· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Desambra, 2011

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia nahatonga hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao. Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Mizara ny zavatra niainany ao amin'ny Twitter nandritra ny fanafihana tahaka izao ireo Palestiniana.

14 Desambra 2011

Tontolo Arabo Mamaly An'i Gingrich: “Raha Vahoaka Noforomporonina Fotsiny Ny Palestiniana, Ny Amerikana Izany …”

Vahoaka "noforomporonina" ny Palestiniana, izay te-hamotika an'i Israely, hoy ny mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena Amerikana Newt Gingrich. Ny fanamarihany, tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny fantsom-pahitalavitra Jiosy, dia niteraka hatezerana sy rikoriko teo amin'ireo mpiondana aterineto manerana ny tontolo Arabo.

12 Desambra 2011