoana ireo mpitarika ara-tsosialy ireo Kolombiana mpikatroka

Mpitarika ara-tsosialy sy mpikatroka ara-piarahamonina mihoatra ny 163 no novonoina nandritra izay telo taona lasa izay tany Kolombia.

Lalàna 140: Fitsikilovana an'i Libanona

GV Mpisolovava

Manome antoka ny zo hanana tsiambaratelo amin'ny fampiasàna ireo fitaovana fifandraisana elektronika rehetra ny lalàna Libaney -- indrisy, matetika mandika izany lalàna izany ireo manampahefana.

Rosia: Hetsi-panoherana An-kerim-po sy ny Lalàna

Tamin'ny 17 Novambra 2006, nankatò volavolan-dalàna iray manafoana ny tahàm-pandraisana anjara farany ambany indrindra (20%) ho an'ireo fifidianana rehetra any Rosia ny Duma Rosiana. Androany, nanao sonia izany ho lalàna ny filoha Vladimir Putin.

Tatitry ny Mpisera : Poretin'i Etiopia ny fahalalahana maneho hevitra

GV Mpisolovava

Ny famoahana tamin'ny herinandro lasa dia mitodika voalohany indrindra amin'i Etiopia, avy eo any amin'ireo hetsipanoherana #LeyTelecom tao Meksika sy ny valinkafatr'ireo orinasa teknolojika rosiàna manoloana ireo fepetra vaovao momba ny bilaogy.

Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana

Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy

Afaka mampaniry nify ve ny NETmundial?

GV Mpisolovava

Hetsika tokana ny NETmundial, tsy misy rafitra ara-pitsarana izay manome fahalalana hanondro ny olona iray ho tomponandraikitr'izay vokatra aterany- ka inona ary no tena ataontsika rehetra eto?

29 Avrily 2019

Tantara iray avy amin'ny Global Voices manampy ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana fandikanteny amin'ny fanehoana ny firehetampony ho an'ny teny Tseky

Manolotra loka ho an'ny mpandresy manerantany tamin'ilay fifaninanana iraisam-pirenena nampiasàna tantara iray an'ny GV ho adika amin'ny teny Tseky

Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro

Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.

Ao amin'ny Saikinosin'i Sinai ao Ejipta, Tsy Mitsahatra Ireo Fahatapahan'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Satria nahatonga ireo mponina maro ho tsy tafiditra amin'ny Aterineto sy ny tolotra an-tariby intsony ny fampidirana ny Avaratr'i Sinai ambany fitantanan'ny tafika, miara-miasa ny mponina sasany mba hanenjehana eny amin'ny fitsaràna ireo mpamatsy tolotra an-tariby ary mangataka fiantohana tolotra.

Hitsidika an'i Makedonia Avaratra ny Papa François amin'ny volana Mey, fotoana fohy aorian'ny fifidianana filohampirenena

Voalohany hitsidihan'ny papa iray an'i Makedonia Avaratra izao.