Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Jolay, 2017
Isiraely: Miresaka Amin'ny Mpamily Fiarakaretsaka
Palestiniana any Israely monina ao Acre i Rasha Helwa (milaza ny tenany ho mponina ao Palestina izy), izay nanoratra andian-tsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy Zaghroda mitantara ny zavatra tsapany nandritra ny fandehanany fiarakaretsaka itambarana sy nilaza ny maha zava-dehibe ny fiteny - Arabo na Hebreo - izay nosafidian'ny mpamily hifandraisana.
MENA: Avelao Hilatsaka Ny Ranomandry ..
"Faly ireo zanako androany maraina. Taorian'ny vakansy ny ririnina naharitra tapa-bolana, niverina tany an-tsekoly izy ireo indray andro, ary nilatsaka ny ranomandry! Nanomboka tamin'ny havandra izany halina.
Ejypta: Fetiben'ny Filma Momba ny Mpitsoa-ponenana Ao Kairo
Nanasa ahy tao amin'ny bilaogin'ny Fetiben'ny Filma momba ny Mpitsoa-ponenana Kairo ny wholehearteldy Sudaniya, ka nahita vaovao lehibe momba ireo mpitsoa-ponenana ao Ejypta tao anatin'izany bilaogy izany aho.
Palestina: Qatayef, Tsindrin-tsakafo Manokana Amin'ny Ramadany
Mandritra ny Ramadany, ny qatayef no iray amin'ireo sakafo manokana ankafizina manerana ny tontolo Arabo, mofomamy kely nosesehana zava-mamy maro samihafa tao anatiny. Nijery ny fomba nanamboarana izany ny bilaogera iray avy ao Gaza, ary manolotra ny fomba fahandro izany kosa ny bilaogera iray hafa avy ao an-toerana ihany.