Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Mey, 2011
Palestina: Fihetsiketsehana Hanoherana ny Fibodoana, Sy Ho An'ny Firaisam-Pirenena
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nahita ny taniny sady bodoin'ireo fanorenana Jiosy sy ny rindrina fiarovana natsangan'i Israely ao Cisjordanie ireo tanàna Palestiniana ao Andrefan'i Gaza ao. Any amin'ireo tanàna tahaka an'i Nabi Saleh, Bi'lin ary Ni'lin, namaly izany tamin'ny fanatanterahana hetsika milamina isan-kerinandro ireo mponina eny an-toerana. Tsy nivoana tamin'izany ihany koa ny herinandro taorian'ny nanasoniavan'i Hamas sy Fatah fifanekena amin'ny fiombonany.
Palestina : Mankalaza ny Fampihavanana ny Hamas sy ny Fatah i Gaza
Ny elatra roa Palestiana mpifanohitra, ny Fatah sy ny Hamas, dia nampitsahatra androany ny ady lavarenin'izy ireo nandritra ny fihaonana ho fampihavanana tao Caire, Ejipta. Ny fanambarana ny amin'ity fifanarahana ity, izay ahitàna ny faritr'i Gaza, izay teo ambany fifehezan'ny Hamas foana hatrizay, sy Cisjordanie, faritry ny hetsika Fatah dia nankalazaina tao Gaza.