Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Jolay, 2010
Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany
Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.
Palestina: Atrikasa manome hery ireo mpitoraka blaogy any Gaza sy Cisjordanie
Vao haingana izay dia nanome atrikasa mikasika ny fitorahana blaogy tany Gaza sy tany Cisjordanie ny lehiben'ny Global Voices Advocacy, Sami Ben Gharbia. Ireo atrikasa ireo dia nokarakarain'ny Arabic Media Internet Network (AMIN), izay mikendry ny hampitombo ireo mpitoraka blaogy ao anatin'ny fiarahamonina Palestiniana.
Tontolo Arabo: Eritreritra momba ny lalao famaranana ny Fiadiana Tompon-daka Eran-tany
Marina ny tenin'ilay horita mpaminany Paul ary naharesy ny Espana tamin'ny lalao famaranana ny Fiadiana ny Tompon-daka eran-tany, izay nifarana tany Afrika Atsimo minitra vitsy lasa izay. Tany amin'ny tontolo Arabo dia nizara hevitra vitsivitsy momba ilay lalao famaranana sy ny fifaninanana manontolo ireo mpampiasa Twitter
Palestina: miaina miaraka amin'ny gropy elektrozena ny any Gaza
Aizina ao Gaza, nalaina tao amin'ny Flickr Free Gaza Movement Nakatona vonjy maika ny toby famatsiana herinaratra tokana ao Gaza ny 25 jona lasa teo, noho ny disadisam-pandoavam-bola teo amin'ny...