Tantara mikasika ny Palestina
Maneho ny fanohanany ny Palestiniana ny mpampianatra oniversite sy ny fiarahamonim-pirenena Filipiana
"Tohananay ireo rahalahy sy anabavy Palestiniana ao anatin'ny zony feno sy ao anaty fotokevitra ara-drariny ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fizakan-tenany."
Manohana ny tolona Palestiniana i Malezia sy Indonezia
Olona an'arivony tao Indonezia sy Malezia no nanao famoriam-bahoaka tamin'ny faran'ny herinandro mba haneho ny fanohanany ny Palestiniana ao anatin'ny ady mitohy ataon'i Israely amin'i Gaza.
Fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, mangataka amin'ireo orianasa teknôlôjika mba hanaja ireo zo nomerikan'ny Palestiniàna mandritra ny fotoanan'ny krizy
Tech companies must acknowledge their vital role and responsibility and adhere to business and human rights principles, along with international human rights laws, in upholding and protecting freedom of expression
‘Maty ve aho?': Fijoroana vavolombelon'ny nanatri-maso avy ao Gaza
'Sary mavesatra voasokitra ao an-tsaina, fahatsiarovana ho tsaroako mandra-maty no nentiko nody'
Ny zava-misy tsy azo ihodivirana ao Gaza: fody, anjombona, ary ny maha tafavoaka velona
Izany no Gaza, fiainana mangidy, izay mitondra anay manakaiky ny hantsana ny isan'andro. Miatrika lozam-pahafatesana isan'andro izahay, eo ambany vesatry ny mpampahory tsy ara-drariny.
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.
Saripikan'ny Ramadany: Maka sary ny fotoana iombonana sy ara-panahy vitsivitsy
Fotoana ankalazaina be ao amin'ny tontolo Islamika ny Ramadany, satria manome fahafahana manokana ho an'ny vondrom-piarahamonina hivondrona hanapaka ny fifadian-kanina, hifanerasera ary hanome fiantrana.
Fomba anoheran'ireo tanora palestiniàna ny fibodoana ataon'i ISraely: ny hety volo
Andian-taranaka vaovao manjary tsy manana fanantenana manoloana ireo zava-misy feno habibiana amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra ataon'ny Israeliana no mitarika ny ady amin'izao fotoana izao. Maneho ny fiombonampo amin'ireo tanora ireo ny Palestiniana no sady manohana ihany koa ny fanoherany.
Shireen Abu Akleh, mpanao gazety Palestiniana malaza, maty voatifitry ny bala Israeliana teo amin'ny lohany
Notifirina tamin'ny bala teo amin'ny sofiny i Shireen, teo ambanin'ny arolohany na dia nanao akanjo famantarana ny mpanao gazety sy nijoro teo amin'ny toerana tazan'ny miaramila Israeliana izay nitifitra azy aza izy.
Palestiniàna ilay vehivavy mpampianatra mendrika indrindra, hoy ny Papa François
Hoy ilay ramatoa palestiniàna Hanan Al_Hroub : “Ho very ireo ankizy izay nijaly niaritra herisetra raha tsy omena azy ny fanampiana sy ny tohana ilain'izy ireo".