Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Mey, 2015
Notazonin'ny Fiarovana Isiraeliana Ilay Arabo Amerikana Mpanao Gazety Nohon'ny ‘Nandraisany Fiaramanidina Nefa izy Miozolimana’
Nampahafantatra ny zavatra niainany tamin’ny "Fandraisana fiaramanidina raha toa ka Miozolimana" tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Tel Aviv ny Palestiniana iray mpanao gazety mizaka ny zom-pirenena Amerikana, Noor Wazwaz, milaza fa ny fanambaniana dia tsy manakivy azy hiverina indray.
Melohina ho Faty Noho Ny Fandosirana ny Fonja Tamin'ny 2011 Ny Filohan'i Ejypta Teo Aloha Mohammed Morsi
Nomelohina ho faty ny filoha voafidim-bahoakan'i Ejipta voalohany Mohammed Morsi, sy ireo olona zato hafa. Henatra no ilazan'ny fikambanana mpiro ny zon'olombelona sy ny mpanohana izany toe-javatra izany.
Digital Citizen 2.8 (Olom-Pirenena Nomerika)

Ny Digital Citizen dia jeritodika fanao in-droa isan-kerinandro amin'ireo vaovao, politika ary fikarohana momba ny resaka zon'olombelona any amin'ny tontolo Arabo. Ity boky ity dia mijery ireo famoretana atao ao Kaoety, ny fanafihana DDoS tao Libanona, ary zavatra maro hafa.