Pakistan: Horohorontany tany Baluchistan

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Ny Alarobia maraina, nanozongozona ny ampahany atsinanan'i Pakistana ny horohorontany tamin'ny maridrefy Richter 6.5. Ziarat, faritra saro-dalana any Baluchistan no faritra tena voakasika mafy. Niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 300, naratra an-jatony ary an'arivony tsy manan-kialofana lasa monina ankalamanjana ao anatin'ny ririnina mamirify izany.

Baithak nanamarika fa:

Pishin, Ziarat, Qila Abdullah, Chaman, Loralai, Sibbi, Mastung are badly hit areas. According to the geological survey of Pakistan, the epicenter of the quake was in Chiltan mountains. Ziarat is the worst hit area.

Pishin, Ziarat, Qila Abdullah, Chaman, Loralai, Sibbi, Mastung no faritra tena voa mafy. Araka ny fanadihadiana ara-jeolojika tao Pakistana, tany amin'ireo tendrombohitra Chiltan no foiben'ny horohorontany. Ziarat no faritra tena voakasika mafy.

Raha vantany vao namely ny faritra ny horohorontany, dia natsangana ny pejy Wiki, izay notantanin'ilay bilaogera malaza iFaqeer ao amin'ny Wiki Pakistan. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny CARE ny sarintany misy ny faritra voakasika.

Ity ny lahatsary misy ny horohorontany nampidirin'i pakirajput tao amin'ny Youtube:

Pakistaniat nanomboka tamin'ny lahatsoratra mampatahotra mizara ny zava-misy tamin'ny loza:

Officials are saying there were two tremors, striking at about 0409 and then 0510 PST followed by at least three aftershocks.

Milaza ny manampahefana fa nisy hovitrovitra roa, nihovitra teo amin'ny 04:09 ora ary avy eo tamin'ny 05:10 PST narahana fiverenana telo farafahakeliny.

Adnan nizara ny ahiahiny:

Things are not as good financially as they were in Oct 2005 but hopes are high and Insha Allah with help of (fellow) Pakistanis this disaster would be overcome. I can just hope all political parties, Lawyers, Army quit their personal differences for a moment and get ready to help victims. May Allah help us all and make us able to help others.

Tsy dia tsara ara-bola ny zava-drehetra tamin'ny volana oktobra 2005 saingy ambony ny fanantenana ary ho resy ity loza ity miaraka amin'i Insha Allah sy ny fanampian'ny (namana) Pakistaney. Afaka manantena aho fa ny antoko politika rehetra, ny mpisolovava, ny tafika dia samy hiala amin'ny disadisany manokana ary ho vonona hanampy ireo niharan-doza. Hanampy antsika anie i Allah ary hahatonga antsika hanampy ny hafa

Changing up Pakistan nizara fanehoan-kevitra:

Today, yet another tragedy has occurred, this time on the brink of a harsh winter. Mohammed Hashim, a resident in Wam, one of the hardest hit villages, told the AFP, “We are doomed…We have nothing left to save our families from the cold in the night.” [..] Many of the residents had spent “the day in a desperate search for loved ones or burying the dead in mass graves, as aftershocks nearly as big as the initial quake pounded the landscape, sending rocks spewing from nearby peaks and sparking fresh panic.”

Mbola nisy loza hafa nitranga androany, tao anatin'ny ririnina henjana tamin'ity indray mitoraka ity. Nilaza tamin'ny AFP i Mohammed Hashim, mponina ao Wam, iray amin'ireo tanàna voa mafy indrindra hoe: “Rava izahay … Tsy manana na inona na inona tavela izahay mba hamonjena ny fianakavianay amin'ny hatsiaka amin'ny alina.” [..] Maro tamin'ireo mponina no nandany “andro nikaroka ireo havan-tiana na nandevina ireo maty tamin'ny fasana faobe, namely ny tanàna ny fiverenan'ny horohorontany izay saika goavana noho ny horohorontany tany am-boalohany, ka namoaka ireo vato hiparitaka amin'ireo tendro mpifanolo-bodirindrina sy niteraka tahotra vaovao indray.”

Lahore Metblogs nilaza momba ny fiverenan'ny horohorontany tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ny hatezeran'ny natiora nandoto ny volana Oktobra tamin'ny rà indray:

Rescue efforts have been initiated to save as many people trapped under the debris and landslides as possible with Pakistan Army taking the lead. Powerful aftershocks are being felt around Quetta, and the epicentre in Ziarat Valley, which also happens to be the most picturesque of all places in the province.

Natomboka ny ezaka fanavotana mba hamonjena olona marobe araka izay atao tao ambanin'ny korontam-bato sy fihotsahan'ny tany miaraka amin'ny tafika Pakistana mitarika izany. Tsapa manerana an'i Quetta ny fiverenan'ny horohorontany, ary tao amin'ny lemak'i Ziarat ny foibeny, izay hita fa toerana malaza indrindra any amin'ny faritany.

Islamabad Metblogs mitantara ny antson'ny ben'ny tanànan'i Ziarat:

“There is great destruction. Not a single house is intact.”

Our duty to our brothers and sisters in Balochistan calls us. We did whatever we could for the victims of October 08, 2005 Earthquake and our efforts didn’t go in waste. We make an appeal to unite again and show a greater level of unity, enthusiasm and love for our Muslim brothers and sisters in pain.

Misy ny fahavoazana goavana. Tsy misy na dia trano iray tsy voakasika.”

Miantso antsika ny adidintsika amin'ireo rahalahy sy anabavintsika ao Balochistan. Nanao izay azonay natao ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany tamin'ny 08 Oktobra 2005 izahay ary tsy foana ny ezaka nataonay tamin'izany. Manao antso ho amin'ny firaisana indray izahay ary hampiseho firaisan-kina, hafanam-po sy fitiavana lehibe ho an'ireo rahalahintsika sy rahavavintsika miozolomana anaty fangirifiriana.

Na dia tao amin'ny bilaogiko manokana aza, dia nanasongadina ireo ezaka fanampiana roa manampy ny faritra rava aho: antso iray avy amin'ny talen'ny IDSP ary ezaka fanampiana iray hafa avy amin'ny ivom-pampianarana FAST izay niroso tamin'ny fanangonana ireo entana fanampiana FAST ny mpianatra mba handefa avy hatrany ireo entana fanampiana any amin'ny faritra.

Maro ireo ezaka azo jerena ao amin'ny pejy Wiki Pakistan Earthquake izay natsangana ho fanampiana.Earthquake wiki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.