
Tongasoa ry tanoran'i Jerosalema, Sariitatra an'i Mahmoud Abbas, fampiasàna nahazoana alalana
Herinandro vitsivitsy izay, nanasola ny lohany ireo tanora Palestiniana tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Shu'fat, ao avaratr'i Jerosalema voabodo, mba hamitahana an'ireo miaramila Israeliana mikaroka an'i Uday Al-Tamimi, 23 taona, voarohirohy ho nanao fanafihana nitifitra ny toeram-pisavan'ny miaramila teo akaikin'ny toby tamin'ny 8 Oktobra.
Tamin'izay zava-misy lasa fantatra tamin'ny anarana hoe “Hetsika Shu'fat”, nitarika ho amin'ny famonoana vehivavy miaramila israeliana iray ary fandratràna roa hafa ilay raharaha, ary niteraka fahirano tanteraka nataon'ireo miaramila Israeliana manodidina ny toby.
Taorian'ny namoahan'ny tafika Israeliana ny endrikendrik'ilay nahavanon-doza ho sola loha, tanora Palestiniàna marobe no nandefa lahatsary an-tserasera misy azy ireo eo ampanasolàna ny lohany tao amin'ny trano fanapaham-bolo iray tao anatin'ny toby, tsy narahana fanehoankevitra.
Tsy tao an-tsain-dry zareo ny hoe ilay hetsika fanoherana am-pilaminana nataon'izy ireo dia hiteraka fanohanana avy any ifotony teny anivon'ireo tovolahy ao anatiny sy ivelan'ny toby, ary koa any ivelan'ny sisintany, izay nanomboka nanasola ny lohany ho tetika fanoherana tsy misy herisetra, ary ho firaisankina miaraka amin'ireo mponina ao amin'ny toby.
أعلنت سلطات الاحتلال الاسرائيلي أن الشاب الذي نفذ الهجوم المسلح من المسافة صفر على حاجز مخيم شعفاط السبت الماضي وأدى إلى مقتل جندية واصابة 3 جنود اسرائيليين آخرين ولازال حرا طليقا أصلع الرأس فقام كل شباب المخيم بحلاقة رؤوسهم أصلع الرأس لمزيد من تضليل الاسرائيليين #فلسطين pic.twitter.com/O5w5XGJARr
— A Mansour أحمد منصور (@amansouraja) October 15, 2022
Nanambara ny tomponandraikitra israeliana fa sola ilay tovolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny toerana fanarahamaso ny toby tao Shu'fat tamin'ny Sabotsy lasa teo, nahafaty vehivavy miaramila iray sady nandratra miaramila Israeliana telo hafa, ary mbola tsy hita popoka. Mba hamitahana bebe kokoa ireo Israeliana dia nanasola ny lohany daholo ireo tovolahy rehetra tao amin'ny toby.
Mampatsiahy ny fikomiana Palestiniàna teo anelanelan'ny taona 1936 hatramin'ny 1939 ilay paikady, rehefa nialàn'ireo Palestiniàna an-tanàndehibe ny “tarbooshes“-ndry zareo ka nosoloina tamin'ny “kufiya” — ny taovolo misoritsoritra nentin-drazana mahazatra fanaon'ireo “fallaheen” (mponina ambanivohitra) – tao anatin'ny ezaka iray hamitahana ireo Britanika mpanjanaka izay nampiasa ny kufiyas ho entina manondro ireo mpikomy Palestiniana izay ny ankamaroany dia avy amin'ireo faritra ambanivohitra.
Nanjary nalaza tampoka tao anaty media sosialy ity fomba fihetsiketsehana tsy misy herisetra ity, aingampanahy ho amin'ny fanaovana zavakanto isan-karazany mba hankalazana ny firaisankina. Nitarika ihany koa izy io fitakiana hanaovana hetsika fihantsiana hafa, sahala amin'ny fampiasana iniana atao ny fanampin'anarana Tamimi, Uday, any anatin'ny resaka an-telefona, WhatsApp sy hafatra SMS ho ampahany amin'ny ezaka hamitahana ny fitaovana fitsikilovana Israeliana amin'ny ezaka ataon'izy ireo hitadiavana azy.
من النهر للبحر .. بدنا نحلق عالصفر#كاريكاتير أحمد قدورة #فلسطين #FreePalestine pic.twitter.com/tCNByTMEsC
— Ahmad Qaddura Cartoon (@qadduracartoon) October 19, 2022
Manomboka any an'ony ka hatrany an-dranomasina, hanasola ny lohantsika daholo isika. Ahmad Qaddoura
Ho fanomezam-boninahitra ilay Palestiniana mpanao sariitatra, Naji Ali , nampidirin'ity artista ity ny endrika Handala – marika famantarana ny maha-Palestiniana sy ny fihantsiany.
شباب فلسطينيون يحلقون رؤوسهم للتمويه على الاحتلال في بحثه عن منفذ عملية شعفاط #شعفاط #عرين_الأسود #جنين #القدس #نابلس #فلسطين #كاريكاتير pic.twitter.com/CNnvsMs1VM
— Cartoonist Omar sommad (@omarsommad) October 16, 2022
Nitodika tany amin'ny vazivazy ihany koa ireo Palestiniana mba hiatrehana ny zava-misy henjana ao anatin'ilay trangan-javatra.
الوضع في مخيم شعفاط 😂😂😂#صفر pic.twitter.com/59lDmQKuYC
— Mohammed_Nemer 𓂆🇵🇸 (@Mo__Nemer) October 17, 2022
Famaizana iombonana
Indrisy, tsy zava-mahatsikaiky velively raha ny zavamisy iainan'ireo Palestiniàna. Tamin'ny Aprily 2021, navoakan'ny Human Rights Watch ny tatitra iray mavesa-danja miampanga an'i Israely ho nahavita heloka bevava manoloana ny maha-olombelona, manana endrika fanavakavahana (apartheid) tamin'ny alàlan'ny fanavakavahany ara-drafitra sy ny famoretana tsy misy fanavahana ireo Palestiniàna.
Tsy nahafaly ireo manampahefana israelinàna ireo fihetsika feno fihantsiana tato ho ato, izay efa hatry ny ela no lasa loharano-na adisaina ho an'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona ny fanafihana ataony amin'ireo endrika fihetsiketsehana rehetra ataon'ny Palestiniàna
Ny 8 Oktôbra, nametraka fanibohana nandritra ny andro enina ho an'ny toby Shu'fat ry zareo Israeliàna. Mampiantrano Palestiniàna miisa 100.000 eo ho eo, noterena hiala tamin'ny tranony sy ny tany nahaterahany tamin'ny 1948 tao amin'ilay Palestina ara-tantara io toby io, mba hametrahana an'i Israely, nanomboka tamin'izay ilay toby no vaoasaraka tamin'i Jerosalema tamin'ny alàlan'ny tambohobe nataon'ny israeliàna, nahatonga azy ho toy ny fonja goavana be, ka i Israely no mifehy sy manaramaso ireo toerana rehetra fidirana sy fivoahana ao. Nandritra ilay fanibohana farany napetraky ny tafika, noraràna tsy ho afa-miala tao ireo mponina, tsy afaka nandeha niasa, na nanatona mpitsabo, na niantsena sy nahazo ireo tolotra fototra andavanandro.
Nanoloana io famaizana tambabe noterena hozakain'ny tao an-toby io, nandritra ny fihazàna ilay lehilahy atao hoe Tamimi, nanao fampielezankevitra hanatanterahana tsy fankatoavana faobe ireo mponina tao an-toby
الاحتلال يحاصر 150 ألف فلسطيني بحثًا عن منفذ عملية شعفاط في “عقاب” جماعي وهوس انتقامي. الضفة تعلن الاضراب العام غدًا، وأهالي #مخيم_شعفاط يعلنون العصيان المدني مع مواجهات مستمرة. الضفة على برميل من بارود سينفجر في وجه الاحتلال والأجهزة الأمنية التي تحرسه.
pic.twitter.com/nIcNY3utuf— مُنى حوّا • Muna Hawwa (@MunaHawwa) October 11, 2022
Ao anatina “famaizana” tambabe sy ny faharevoana tafahoatra hanao valifaty, dia nataon'ny mpibodo fahirano ireo Palestiniàna 150.000 mba hikarohana ilay nanao ilay hetsika tao Shu’fat. Nilaza hanao fitokonana faobe ny ao Cisjordanie rahampitso, ary nilaza ny hanao tsy fankatoavana faobe ireo mponina ao Shu'fat miaraka amin'ireo fifandonana misy amin'izao fotoana izao. Baomba miandry izay fotoana hipoahany fotsiny ny ao Cisjordanie, hipoaka manoloana ny fibodoana sy ireo mpitandro filaminana izay manosika ho amin'izany.
Nitatra be ireo hetsipanoherana tao Cisjordanie sy Jerosalema Atsinanana voabodo, izay itrangana fitokonana ara-barotra ankehitriny. Io dia ho valin'ny antso hanaovana fitokonana faobe nalefan'ny Areen al-Usud (“Lavaky ny Liona”), vondrona mpihoko mitam-piadiana ahitàna ireo lehilahy avy amin'ny ankolafy politika rehetra, vao noforonina tao an-tanànan'i Naplozy, tsy ela akory izay, taorian'ny nahafatesan'ilay tovolahy 19 taona, Ibrahim al-Nabulsi, tovolahy iray hafa ankalazaina ho toy ny maherifo ao an-toerana. Nitarika fanoherana an'ireo fanafihana ataon'ny tafika israeliàna ao amin'ny toby fialokalofana ao Jenin sy ao an-tanànan'i Naplozy ilay vondrona
Tsy ela akory izay i Naplozy no toerana nitrangana fanafihana feno herisetra nataon'ireo voanjo narovan'ny tafika israeliàna, ary nampiharana fanibohana tsy misy hafa amin'ilay natao an'i Shu'fat nanomboka tamin'ny 11 Oktôbra. Raha nanamaivana ny fameperana ao amin'ny tobin'ny mpitsoaponenana ao Shu'fat ireo manampahefana israeliàna tamin'ny 13 Oktôbra, mbola mitoetra kosa izy ireny ho an'ny ao Naplozy.
Ankehitriny ireo tanora Palestiniàna nanasola ny lohany dia mety hiharan'ny sazy fandoavana lamandy 500 Shakel sy fiantsiana tsy miato avy amin'ny tafika israeliàna, ary raha kely indrindra, tovolahy niisa 15 no very asa vokatr'ilay hety volo vaovaon-dry zareo.
Mandritra izany fotoana izany, nifarana tamin'ny 19 Oktôbra ny fihazàna an’ i Uday Tamimi taorian'ny fisiana andrana iray hafa nitifirana ireo Israeliàa mpiambina tao amin'ilay fitoerana tsy ara-dalana misy ireo mpibodo ao Ma'ale Adumim, atsinanan'i Jerosaleman voabodo. Taorian'ny nahalalàna ny fahafatesany dia an-jatony ireo mponina ao Shu'fat no nameno ny arabe haneho ny fanajan-dry zareo azy sy niarahaba azy ho toy ny maherifo izay.
من أمام منزل الشهيد المقاتل عدي التميمي في مخيم شعفاط…#عدي_التميمي#عرين_الاسود pic.twitter.com/gXYgwYedov
— Firas Taneineh (@FirasTaneineh) October 19, 2022
Eo anoloan'ny tranon'ilay maritiora mpiady, Uday Tamimi, tao amin'ny toby ao Shu'fat.
Onja vaovao amin'ny fanoherana ataon'ny Palestiniàna
Tato anatin'ireo volana vitsy farany, niakatrakatra ny maripàna tao Cisjordanie noho ireo hetsika ara-tafika israeliàna niverimberina, sy ireo voanjo mitam-piadiana mampihorohoro tsy misy bedy an'ireo teratany Palestiniàna, ary ny fitomboan'ny fanoherana mitam-piadiana ataon'ireo Palestiniàna. Io tsingerina herisetra io dia ampahany amin'ny fampielezankevitra ara-tafika israeliàna “Mandrava Onja” ikendrena ireo Palestiniàna mpanohitra mitam-piadiana, izay nahitàna fihavaozaa indray ao Cisjordanie taorian'ny kihon-dàlana iray tanatin'ny fanetsehana ny Palestiniàna nanomboka tamin'ny May 2021.
Tamin'izany fotoana izany, ireo Palestiniàna avy ao Cisjordanie sy Gaza, ary ireo teratany Palestiniàna avy ao Israely dia nivondrona hanohitra ny famindràna toerana ireo mponina asaina mandao ny manodidina an'i Sheikh Jarrah ao atsinanan'i Jerosalema, sy ny fanafihana ireo mpivavaka tao amin'ny maoske Al Aqsa. Vetivety foana dia nivadika ho fanafihana iray naharitra 11 andro nataon'i Isrealy tao amin'ny lemak'i Gaza efa fahirano io, nahafatesana Palestiniàna mihoatra ny 260, ka ankizy ny 66.
Kanefa, ny firaisankina naterak'izay dia nanome fofonaina vaovao ho an'ny fanoherana mitam-piadiana tao Cisjordanie.
Hatramin'ny fiandohan'ny 2022, Palestiniàna 165 raha kely indrindra no maty novonoin'ny Israeliàna tao Cisjordanie sy ny Lemak'i Gaza, 51 tamin'ireo dia Gazaouis maty nandritra ilay fanafihaa naharitra telo andro tao amin'ny lemaka, izay nofaritan'ny UNICEF ho ny “taona namoizana aina be indrindra hatramin'ny 2006.”
Ankehitriny dia andian-taranaka vaovao izay miha-lasa very fanantenana manoloana ireo zavamisy feno herisetran'ny “apartheid” israeliàna no mitarika ny tolona. Raha ireo Palestiniàna any amin'ireo tany voabodo manohy ny fanehoany firaisampo sy ahiahy ho an'ireo tanora eny am-bava-ady amin'ilay hetsika fanoherana, ity firaisankina tsy mitsaha-mitombo ity dia manampy hampiray ireo vondrom-piarahamonina voasamantsamaka ara-potokevitra sy ara-batana.