Saripikan'ny Ramadany: Maka sary ny fotoana iombonana sy ara-panahy vitsivitsy

 

Ny alin'ny faha-12 n'ny Ramadany, nalaina sary nivavaka tarawih, vavaka manokana isan'alina, tao amin'ny Moske Al Aqsa any Jerosalema, ny 2 Aprily 2023 ny Palestiniana. Nalaina tamin'ny pikantsary tamin'ny horonan-tsary avy amin'ny fantsona Al Aqsa ity fotoana ity. Fampiasana ara-drariny.

Mankalaza ny Ramadany ny miozolomana maneran-tany, fe-potoana fifadian-kanina sy fisaintsainana ara-panahy naharitra iray volana. Amin'ity taona ity ny Ramadany dia atao eo anelanelan'ny 23 Martsa sy 22 Aprily. Iray amin'ireo Andry Dimy amin'ny Islamo ny Ramadany — fanao fototra izay vatofehizoron'ny finoana silamo- miara-dalana amin'ny fanambarana ny finoana (shahadah), ny vavaka (salat), ny fiantrana (zakat), ary ny fivahiniana masina ho an’ireo izay manana fahafahana hanaovana izany.

Mandritra ny 30 andron'ny Ramadany, mifady hanina, zava-pisotro, fifohana sigara ary firaisana ara-nofo, ankoatra ny fahafinaretana hafa ny miozolomana, manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro. Ny tanjon’ny fifadian-kanina dia ny hanamafisana ny fahatsapan’ny olona iray ny fifehezan-tena, ny fangorahana ho an'ireo sahirana, ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra. 

Na izany aza, misy lafiny hafa amin'ny Ramadany. Fotoana andrasan'ny maro fatratra sy ankalazaina ao amin'ny tontolo Islamika izany, satria manome fahafahana manokana ho an'ny vondrom-piarahamonina mba hivondrona hifanerasera, hizara traikefa ara-kolontsaina, ary hanao fiantrana.

Fotoam-bavaka masina amin'ny Ramadan

Mandritra ny Ramadany, mampitombo ny fivavahany ny Miozolomana ary miara mivory isaky ny alina, aorian'ny fifadian-kanina, mba hiaraka hanao vavaka manokana antsoina hoe tarawih.”

Arabia Saodita: Miozolomana an-tapitrisany no nivory tao Lameka mba handray anjara amin'ny takarivan'ny vavaka voalohany tamin'ny 22 martsa 2023. pikantsary avy amin'ny Reuters. Fampiasana ara-drariny

Alzeria: Nandritra ny vavaka tarawih tany Alzeria tamin'ny 3 aprily 2023, andro faha-12 amin'ny Ramadany, nisy saka nitsambikina tampoka teo amin'ny imam raha nitarika ny vavaka izy. Na dia teo aza ny fahatapahana, dia nanohy ny vavaka nataony izy ary naneho hatsaram-panahy niavaka tamin’ilay saka. Naka ny fotoana mampientam-po ity pikantsary, nalaina tao amin'ny rohim-baovao Al Jazeera English ity. Fampiasana ara-drariny

Ny fanahin’ny fiarahana

Mampivondrona ny miozolomana amin'ny traikefa ara-kolontsaina sy fifandraisana ara-tsosialy iarahana ihany koa ny volana masina. Aorian'ny iftar (manapaka ny fifadian-kanina), fianakaviana maro no miara-mivory handray anjara amin'ny hetsika ara-kolontsaina mifanentana amin'ny fianakaviana, manatrika tantara an-tsehatra, ary mihaino mozika mandritra ny volana masina.

 Emira Arabo Mitambatra: Fampisehoana an-tsary mitantara ny tantaran'ny Ramadan amin'ny ankizy amin'ny fampiasana ireo mpiantsehatra  Latifa, Rashid, ary ny Msaharati — mpitendry amponga an-dalambe izay mamoha ny olona amin'ny sakafo hariva na alohan'ny maraina mangiran-dratsy fantatra amin'ny anarana hoe sohour. Dubai Expo City. 2 aprily 2023. Andro faha-11 Ramadany. Sary avy amin'i Lama Shasha. Nampiasaina nahazoana alalana.

Jordania: Fampisehoana nataon'i Darwish mihodinkodina mandritra ny lanonana iftar ao amin'ny Royal Hotel ao Amman, Jordania. 2 Aprily 2023. Sary avy amin'i Rima Samara, nahazoana alalana.

Any amin'ny faritra hafa, Palestiniana an'arivony no nankalaza tamim-pifaliana ny volana Ramadany tamin'ny alalan'ny fihirana sy fandihizana manodidina ny Vavahadin'i Damaskosy malaza ao Jerosalema isaky ny hariva rehefa avy mitsahatra fifandian-kanina.

Palestina: Ao amin'ny Vavahadin'i Damaskosy ao Jerosalema, Palestiniana an'arivony no mivory amin'ny hariva hankalaza ny Ramadany. Andro faharoan'ny Ramdan. 23 Martsa 2023. Vavahadin'i Damaskosy. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Quds TV. fampiasana ara-drariny.

Na izany aza, nanamarika fiovana tampoka sy manjombona ny talata 4 aprily 2023 rehefa nitsahatra ny lanonana, ka nahatonga ny maro ho kivy sy talanjona.

Nanafika ny Moske Al Aqsa nandritra ny alina faharoa nisesy tamin'ny 5 Aprily 2023 ny tafika israeliana mitam-piadiana mahery vaika, nanafika mpivavaka an-jatony izay nivory hanao vavaka Ramadany. Asehon'ny lahatsary fa mitifitra grenady mankarenina sy bala vy mifono fingotra izy ireo, nidaroka tamin-kerisetra ny mpivavaka tamin'ny kibay, ary nandroaka an-keriny ny tao amin'ny moske mba hidiran'ny mpivavaka jiosy ao amin'ny tobin'ny Al Aqsa. Mifanindry amin'ity herinandro ity avokoa ny Ramadany, ny Paka ary ny Paska tamin'ity taona ity.

Manasongadina ny fibodoana mitohy izay mbola manaloka ny faritra ny fiovan'ny atmosfera tampoka.

Palestina: Nosamborin'ny miaramila Israeliana ireo tanora Palestiniana an-jatony taorian'ny fanafihana mahery vaika tao amin'ny Moske Al Aqsa. Jerosalema, Palestina, 5 aprily 2023, andro faha-14 amin'ny Ramadany. Nalaina tamin'ny lahatsarin'ny Aljazeera English ny pikantsary. Fampiasana ara-drariny.

Manapaka mofo sy manorina fatorana

Raha manantitrantitra ny fangoraham-po sy ny fahalalahan-tanana amin'ireo sahirana ny fanahin'ny Ramadany, dia fotoana iray itiavan'ny olona sasany handany ankalalahana kokoa izany. Na dia toa mifanohitra aza ny fandaniam-bola be mandritra ny fe-potoana (hifehezan-tena), dia misy fiantraikany tsara eo amin'ny toekarena izany. Nanamarika ireo manam-pahaizana manokana fa mety handrisika ny fitomboana ara-toekarena, indrindra ho an'ny orinasa eo an-toerana izay mahazo tombony amin'ny tinady avo kokoa ny fitomboan'ny fandaniana mandritra ny Ramadany. 

Inside Cairo's Ramadan Lanterns at El-Sayeda Zeinab

Ejipta: Tsena Ramadany ao El-Sayeda Zeinab, andro mialoha ny hanombohan'ny Volana Masina ao afovoan'i Kairo, Ejipta. 15 Martsa 2023. Sarin'i Zeinab Mohamed. Flickr. CC BY-SA 2.0

At Cairo's Ramadan market in El-Seyada Zeinab

Ejipta: Tsena Ramadany ao Al-Sayeda Zeinab. Kairo, Ejipta. 15 Martsa 2023. Sary avy amin'i Zeinab Mohamed. Flickr. CC BY-SA 2.0

Hafa kely anefa ity taona ity. Miatrika fanamby lehibe ny miozolomana manerana izao tontolo izao noho ny fiakaran'ny vidin-tsakafo, satria mitohy manimba ny toekarena manerantany ny lafin-javatra isan-karazany toy ny adin'i Rosia any Okraina, ny fiantraikan'ny valan'aretina COVID-19, ary ny hetsika mifandraika amin'ny fiovan'ny toetr'andro.

Ankoatra ny fanamby ara-toekarena, Miozolomana maro manerana izao tontolo izao no miady amin'ny fifandonana sy ny famindra-toerana. Araka ny nambaran'ny UNHCR, maherin'ny 50 isanjaton'ireo nafindra toerana an-keriny teo ambany fiahian'ny UNHCR maneran-tany no ao amin'ny tontolo Silamo avokoa.

Jordania: Mpitsoa-ponenana Syriana iray ao Jordania, mitafy ny akanjo nentim-paharazana Syriana manomana Sous (liccorice), zava-pisotro manokana. mandritra ny Ramadany. Sary nalaina tamin'ny 29 martsa 2023, andro faha-7 amin'ny Ramadany. Avy amin'i Basil Alshahmeh – CC BY-SA 4.0. Fampiasana ara-drariny.

Na dia eo aza ny zava-tsarotra rehetra,  manolo-tena hivory hiara-misakafo, handany fotoana miaraka amin'ny namana sy fianakaviana, ary haneho fahalalahan-tanana amin'ireo sahirana, mandritra ity fotoana manokana amin'ny taona ity ny miozolomana.

Tany Syria, na dia teo aza ny voka-dratsin'ilay horohorontany nahafaty olona 57.000 mahery tany Syria sy Torkia tamin'ny 6 Febroary 2023, sivily manodidina ny arivo no nivory nankalaza iftar iombonana tao Aleppo tao anatin'ny korontam-bato.

Syria: Olona arivo avy any Aleppo, nivory hanao Iftar iombonana tamin'ny Zoma 31 Martsa, andro faha-9 amin'ny Ramadany. Pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary Arabo Aljazeera. Fampiasana ara-drariny.

Any Jordania, izay miaina ao amin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana ny 24,1 isanjaton'ny mponina, niroso tamin'ny fanampiana ny mpiara-belona aminy manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana ny fianakaviana maro.

Jordania: Ity sary ity dia mampiseho sayadiyah, nahandro Levantine ahitana trondro, vary, zava-manitra ary voanjo, nalain'i Hanadi Abu Adas tao Aqaba, Jordania tamin'ny andro faha-12 amin'ny Ramadany, 3 Aprily 2023. Nahandro sy nizara sakafo ho an'ny fianakaviana am-polony sahirana nandritra ny volana masin'ny Ramadany i Hanadi. Nampiasaina nahazoana alalana.

Na amin'ny alalan'ny finoana, na kolontsaina, na fananganana fiaraha-monina, porofon'ny faharetana sy ny tanjaky ny fanahin'olombelona manoloana ny fahoriana sy ny fahasahiranana ny Ramadany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.