Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Marsa, 2012
Palestina: Mijaly Ny Mponina Ao Gaza Fa Tapaka Jiro Tsy Misy Solika
Folo taona mahery izay dia lasa mifameno ny voambolana "Gaza" sy "krizy". Ny hadadasiky ny krizy dia hatramin'ny ady sy fandarohana baomba sy fananiham-bohitra miaramila ka hatramin'ny fibodoana ara-miaramila, ka ny tamin'ity tranga ity kosa dia tsy misy ny solika ary tapaka ny herinaratra.
Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid
Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.
Fanafihana ao Gaza, Malaza Ny #TerroristIsrael Ao Amin'ny Twitter
Nanaparitaka vaovao tsy an-kiato mikasika ny #GazaUnderAttack tao amin'ny Twitter ny Palestiniana sy mpitolona Palestiniana hatramin'ny 9 Martsa 2012, noho ny fanafihana miseho ao Gaza izay niteraka fahafatesana Palestiniana 23 sy maratra maherin'ny 100,...
Palestina: Voatafika Indray i Gaza
Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.
Espaina: Nandrahona Mpitolona Amin'ny Fehikibony ny Filohan'ny Mpanao Gazety
Nanantosa fampiratiana sary fiarahan'i Israely sy i Espaina tamin'ny Alarobia 7 Martsa teo tao Granada, Espaina ny Filohan'ny Mpanao Gazety ao Granada, Antonio Mora, raha nitsofoka tao amin'izany efitrano izany ireo mpitolona...
Palestina: Navoaka ny Fonja Israeliana Ny Tanora Palestiniana Iray Mafana Fo Fadi Quran
Navoaka ny fonja Israeliana iray noho ny fandoavana onitra ny tanora Palestiniana iray mafana fo, Fadi Quran. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter am-polony tamin-kafaliana izany vaovao izany