Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Jona, 2015
Mampalahelo, Tena Mampalahelo Ny Toerana Misy Ny Rafi-Pitsaràna Ao India
Misy ny hoe mihisatra, mihisatra mangirifiry ary avy eo misy ny hoe rafi-pitsarana ao India
Mandehana Ao Ambadiky Ny Sehatra Miaraka Amin'i Chumel Torres, Valintenin'i Meksika Ho An'i John Oliver
Tsy mitsahatra ny mitombo be ny fijerena azy amin'ny fitarihana ireo tanora Meksikana, mosarenan'ny fitadiavana fitsaharana kely amin'ireo vaovao misy hanihany kely.
Antontan-taratasy Miisa 500,000 Izay Tsy Tian'ny Governemanta Saodiana Ho Hitan'ny Olom-pirenena Naporitsak'i Wikileaks
"Tsy faly ny fanjakana Saodiana ka tonga hatramin'ny fanakànana ny olom-pireneny mba tsy hiraharaha ilay alokà angon-drakitra, nanofahofa azy io ho toy ny asa mampidi-dozan'ireo "fahavalom-pirenena"
Noana Sady An-dàlana Ho Any An-tanànan'i Meksika? Mivingita ‘Harona Tacos ‘
Avy ao Meksika mankany amin'izao tontolo izao: "tacos de canasta" na "harona tacos". Na dia tsy ho ny tsiro tsara indrindra azza, matsiro tokoa ry zareo. Andeha isika hanopi-maso ny fikarakarana sy ny fitsinjaràn-dry zareo azy.
Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook
Amidy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny Facebook sy amidy an-tapitrisany maro any amin'ny varomaizina ireo vakoka fahinin'i Siria norobain'ny ISIS mpanara-maso ny faritra.
Ibrahim Sharif, Gadra Politika Bahraini Nafahana Rehefa “Nahavita Ny Saziny”
To anatin'ny tsy nampoizina tokoa, nafahan'i Bahrain i Ibrahim Sharif, politisiana nofonjaina tamin'ny Martsa 2011, taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanoherana ny governemanta. Miroso mankany amin'ny tena fanavaozana ve i Bahrain?
Alohan'ny Fifidianana Solombavambahoaka Saropady Ao Torkia, Manadihady Momba Ireo Fanambarana Ara-politika Ny Tranonkala Iray Mpanara-maso Ny Tena Zava-mitranga
Ny mpanao politika? Mandainga? Sanatria!
Mivondrona Aty Anaty Aterineto Ireo Fikambanana Indoneziana Hitaky Ny Rariny Mikasika Ny Famonoana Ilay Mahery Fon'ny Tontolo iainana
Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny Tantsambo Indoneziana iray, vondrona maromaro no nitambatra mba hanangana ny "Solidaritas4Jopi," ho fandisoana ny sahoan-dresaka milaza fa fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny nataon'ilay namono an'i Peranginangin
Fanentanana Haka Selfie Hampiroboroboana Ny Fifandeferan'ny Finoana Samihafa Sy Ny Fahasamihafàna Ara-Poko Ao Myanmar
"Sikh izy ary izaho Miozolmana. Nefa mpinamana izahay. Na dia manana izay mampiavaka anay aza izahay, mifampizara kosa ny fomba fijerysy ny finoana, manaiky sy manaja ny mari-panondroana ny tsirairay."
Atena Faraghdani, Nosazian'i Iràna Hifonja 12 Taona sy Tapany Noho Ny Resaka Sariitatra

Namoahan'ny Fitsarana Revolisionera ao Tehran sazy an-tranomaizina 12 taona sy tapany ilay sivily mpankanto sady mpikatroka mafàna fo, Atena Faraghdani, noho ireo sariitatra sy fanakianana ny governemanta navoakany tao amin'ny pejiny Facebook .