Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Mey, 2021
Sazy famonjàna dimy taona no arangarangan'ny manampahefana ao Hong Kong ho an'ireo izay manatrika ny fiaretantory fahatsiarovana ny Vonomoka tao Tiananmen
Nampitandrina ny birao fa araka ny didy fanapahana momba ny filaminam-bahoaka, ireo mandika lalàna dia hiatrika hatramin'ny sazy famonjàna mandritra ny dimy taona na herintaona noho ny fampielezany (fanaovany doka ho) an'ilay fiaretantory.
Lahatsarin'ny ‘Fanaka Kakoli’ nahatonga sary mahatsikaiky tao Bangladesh sy Bengal Andrefana
Nanjary zava-nanaitaitra tao Bangladesh sy Bengali Andrefana any India ny lahatsary dokambarotra iray tsy nandaniana vola firy zarazaraina ety anaty tambajotra sôsialy, andrenesana fehezanteny miverimberina misy teny enina hoe "Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli"
Tiorkia, fifaninanana henjana ho an'ny Netflix ny fisian'ilay lahatsary Youtube ana lehiben'ny Mafia
Anisan'ireo olona ambony lasibatr'ireo lahatsary Youtube nalefan'i Sedat Peker, ilay Tiorka lehiben'ny mafia mpanao heloka bevava voarindra, ny minisitry ny atitany sy ny vinantolahin'ny filoha Erdogan.
Manome toky hanatsara ny tontolo iasàn'ireo irakiraka mpanatitra entana i Shina. Mifanipaka amin'izany anefa ny fisamborany mpikatroka iray avy amin'ny sendikan'ny mpiasa
"Tany am-piandohan'ity taona ity, nosamborina ary nohelohina noho ny 'fandrantoana ady ' i Chen Guajiang, mpiasa mpanatitra entana nanampy tamin'ny fikarakaràna vondrona WeChat ampolony ho an'ireo mpamily". Fonja dimy taona no sazy miandry azy.