Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Mey, 2017

Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka

Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.

Palestina: Atao Fitaovana i Gaza

Bilaogera nandao an'i Gaza vao haingana i Exiled (an-tsesintany) - ary tsy maika hiverina izy. Ho hitantsika ato ny heviny momba ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny fitiavan-tena, ny tonelina mankany Ejipta sy ny tetikasa fefy vy, ary ny toetry ny hiahian'ny tontolo any ivelany ny tetezan-tanin'i Gaza.

Maraoka: “Gaza Avokoa Izahay”

Rabat dia 3850 kilaometatra avy ao Gaza, saingy tsy manakana an'i Maraoka tsy hahatsapa fahatsapana firaisankina lehibe amin'ny Palestiniana izany. Satria mitohy miharatsy ny fanafihan'i Israely an'i Gaza, Manohy miloa-bava ireo bilaogera ao Maraoka.

Mijanona Ho “Hentitra” Hitokona Tsy Hihinan-kanina Iray Volana Ireo Gadra Palestiniana Noho Ny Fepetra Iainana Ao Amin'ny Fonja Israeliana

Tapitra ny telopolo andro ary mbola manohy ny fitokonana tsy mihinan-kanina faobe ireo gadra politika Palestiniana maherin'ny 1.500 ao amin'ny fonjan'i Israely.

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.

Palestina: Fiandrasana Doboka Tafondro Tao Gaza Amin'ny Andron'ny Iftar

Ny ady tao Gaza dia nahatonga ireo fombandrazana marobe ho lasa fahatsiarovana fahagola sisa. Mahatsiaro ny nifaranan'ny fomba fanao rehefa Ramadan i Hazem [ar] Palestiana bilaogera, izay tsaroan'ny raibeny efa lasa nodimandry.

Antso Hanaovana Ankivy ny Pizza Hut Israely Noho Ny Famazivaziany Ilay Gadra Palestiniana Mitokona Tsy Hihinan-kanina tao amin'ny Facebook

"...satria sarobidy kokoa noho ny pizza-anareo ny fahamendrehana maha-olombelona!! #Boycott_PizzaHut"

Fanamby Ranon-tsira, Mandingana Sakafo sy #DignityStrike: Maneho Firaisankina Amin'ireo Gadra Mitokona Tsy Hisakafo Ny Palestiniana

Isan-taona isaky ny 17 Aprily, mankalaza ny Andron'ny Gadra Palestiniana ny Palestiniana ao anatin'i Palestina sy ny any am-pielezana mba hihazonana ny fankalazana sy ho fantatr'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fisarihana ny saina manoloana ny fijalian'ireo gadra Palestiniana.

Palestiniana Mpanao Gazety Manoritsoritra Ireo Andro Maro Nijaliany, Ireo Tsindrona Mistery Nataon'ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana Azy

“Manokafa trano fiandrasampaty ho ahy, tsy ho ela dia handre momba ny fahafatesako ianareo.”