Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Mey, 2018

29 Mey 2018

Valopolo taona taty aoriana, mbola mifampitsara an-tendrony ny Jordaniana sy ny Palestiniana

Raha niteraka fahatsapana fandriampahalemana eo amin'ny vahoaka roa tonta ny fiaraha-miaina nandritra ny fotoana, dia tsy mbola misy ny firindrana tanteraka. Ny fanambadiana sy ny fanatanjahan-tena no roa amin'ireo sehatra izay mbola ahafahantsika mahita mazava kokoa ireo fihenjanana.

23 Mey 2018

Pakistana : Fijery Avy Any Afovoany Atsinanana

Inona no ambaran'ireo blaogera avy ao Afovoany Atsinanana momba ny fivoarana farany ao Pakistana? Miainga avy amin'ny fanangonan-tsonia mba hanakanana ny lalàna miaramila ka tonga hatramin'ny hanihany mahatsikaiky, miainga avy amin'ny torohevitra mankany amin'ny fitarainana noho ireo fotoana tokony hahafanaha manao zavatra saingy tsy mifanojo amin'ny ilàna azy ireo fanehoankevitra.

21 Mey 2018

Antilles Frantsay-Gaza: Ankivy Ara-toekarena Ataon'i Israely Ve?

Amin'ny fomba isankarazany, maneho ny firaisankinany amin'ireo mponina ao Gaza ireo Antilles frantsay sy ny ao Karaiba hatramin'ny fiantombohan'ny ady.

20 Mey 2018

Bangladesh-Gaza : Vavaka Ho An'ny Fandriampahalemana Ao Gaza

Ilay 'Mpiambina ny feon'ny fieritreretan'izao tontolo izao, ilay "Andriamanitr'izao tontolo izao", milaza fa ilaina io vonoolona faobe io. Kanefa, io "andriamanitra" io ihany koa no nampiasa tsy nisalasala ireo "heloka bevava mifanohitra amin'ny maha-olombelona" nataony tamin'i Saddam mba hananiham-bohitra sy hakàna an'i Iràka.

13 Mey 2018

Bilaogy Jordaniana: Ny andron'ny orampanala sy ireo fitantarana hafa nandritra ny volana Martsa

Ny resaka toetr'andro hafahafa no tantara lehibe indrindra nampalaza tampoka ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana ....

06 Mey 2018

Palestina: Nataon'i Obama ho ambin-javatra

Satria mamarana ny fitetezana an'i Israely sy i Palestina ny kandida ho filoham-pirenena Amerikana mahabe fanantenana Barack Obama, nibahana tamin'ny fifantohan'ny Senatera an'i Israely ny lohatenin-gazety manerantany...ary tsy nahitana fifantohana tamin'ny tolon'i Palestina.