Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Aogositra, 2014
Mibilaogy Momba Ny Fiainana Sy ny Fahafatesana Ao Gaza i Dalia Alnajjar, 20 Taona
“Ny fanoratana no vatofantsika ampiasaiko hanakana ahy tsy ho rendrika ao anatiko”. Izany no asehoan'i Dalia al-Najjar (20 taona) ao amin'ny bilaoginy, gazetin'ny fiainana ao Gaza.
Gaza : Mpitsabo Sady Mamonjy No Mibitsika Tantara Mahavaky Fo Anaty Rotoroto
Nanavotra ilay zazakely tamin'ny fatin-dreniny bevohoka sivy volana ary matin'ny baomba ireo mpitsabo tao amin'ilay hopitaly rakotra olona.
Taorian'ny Fampitsaharana Ny Fanafihana Tao Gaza, Mampiseho Ny Isan'ireo Aina Nafoy Sy Ny Fahasimbana Nandritra Ny 30 Andro Ny Fanazavana An-tSary
Nanomboka androany ( 5 aogositra) ny fampitsaharana ady 72 ora taorian'ny 30 andro nisian'ny daroka baomba Israeliana sy ny fanafihana an-tanety tao amin'ny faritry Palestiniana, izay notsenain'ny balafomangan'i Hamas, ka nahafaty Palestiniana 1 868 sy Israeliana 67 farafahakeliny
Nofafana Noho Ny Fitarainana Maro Ilay Lalao “Bomb Gaza” (Darohy Baomba i Gaza) Tao Amin'ny Google Play
Nofafana tao amin'ny Google Play ny lalao amin'ny Android ahafahan'ireo mpilalao manatontosa fanafihana an'habakabaka ao Gaza taorian'ny tsikera sy ny fahatezerana
Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS
Marobe ireo olona nosamborina sy nampijaliana tao Bahrain taorian'ny hazalambo antserasera hamantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampiasain'i Israely sy ny ISIS izany tetikady izany androany.
Mpiampanga Ny Tsy Mety Avy Ao Amin'ny Tafika Israeliana Manaporitsaka Resaka Fanafihana Valifaty Ataon'ny Tafika Amin'ny Olon-tsotra
Miaramila Israeliana avy aminà andian-tafika roa ao anatin'ny faritr'i Gaza nanaportsaka vaovao momba ny famonoana Palestiniana nataon'ireo mpitily tao amin'ny manodidina an'i Shuja'iyya ho toy ny sazy tamin'ny nahafatesan'ny miaramila avy ao amin'izy ireo.
[Tandremo: Maherisetra] Lahatsary Avy Ao Gaza Mitatitra Ny Namonoan'ny Tifitra Bala Afomanga Israeliana An'i Ramy Ryan, Mpanao Gazety
Tamin'ny fotoana nanoratana, 1.361 no isan'ny maty tao Gaza, ka ankizy ny 315 tamin'ireo
Nahafatesana Palestiniana Betsaka Kokoa noho ny Vy Nohamafisina Tamin'ny 2008 Ny Sisim-Piarovan'i Israely Ankehitriny
Mitotaly 1.437 ny isan'ny Palestiniana maty tao Gaza noho ny fanohizan'i Israely ny fanafihana ilay faritra tafiditra anelanelan'ny tanin'ny hafa amin'ny andro faha-24n'ny fanafihana, ka nisongona ny tamin'ny Vy Nohamafisina notontosaina enin-taona lasa izay.
Bilaogera Tao Gaza Mibitsika Ny Tantara Mampangitakitaka Nialàny Ireo Fanafihana Fiaramanidina Israeliana Teo Am-piampitàna Ny Sisintany Tao Rafah Ho Any Ejipta
Nanomboka nanao daroka baomba mavesatra tao Rafah ny tafika Israeliana, nataony lasibatra hatramin'ny hopitaly, 90 minitra taorian'ny nanombohan'ilay fampitsaharana poa-basy 72 ora noho ny maha-olona tao Gaza. Palestiniana fitopolo no maty ary an-jatony hafa no naratra tao Rafah nadritry ny darobìka baomba