Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Marsa, 2012
Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy
Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny
Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid
Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.
Mitady Tonian-dahatsoratra Hitatitra Vaovao Avy Any Azia Afovoany
Mitady tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ny Global Voices (GV) mba hanara-maso ny fandrakofana an-gazety ny vaovao mitranga avy any Azia afovoany
Espaina: Mbola Mitohy Hatrany Ny Fanenjehana Ny Mpianatra Ao Valencia
Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana, dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo
Siria: Fanomezam-boninahitra Ilay Mpanao Gazety Teratany Amerikana Marie Colvin Namoy Ny Ainy Tao Homs
Maty tamin'ny herinandro lasa teo i Marie Colvin sy Rémi Olchik, raha nisy nanafika ny toerana vonjimaika natao ho ivon'ny haino aman-jery tao an-tananan'i Baba Amr, tao Homs, ao Syria.. Naneho fihetsika ho fanomezam-boninahitra azy ireo noho ny fahasahiany ny mponina amin'ny aterineto maneran-tany.
Kiobà: Naneho Hevitra Momba Ny Fahafatesanà Mpitokona Tsy Hihinan-kanina Ireo Mpitoraka Bilaogy
Andro nampahonena teo amin'ny tontolon'ny mpitoraka blaogy Kiobana tamin'izay, raha naharay vaovao ireo mpiondana aterineto mikasika ny nahafatesan'ilay [es] gadra politika antsoina hoe Wilman Villar Mendoza, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina tamin'ny volana novambra farany teo.
Thailandy: Voatsiny Noho Ny Tahan'ny Fitondrana Vohoky ny Tanora Ny Facebook
I Thailandy no manana taha ambony indrindra eo amin'ny tanora bevohoka erantany. Tombatombanana ho 120.000 isan-taona ireo tanora mitondra vohoka tsy nirina, ary toa hoe anisan'ny tompon'andraikitra mahatonga izany vohoka...