Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

26 Avrily 2019

Palestina: Mitàna ny fahatsapana maha-olombelona ao Gaza

Satria miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ao Gaza, maro no miady tsy amin'ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro ihany, fa amin'ny fiovan'ny soatoavina hita manodidina azy ireo koa, ao anatin'ny fiarahamonina izay lasa nanjakan'ny fisainana Islamista. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, manoratra tabatabam-pahakiviana ny bilaogera iray ao Gaza .

25 Avrily 2019

Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai

Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.

21 Avrily 2019

Fanehoankevitra Maneran-tany Taorian'ny Famotsorana Ilay Nahavanona Fanapoahana Baomba Tao Lockerbie

Misy amin'izao fotoana izao ny resabe mirehitra eny amin'ny onjampeo sy ny tontolon'ny bilaogy, ho fanehoankevitra momba ilay fanapahankevitry ny fitsarana ao Ekaosy hanafaka ilay Libiana mpampihorohoro, Abdel Basset al-Megrahi, alohan'ny fiafaran'ny saziny, noho ny antony maha-olona sy ara-pahasalamana

18 Avrily 2019

Palestina: Mankalaza ny famerenam-pihavanan'ny Hamas/Fatah i Gaza

Namarana ny fifandrafesan'izy ireo goavana ireo antoko mpifandrafy Palestiniana Fatah sy Hamas androany, nandritra ny fifanarahana fampihavanam-pirenena natao tany Kairo, Ejipta.